|
Coliseum Antsonjombe – Hanohy ny seho ry Black Nadia, Jean-Aimé, Tsiliva ary D’Alvis(0) Taorian’ny seho tamin’ny alatsinainin’ny paka, hanohy sy seho etsy amin’ny Coliseum de Madagascar etsy Antsonjombe ry Black Nadia, Jean-Aimé, Tsiliva ary D’Alvis. «Alatsinainin’ ny pantekôty goavambe», fampisehoana faharoa handoavam-bola ao amin’ity toerana ity ary tafiditra amin’ny tanjon’ny Madapro, mpikarakara amin’ny fanazarana ny olona hitia hijery fety sy hilanona eny an-toerana. Adin’ny roa avy ny anjaran’ny mpanakanto tsirairay ka hifandimby hanafana ireo mpijery ireo karazana gadona samihafa toy ny kilalaka, ny zouk love, ny gadona afrikanina… Anisan’ny nafarana manokana avy any Antsiranana ho an’ity seho ity i d’Alvis izay fantatra amin’ilay hira «Iz sa za ». Hitovy tamin’ny seho natao ny alatsinainin’ny paka teo ihany ny lafiny teknika na ny fanamafisam-peo, ny jiro ary ireo tranoheva samihafa mampiantrano ny fampisehoana. FR |
![]() |
« Batou beach » – Hiray sehatra i Lalatiana sy Eric Manana(0) Ao anatin’ny fankalazana ny faha-5 taonany, hanolotra ny «Mi’Ritsoka mifety» eny amin’ny Batou Beach Ambohimanambola ny mi’Ritsoka Production amin’ ny alatsinainin’ny pantekoty 20 mey tontolo andro. Hiray sehatra amin’izany i Lalatiana sy Eric Manana. Ankoatra azy mianadahy ireo, handray anjara amin’ ity hetsika arahina fitsangantsanganana ao anatin’ny dobo filomanosana sy ny tora-pasika ity koa ireo mpanakanto marobe efa niara-niasa sy mbola hanohy ny fiaraha-miasa amin’ity trano mpamokatra ity. Anisan’ ireo hanafana ny sehatra eny amin’ny Batou Beach ny tarika Feo Gasy, Benny sy Bebey, tarika Iraimbilanja, Tsiakoraka, Samoëla, Randrantelo, Voahirana, Théo Mikea, Rôla Gamana, Jovin, Kiady, Rolf, Tselonina, Fafah Mahaleo, Kolibera, Gothlieb, sns. Noho ny andro fitsangantsanganana ho an’ny rehetra dia hahazo ny tandrifiny amin’ireo kalo sy fihetsika samihafa ihany koa ireo kilonga madinika miaraka amin’i Gothlieb. Faly Ran. |
![]() |
Pantekôty Toamasina – Hiray sehatra i Nantenaina sy Shyn «Pantekôty maresaka ao Tamatave». Io no loha- tenin’ny fampisehoana voalohany hiarahan’i Nantenaina sy Shyn any an-drenivohitr’i Betsimisaraka, ny alahadin’ny Pantekôty 19 mey, hatao ao amin’ny kianja mitafo Soavita. Sambany ny fiarahan’izy roa lahy an-tsehatra ao Toamasina, araka ny fanamby napetrak’i Nantenaina ho an’ny vahoakan’i Toamasina. «Tanjona ny hisian’ny hetsika toy izao isan-taona hanandratana ireo mpanakanto avy any amin’ny faritra Atsinanana», hoy i Nantenaina. Samy manana ny gadona voiziny izy roa lahy ireo, ka hiara-hitondra ny talentany amin’ny sehatra iray. Hisy ny acapella, Reggae ary indrindra ny fitrandrahana ny basesa, hoentin’i Nantenaina. Ny tontolon’ ny r’n'b kosa no hatolotr’ i Shyn. Na samy manana ny hanitra ho azy aza, anisan’ ny andrasan’ny mponin’i Toamasina amin’ity fampi- sehoana ity ny fampiaraham- peon’izy mirahalahy. Faly Ran. |
![]() |
« Samy ngeza » – Hifandona eny Mahitsy i Fara John’s sy Onja «Dueln’ny samy ngeza» no fampisehoana voalohany hiarahan’i Fara John’s sy Onja (Tinondia), eny Mahitsy amin’ny alahadin’ ny Pantekôty izao, ao anatin’ny fikarakaran’ny Mi Art’i Pro. Hifampidera ny talentany avy, amin’ ny alalan’ny mozika mafana ao amin’ny kianjaben’i Mahitsy izy mirahavavy ireto. Ny gadona salegy no tena ahafantarana an’i Farah John’s ary anisan’ ny mampiavaka azy ny fahaizany manetsika sy mampitsinjaka ireo mpijery. Efa noporofoiny rahateo izany tamin’ireo fampi- sehoana maro efa natolony. Ireo gadona avy any amin’ny faritra atsimo, ampiarahina amin’ny zava-maneno mavesatra kosa no mampalaza an’i Onja. Tafiditra ao anatin’ izany ny Banaiky, Rodoringa ary ny tsapiky, samy gadona manetsiketsika vatana avokoa. Hanakoako eny mihitsy eny izany ny “samy mandefitra”, “Fanambalia”, “Tsisy quoi”… ampian-dry “Assuré”, “Confiance”, “Jalousie”. FR |
![]() |
Gadona « Kodoro » – Hitondra ny talentany ho an’ ireo ankizy sahirana i Geda Mib Mpanakanto voalohany mivoy ny Kodoro, gadon- kira avy any avaratry ny Nosy ary fantatra tamin’ ilay hira «Fazila». Hitondra ny talentany ho an’ireo ankizy sahirana i Geda Mib ary hiara-dia amin’ ny fikambanana miahy ireo reny iharan’ny herisetra, «Les colombes association» (LCA). Seho takariva hatolony etsy amin’ ny Le Glacier Analakely no hiakaran’izy ireo an-tsehatra, ny alin’ny alatsinainin’ ny Pantekôty. Zaza maherin’ny 30 tsy tafiditra an-tsekoly no heverin’izy ireo hahazo tombony amin’ny hetsika. Efa fanaon’ny fikambanana, tarihin-dRavololomboahangy Marie Lucie, mpanabe amin’ny Epp Angodonina, ny fiahiana ireo zaza sahirana ary efa Avy amin’ny sehatra samihafa ireo mpikambana ao amin’ny LCA ary anisan’izany ireo mpanao gazety mampahafantatra ny ezaka ataon’ny fikambanana. FR |
|
Faha 25 taona – Mbola nahafeno tanteraka an’Antsahamanitra hatrany ny tarika Rebika
Na tsy nandray anjara aza ireo mpikambana sasany. Mbola nahafeno tanteraka an’Antsahamanitra ny tarika Rebika, nandritra ny lanonana nanombohana ny fankalazana ny faha-25 taona, izay notanterahina omaly tolakandro. Ankoatra ny fiangaliana ireo hira nahafantarana ny tarika tao anatin’ny 25 taona, dia nisy ny fanapahana ny mofomamy nanehoan’ireo mpikambana ny vetsovetsom-pony momba ny tarika Rebika. Anisan’ireo tarika maro mpikambana ary nahitana ireo niala sy nisintaka ary niverina indray ity tarika ity. Nalai-nisaraka ny roa tonta, na efa nilentika aza ny masoandro. Nanakoako tetsy Antsahamanitra indray ny «Miredareda», «Anirotra», «Fa tena tia»… Nifandimby rahateo ny hira manentana sy ireo nampihetsi-po. Toy ny hita tamin’ireo seho rehetra niarahana tamin’ny tarika Rebika, dia niara-nihira hatrany ry Hery-Tiana sy Ranix ary ry Lôla… teny an-tsehatra. Ra-Nix, rahateo dia mandalo an-tanindrazana, izay nampiaina ity fampisehoana ity. Nisongadina ihany anefa na izany aza ny tsy nahitana an-dry Rivo sy Benja ary Rampal. Hitohy amin’ny fitetezam-paritra ny fankalazan’ ny tarika Rebika ny faha-25 taonany ka anisan’ny daty efa masaka ny 19 mey izao any Tsiroanomandidy, Moramanga ny 20 mey, Fianarantsoa ny 26 mey ary any Ambatondrazaka ny 26 jona. Any Eoropa kosa ny fandaharam-potoanan’ny tarika amin’ny faran’ny taona. Faly Ran. |
![]() |
Paprika – Namelona ireo tsiaro ny taloha ny tarika Tsiakoraka Tarika nisongadina teo amin’ny tontolon’ny folk, tamin’ny taona 80. Namelona tsiaro tamin’ireo hirany nalaza tamin’izany fotoana ny tarika Tsiakoraka, nandritra ny seho takariva izay nataon’izy ireo, tetsy amin’ny Paprika Andraharo, ny zoma alina teo. Fampisehoana santatra amin’ny fisehoana maromaro hiarahana amin’ny tarika izay ahitana mpikambana vaovao vitsivitsy izy io. Araka izany, dia nentin’ny tarika Tsiakoraka tamin’ity seho ity ireo hira rehetra nahafantarana ny tarika raha tsy hitanisa afa-tsy ny «Te hahita anao», «Namana», «Tamboho», «Freedom»… Anisan’ny hiara-hiasa amin’ny trano mpamokatra mi’Ritsoka ny tarika Tsiakoraka, izay efa eo am-piketrehana ny rakikira iray ahitana ireo hira malazan’ny tarika na ny «Best of» ary hivoaka amin’ity taona ity. FR |
![]() |
Donia faha 20 – Entin’ny tarika Ambondrona any Nosy Be ny «Havaoziko» Efa nivoaka ny volana febroary teo. Ho entin’ny tarika Ambondrona any Nosy Be, mandritra ny Donia 2013, ny rakikira farany « Havaoziko » navoakan’ny tarika. Ny sabotsy 18 mey no hiaka-tsehatra any amin’ny kianjan’Ambodivoanio ry Beranto sy ny namany, amin’ity hetsika ity. Hiara-dia amin’izy ireo mandritra io andro io ny tarika Romazava Tsivakiny, Segae’l ary Sisca. Karazana gadona samihafa no hita mandritra ity hetsika ho fampahafantarana an’i Nosy Be, amin’ ny alalan’ny kolontsaina ity. Ny filaharambe mitety ireo tanàna maro ao Helle-ville hatrany no hanokafana ny hetsika, izay handraisan’ireo mpanohana, tahaka ny THB sy ny Orange, anjara ary hitondran’ny tarika Fou Hehy ny fanentanany. FR. |
|
Tokotanibe ESCA Antanimena – Hanolotra seho roa ao anatin’ny andro iray ry Agrad&Skaiz sy ny tarika ’Zay
Samy manana ny hanitra ho azy nefa natambatry ny mpianatry ny Esca. Seho roa ao anatin’ny andro iray no hatolotr’i Agrad&Skaiz sy ny tarika ’Zay rahampitso tolakandro etsy amin’ny tokotaniben’ny Esca Antanimena. Hetsika tafiditra amin’ny fanombohan’ny fanamarihana ny faha-80 taonan’ny sekoly Esca Antanimena sy ny faha-20 taonan’ny Essca (Fampianarana ambony). Hiraza roa samy hafa ny fampisehoana, ka ny tapany voalohany dia hifantoka amin’ny gadona rap-n-dry Agrad & Skaiz. Izy mirahalahy ireto no nampiakatra ny lazan’ny trano mpamokatra Gasy Ploit tarihin’i Don Smokilla. Efa tafiditra anisan’ireo hira malaza amin’ny Rap ny «Lol» tena nahafantarana azy ireo. Fampisehoana ankalamanjana tokana ataon’ny tarika ’Zay eto an-drenivohitra kosa ny tapany faharoa. Fampisehoana farany ihany koa io, mialoha ny hiatrehan’ny tarika ny fitetezam-paritra any Frantsa. Araka ny fanazavan’ny komity mpikarakara dia vokatry ny fanadihadiana natao tamin’ny mpianatra no nampiarahana ireto tarika roa ireto. Faly Ran. |
|
Teatra natao an-kira – Tafita tamin’ireo mpijery tetsy Andavamamba ny tantaran’Ibonia Ampahany amin’ny tantara ihany. Tafita tamin’ilay seho «Woaouw, le mythe d’Ibonia» ny fiandohan’ny tantaran’Ibonia, izay nolalaovina voalohany ny sabotsy takariva teo tetsy amin’ny Alliance française tetsy Andavamamba. Seho izay niarahan’ny tantara an-tsehatra sy ny mozika ka nitantarana ny nahaterahan’Ibonia, izay olo-mahery sy manana hery manokana izay mametraka azy ho sady olombelona no Andriamanitra. Nasongadin’ireo mpilalao sy mpanakanto izay notarihin’i Henri Randrianierenana ny fahaizany nifehy ny sehatra ka nanome loko hafa ity fampisehoana ity. Samy nanana ny traikefany rahateo ny teny an-tsehatra raha tsy hilaza afa-tsy ny fahaizan’i Mija Rasolo miantsehatra ny tantaran’Ibonia izay nampian’i Haingo izay nandray ny toeran-dRasoabemanana, renin’Ibonia, izay momba ka nanatona an-dRanokombe, nolalaovin’i Billy. Tsy ambakan’izany koa anefa ireo hira niangalin’i Gahü sy ny feomangany izay notronin’i Iangotiana sy Fitiavana. Toy izany kosa ny zava-maneno sy ny hira nahitana ny gitaran’i Rôla Gamana sy ireo hiran’i Hari Vaomanohy. Hitohy ny alarobia izao etsy amin’ny Aft Andavamamba ihany ny fampisehoana ity tantaran’Ibonia ity manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva ihany. FR |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |