![]() |
Fianarana sady kilalao – Vita ny fizaràna loka tamin’ny »Rallye mathématiques »(0) Nifarana ilay fifaninanana faha-12 nomena anarana «Rallye Mathematiques», izay karakarain’ny fikambanan’ny mpampianatra ity taranja ity, GEMMA, isan-taona. Natao teny amin’ny Lycée français, eny Ambatobe, tamin’ny farany herinandro teo, ny fizarana ny loka tamin’ireo nandresy tamin’izany. «Mpianatra 14 000 mahery avy amin’ny liseam-panjakana sy tsy miankina manerana ny Nosy no nandray anjara tamin’izany. Natao indrindra mba tsy hatahoran’ny ankizy ity taranja ity intsony sy ny hilalaovana azy ka hahaizany mampiasa azy amin’ny fiainany an-davanandro no anton’ny fifaninanana», hoy Ramahazosoa Prosper, mpikambana ao amin’ny GEMMA. Mpianatra avy ao amin’ny Lycée français, Ambatobe sy ny Lycée Jules Ferry, eny Faravohitra ary ny Kolejy Jules Vernes, ao Antsirabe no nitana ny laharana voalohany, araka ny fanazavana azo tamin’ i Dubois Sandrine, mpandrindra ny fifaninanana. B.A |
![]() |
Lalam-piofanana sosiolojia – Ho lasa isaky ny enim-bolana ny fanadinana Mizara ho isan’enim-bolana ny taom-pianarana eo anivon’ny sampana Haifiarahamonina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo manomboka izao, ka isaky ny mifarana ny enim-bolana no hanatanterahana ny fanadinana. Tsy misy intsony, araka izany, ny adina fisondrotan-kilasy isan-taona. Vantany vao vita ny enim-bolana voalohany dia atao avy hatrany ny fanadinana ho an’ireo taranja rehetra nianarana tamin’iny fotoana iny. Efa namoaka ny didim-pitondrana ho fampiharana ny rafi-pampianarana LMD (Licence-Master-Doctorat) ho an’io sampana io rahateo ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Maro ny fiovana entin’io rafi-pampianarana vaovao io amin’ny fampianarana ambony eto Madagasikara. “Tsy mandika be fahatany ny rafitra LMD iraisam-pirenena izahay fa mampifanaraka izany amin’ny toe-java- misy eto amintsika”, hoy ny Dr Todisoa Andriamampandry, lehiben’ny sampana Haifiarahamonina. Eo amin’ny fomba fampianarana indray dia mihena ny ora natokana ho an’ny lesona torolalana fa ny fikarohana no tena betsaka. “Be dia be ny tombontsoa entin’io rafitra io satria hitombo ny taham-pisondrotan-kilasy ho an’ny sampana. Ilain’ny mpianatra Haifiarahamonina rahateo ny fijerena ny zava-misy. Ny fidinana eny ifotony no tena zava-dehibe satria izy ireo dia ho mpitsabo ny fiarahamonina amin’ny lafiny rehetra”, hoy hatrany ity lehiben’ny sampana Haifiarahamonina ity. Raha tsy misy fitokonana Etsy andaniny anefa dia mametraka fisalasalana ireo mpianatra amin’ny hizoran’ity rafi-pampianarana vaovao ity. “Raha tsy misy ny fitokonana ety amin’ny anjerimanontolo dia tsara io rafitra io satria izay kely vita, avy hatrany dia anaovana fanadinana. Mihena koa amin’izay ny taranja anaovana famerenan-desona”, hoy ny fanehoan-kevi-dRazafiarison Tahina, mpianatra taona faharoa ao amin’io sampana io. “Mety ilay rafitra satria maro kokoa ny fotoana lany amin’ny fidinana ifotony. Io no tena fototra sy antom-pisian’ny mpianatra ho mpandinika fiarahamonina”, hoy indray i Andrinirina Nissan, mpianatra taona fahatelo ao amin’ny sampana Haifiarahamonina hatrany. Nanomboka tamin’ny alatsinainy teo ny taom-pianarana vaovao ho an’ity sampana ity raha mbola tsy manomboka kosa ny ao amin’ny fakiolten’ny Teny sy ny haisoratra. Maminiaina Andri. |
|
Karaman’ny mpampianatra – Nihena indray ilay fisondrotana Ar 50 000
Tratran’ny tian-kano tsy tian-kano. Mahatsiaro ho voafitaka ireo mpampianatra taorian’ny tolona sy fitakiana niafara tamin’ny fifanarahana nataon’izy ireo tamin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nifanarahana ny fisian’ny fisondrotan-karama, saingy mpampianatra maro ankehitriny no nitaraina fa nihena ilay fanondrotan- karama Ar 50 000 nifanekena. Misy amin’ireo mpampi- anatra no nilaza fa nidina Ar 35 000 no voasoratra ao anatin’ ny taratasim-bola noraisin’izy ireo, efa volana maromaro izay. Mpampianatra hafa kosa nilaza fa efa tsy naharay izany fanondrotan-karama Ar 50 000 izany intsony nanomboka ny volana septambra 2012 teo. Misy aza no manizingizina mihitsy fa tsy hita misoratra ao anatin’ny taratasim-bolan’izy ireo akory izany fisondrotan-karama izany. “Nifanarahana tamin’iny fotoana iny fa mahazo ny fanampin-karama Ar 50 000 avokoa ny mpampianatra. Mitombina anefa ny fihenan’izany satria mbola misy ny tataon-ketra takian’ny minisiteran’ny Vola sy ny tetibola. Raha nisy mpampianatra milaza fa tsy nahazo kosa dia tokony hanao fitarainana satria mety ho fahadisoana avy amin’ny milina no mahatonga izany. Raha ny tena izy kosa anefa tsy tokony hisy fiovana intsony ny fisondrotana efa neken’ny fanjakana”, hoy kosa Rabetahiana Pascal, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. LR |
|
Fitokonan’ny FRAM – Manahy ny ho tapaka fanampiana ireo mpampianatra sasany
Mandresy lahatra. “Miantso ireo mpampianatra Fram izahay mba hiverina hanohy ny fampianarana. Efa hitanay ny porofo fa hivoaka afaka 10 andro raha ela indrindra ny fanampiana. Entanina isika satria nisy fotoana tapaka karama ireo mpampianatra nitokona. Ny antsika nefa fanampiana izay azon’ny fanjakana tapahina ihany koa. Vao mainka olana lehibe ho antsika izany”, hoy Randrianjafy Elidio, filohan’ny fikambanan’ny mpampianatra Fram (Anefa), ny sabotsy teo nandritra ny fivoriambe tetsy Mahamasina. “Antony teknika teo amin’ny lafiny “logiciel” no nahatonga ny fahatarana. Ho vita afaka 10 andro izany ary ho avy tsy ho ela ihany koa ny ambiny”, raha ny fampanantenana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Fanampiana roa volana, janoary sy febroary, no horaisin’ireo mpampianatra afaka 10 andro io. Aorian’izay kosa dia efa ho avy ihany koa ny marsa sy avrily, 10 andro aorian’io voalohany io ihany. Amin’ny 22 jona kosa no toky nomen’ny minisitera fa hanefana ny volana mey sy jona. Etsy ankilan’izay ireo mpampianatra mivondrona ao anatin’ny fikambanana Anefa dia misy tsy manaiky izany fampitsaharana ny fitokonana. “Tsy hijanona izahay raha tsy tonga ety an-tananay ny fanampiana. Mety hanakatona sekoly mihitsy izahay”, hoy ireo mpampianatra nitokona tetsy Ampefiloha ny zoma teo. LR |
|
Fomba enti-mampianatra – Nohatsaraina ny fampianarana ny taranja siantifika
Nampahafantarina omaly ny tetikasa fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara (AQUEM). Tetikasa iarahan’ny fikambanana Educmad sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izay hifototra amin’ny fomba hahamora ny fampianarana ny taranja siantifika. Apetraka amin’ny alalan’ny tahiry elektronika (médiathèque) amin’ny solosaina ny lesona. Voakasiky ny tetikasa avokoa ireo lisea na kolejy liana, saingy misy sarany aloa kosa. “Ny taranja matematika, fizika ary ny siansa na SVT no atao ho an’ny kolejy. Miampy ny taranja matematika hafa izany ho an’ny lisea”, hoy i Carine Roditis, tompon’andraikitry ny tetikasa “médiathèque”. Toeram-pianarana 72 eto Madagasikara no efa mampihatra ity tetikasa ity ao anatin’ny faritra sivy. Misy amin’izy ireo no sekoly tsy miankina. “Azon’ny Educmad atao ny mampindrana solosaina ireo sekoly mila izany”, hoy hatrany Carine Roditis. Nanatanteraka fivoriana tetsy Ampefiloha omaly ireo lehibena toeram-pianarana mampiasa io teknika fampianarana io. “Nampiakatra ny tahan’ny ankizy afaka bakalorea sy nifindra kilasy ny fampidirana ny fomba fampianarana teo anivon’ny sekoly”, hoy ireo tale nandray anjara tamin’ny fivoriana. LR |
|
Fianaran teny anglisy – Ankizy sahirana miisa 40 handeha hiasa any New York Etazonia
Tsara vintana rehefa milofo amin’ny fianarana. Tafita indray ireo zanak’olona sahirana eny anivon’ny fokontany maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina (Talatamaty, Ampitatafika,Tanjombato, Analamahitsy, …) satria ankizy 40 amin’izy ireo no handeha hiasa any New-York any Etazonia. Ao ireo hiasa am-birao, teknisianina momba ny herinaratra, asa zaridaina, mpitarika mpizaha tany, … Iray amin’ireny Ramanantenasoa Faniry Louisette, 20 taona. “Tahaka ny manofy foana aho hatramin’ny nahavitako ny fianarana teny anglisy. Sahirana izahay ka tsy mba afaka nianatra toy ny ankizy rehetra aho. Mety hisy fotoana hanala Bakalorea ihany aho, fa mbola Bepc aloha hatreto no ananako ary efa mahafehy ny teny anglisy aho. Asa teto an-toerana no tanjoko Velombolo Velombolo avokoa ireo tanora nahazo anjara amin’ity asa any ivelany ity, ary hanainga tsy ho ela. Fianarana teny anglisy ataon’ny fikambanana mampianatra ireo ankizy sahirana (FMOS) mitety fokontany maro no nahafahan’ireo ankizy ireo nahita asa. Dimy ka hatramin’ny enim-bolana ny faharetan’ny fianarana ataon’ ireo ankizy. “Tsy misy ny saram-pianarana amin’ny maha ankizy sahirana azy. Fandraisana anjara Ar 3 500 no takiana, nefa misy ireo tena hita fa sahirana nahazo taratasy avy any amin’ny fokontany dia ampianarina maimaim-poana”, hoy ihany iry lehiben’ny fikambanana iry. Lilia Rajaonah |
![]() |
Antsiranana – Mpianatra tratra nanao maloto tao an’efitrano fianarana Ny sekoly CEG Pk3 any Antsiranana irery no sekoly ao an-tanàna andrasan’ny polisy amin’ny basy madritra ny tontolo andro fianarana, noho ny hetra-ketrak’ireo andian-jatovo maditra « foroches ». Tsy mbola mahalefy ny ditran’ny ankizy anefa izany, fa vao ny alahady teo dia mpianatra roa lahy (13 sy 16 taona) kilasy faha-6 no tratran’ ny mpiambina ambo-diomby nametaveta ny efitrano fianarana laha-rana faha-9 sy faha-10. Nanaovan’izy roa lahy ireo maloto teny ambony latabatra sy teo amin’ny gorodona simenitra. Niverenan’ izy ireo nanaovana izany ny vatasarihin’ny mpam- pianatra tao amin’ny efitrano faha-5 tamin’ ny alatsinainy teo. Rehefa tratran’ny mpiambina ny sekoly kosa izy ireo dia niantso ny polisy avy hatrany iry farany. Nosamborina izy roa lahy ary natolotra ny Fitsarana omaly talata. “Niaiky ny fahadisoany izy ireo saingy tsy nety nilaza ny antony nanaovany azy fa nolazainy fotsiny hoe hadalana”, hoy ny fanazavana nomen’ ny brigadie Charlin, ao amin’ny kaomisaria. Fihetsika fanimbazimbana ny toeram-pianarana no hanenjehana ireto zaza ireto. Raheriniaina |
|
Fanampian’ny vondrona Eoropeanina – Hahazo anjara amin’ny vola Ar 45 000 tapitrisa ny Fram sy ny mpianatra Fanampiana mila kalitao. Mitohy ny tolo-tanana ataon’ny vondrona eoropeanina eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Natao omaly tetsy Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny vondrona eoropeanina sy ny sampan’ny Firenena mikambana misahana ny reny sy ny zaza (Unicef), ary ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Vola, amin’ny famoahana vola manodidina ny Ar 45 000 tapitrisa. « Handoavana ny tambin-karaman’ny mpampianatra Fram miisa 45 000 manerana ny Nosy, hividianana fitaovam-pianarana ary hanampiana ny sakafo any an-tsekoly io fanampiana io », hoy i Leonidas Tezapsidis, lehiben’ny degelasionan’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara. Mpianatra 3 800 000 no kendrena hahazo ny fitaovam-pianarana, ary 1 250 kosa no hahazo ny sakafo any an-tsekoly. Ity farany izay isan’ny laharam-pahamehana mba hampitomboana ny tahan’ny ankizy miditra an-tsekoly. Nambaran-dRabetahiana Pascal, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, fa nitombo 2% mantsy ny tahan’ny ankizy niala an-tsekoly. Isan’ny tanjon ‘ny Unicef ny hifantohan’ny fanatsarana ny fari-pahaizan’ireo mpampianatra Fram. « Hirosoana amin’ny fanohanana ny fanatsarana ny fampiofanana ho an’ny mpampianatra Fram. Ny 70%-n’ny mpianatra amin’ny ambaratonga fanabeazana fototra no ampianarin’izy ireo, kanefa ireto farany tsy dia manana fari-pahaizana firy. Eritreretina ihany koa ny hanovana ny sata mifehy ny asany« , hoy i Steven Lauwerier, avy amin’ny Unicef. LR |
![]() |
Oniversite tsy miankina – Nolavina ny fangatahana « réhabilitation » miisa 12 Manomboka hentitra. Mbola mila fanaraha-maso akaiky sy fahamalinana eo amin’ireo mpianatra ny amin’ny fisafidianana ny oniversite tsy mi-ankina hianaran’izy ireo. Nilaza mantsy ny avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony fa mbola maro amin’izy ireo no tsy ara-dalàna. »Efa nahatratra 129 ireo oniversite nomena fisokafana (homologation), saingy mbola maro no tsy manana ny fahazoan-dalana hamoaka diplaoma ara-dalàna (réhabilitation). 45 no fangatahana tokony andrasana nefa 43 ihany no tonga. 31 tamin’ireo ihany koa no nekena raha nolavina ny 12 ambiny. Tsy maintsy mamerina manao taratasy ara-dalàna izy ireo vao azo ekena ny mari-pahaizana avoakany », hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, Horace Gatien. Nampitandrina hatrany ny minisitera tompon’andraikitra fa tsy azo ekena mihitsy ny mari-pahaizana sy ny fikarohana avy amin’ireo oniversite tsy manana »homologation » ireo. Efa maro amin’ireo oniversite ireo anefa no mampiranty izany fikarohana izany etsy amin’ny tahala Rarihasina Analakely nandritra ny roa andro. LR |
![]() |
Filohan’ny oniversite – Sonian’ny prezidansa sisa andrasana amin’ny fanendrena Efa tontosa avokoa ny fifidianana ny filohan’ny oniversite enina, saingy mbola tsy afaka miasa izy ireo noho ny tsy fisian’ny didim-panjakana manendry azy. »Ny sonian’ny Filohan’ny Tetezamita sisa andrasana saingy mbola tsy vita. Efa ela no niandrasana izany saingy be loatra ny zavatra mbola mitana azy. Taorian’ny nandalovan’ny raharaha nodinihina nandritra ny filankevitry ny minisitra no efa nitetezana ireo minisi-tera tompon’andraikitra rehetra mba hanao sonia. Io sonia iray io sisa andrasana dia mivoaka ny didim-panjakana », hoy Horace Gatien, sekretera jenera-lin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Nambaran’ity farany fa tsy afaka manao ny asa maha filoha azy ireo filoha ireo raha tsy mivoaka io didim-panjakana io. »Na ny famindram-pitantanana aza tsy maintsy miandry io didim-panjakana io », hoy hatrany i Horace Gatien. Didim-panjakana iray ihany no fantatra fa manendry azy enina ireo. LR |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |