|
Fahapoizinana – Olona 63 nararin’ny sakafo tamina mariazy miara-mizotra(0)
Nanao rano lava omaly ireo olona narary vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo tonga tetsy amin’ ny hopitaly Hjra, Ampefiloha. “Olona nanatrika mariazy miara-mizotra tamina fiangonana iray teny Itaosy ireo narary tonga nanatona hopitaly ireo. Olona an-jatony no nanatrika ny sakafo fanasana saingy ireo 63 ireo ihany no tonga nanatona hopitaly. Misy no nanatona toeram-pitsaboana hafa. Ankizy latsaky ny 15 taona avokoa ny ankamaroany tonga eto amin’ny Hjra », araka ny nambaran’ny Dr Rajemiari- moelisoa Miraho Felaniaina, avy eo anivon’ny sampan- draharaha mpanara-maso ny sakafo, isan’ny nijery akaiky ny marary, tetsy amin’ny Hjra, omaly. Tamin’ny sabotsy teo no nambaran’ireo marary, tonga tao amin’ny hopitaly, fa nisian’io lanonana mariazy miara-mizotra io. “Ilay sakafo nisy maionezy sy sardine no mety nahavoa ireo olona ireo”, raha ny tombana avy amin’io sampan-draharaha io. “Nokarakaraina talohan’ ny nandehanana namonjy ny fotoam-pivavahana ilay maionezy ka mety izay no nitarika ny fahapoizinana taminay”, hoy kosa ny renim-pianakaviana iray, mbola tsy afaka miteny tsara, tonga nitsabo tena tetsy amin’ny Hjra. Ny alatsinainy hariva teo no nanomboka niseho tsikelikely ny aretina. Nandoa sy nivalana avokoa ireo olona voany ary voatery notazomina eny amin’ny hopitaly izy ireo, indrindra ny ankizy, ka asiana seraoma. Nisy ihany koa anefa no nalefa nody rehefa hita fa tsaratsara. Lilia Rajaonah |
|
Minisiteran’ny fahasalamana – Nampitandrina momba ireo dokam-barotra amin’ ny fitaovana manasitrana(0)
Tsy ara-dalàna. Nampitandrina ny mpanjifa ny minisitry ny Fahasalamana, Dr Ndahimananjara Johanita, manoloana ny dokam-barotra sasany momba ireo fitaovana ambara ho manasitrana aretina, miverimberina amin’ny haino aman-jery. «Voararan’ ny lalàna iray nivoaka tamin’ny taona 2001 ny fanaovana dokam-barotra momba ny fitaovana samihafa, ambara fa azo hitsaboana ny olombelona, toy izay hita tao ho ao, lazaina ho mitsabo tosi-dra na homamiadana, na mampihena ny habetsahan’ny menaka anaty ny tenan’ny olona na koa mitsabo diabeta sy ny maso ary ny «sinusite», ohatra», hoy ny minisitry ny Fahasalamana. «Tsy nanome fahazoan-dalana hivarotana ireny fitaovana ireny ny minisiteran’ny Fahasalamana satria tsy ananany porofo ara-tsiantifika. Tandremo tsy ho sodokan’ireny dokam-barotra ireny fa lahitokana ny aina», hoy ihany izy. BA |
|
Herinandron’ny ati-vava – Mety hahafaty ireo ankizy madinika ny areti-nify Tsy tokony hatao tsinontsinona. Matetika no sokajian’ny olona ho toy ny aretina madinika ny aretin’ny ati-vava sy ny areti-nify. Isan’ny aretina mety hahafaty haingana, indrindra ho an’ireo ankizy madinika anefa ity aretina ity. Nivoitra izany omaly nandritra ny fankalazana ny herinandrom-pirenena momba ny fahasalaman’ny ati-vava sy ny nify, natao tany Imerin’Imady, distrikan’Ambositra. “Betsaka sady maro karazana ny areti-nify ary misy mahafaty mihitsy. Ilay karazana areti-nify atao hoe “noma”, izay aretin’ny ati-vava tena mpahazo ny ankizy no mety mahafaty”, araka ny nambaran’ny Dr Ranivoharilanto Eva, lehiben’ ny sampan-draharahan’ ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava, eo anivon’ ny minisiteran’ny Faha- salamam-bahoaka. Antony maro no fantatra fa ahazoana io aretina io saingy mampivoatra azy kosa ny aretin’ny ankajo- nify sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary indrindra ny aretina mandoaka nify (carie). Ity aretina farany ity no tokony hosorohina satria nahitana fiakarany ny olona voany. “80%-n’ ny ankizy no efa manana nify loaka. Miakatra 90% izany eo amin’ny faha-5 taonany ary tafakatra hatramin’ny 98% izany any amin’ireo olon-dehibe 35 taona ka hatramin’ny 44 taona”, araka ny tatitra avy amin’ny minisiteran’ ny Fahasalamana. Nivoitra tamin’ny fanentanana omaly ny tokony hiborosiana ny nifin’ny ankizy raha vao mihinana karazan-tsakafo. Tsara ihany koa ny mitsabo nify indray mandeha isam-bolana. Lilia Rajaonah |
|
Hopitaly Ambohimiandra – Zaza marary mafy mila famonjena
Mila vonjy maika. Marary mafy ka mila fanafody mitentina Ar 460 000 isan’ andro ny zazavavi-kely iray vao 13 taona, Razafi- mahefa Mendrika Nirinasoa, avy eny Imerimanjaka, Ambohijanaka, izay tsaboina eny amin’ny hopitaly Ambohimiandra. Tratran’ny aretina sarotra sitranina amin’ny havokavoka izy. Very 10 kilao ity zazavavy ity, hatramin’ny naharariany. Fitiliana tamin’ny scanner no nahitana fa simban’ny otrikaretina ireo “alvéoles” amin’ny ilan-tratrany havanana. “18 andro no efa notsaboina ety amin’ny hopitaly Ambohimiandra izy ka nambaran’ny dokotera fa tokony hotohizana 30 andro ny fanafody. Efa lany namidy ny fanananay tao an-trano nanavotana azy. Kely fidiram-bola anefa izahay mivady fa samy mpiasa madinika. Raisinay am-pitiavana izay foin’ny tsara sitra-po sao mbola azo avotana ihany ny ainy, izay voalohan-janakay amin’ny zaza roa”, hoy Randriambololona Marie Odette, reniny. “Tsy fantatra izay nahazoany io aretina io. Tsy mifindra aloha ilay izy saingy mahery vaika. Vao voalohany no nahitako aretina toy izao tao anatin’ny 15 taona niasako”, hoy Dr Rakotonandrasana David Harimbola, mpitsabo ankizy manara-maso ny fahasalamany eny Ambohimiandra. Barphil Andriantsiferanarivo |
![]() |
Fahasalamana – 90%-n’ny olona voan’ny homa- miadana no mety ho sitrana Azo sitranina ny aretin’ ny homamiadana. “Ny 90%-n’ny olona voan’ny homamiadana no mety ho sitrana raha maharaka tsara ny fitsaboana rehetra”, hoy ny Dr Rabarijaona Léontine, lehiben’ny sampan-draharaha mitsabo ny homamiadana, etsy amin’ny Hjra. Fanentanana ny olona hiroso amin’ny fitiliana no tena mana- mora ny fitsaboana. “Azo tsaboina tsara ny homamiadana raha vao manomboka. Efa lalim-paka anefa ny aretina mahazo ny 75%-n’ny marary vao manatona mpitsabo izy”, hoy io mpitsabo io. Hisy ny fanamarihana ny andron’ny homamiadana anio sy rahampitso eto amintsika, ka hifantoka amin’ny homamiadan’ ny ankizy ny hetsika fankalazana. Ny 3%-n’ ireo voan’ny homamiadana tonga manaraka fitsaboana, etsy amin’ny Hjra, dia ankizy. Ny homamiadan’ ny ra no mahazo ny 59%-n’izy ireo. LR |
|
Fahasalamana – Mitombo ireo olona mitondra ny tsimok’aretina Sida « Misoko mangina sady miakatra ny tahan’ny olona mitondra tsimok’aretina Sida », hoy Dr Rabeson Andriantsivolosy Hervé Patrick, lehiben’ny sampan-draharahan’ny fitsaboana, etsy amin’ny Birao monisipaly momba ny fahadiovana (Bmh) Isotry. Misy isan’andro ny fandraisana fitiliana maimaim-poana eny an-toerana. Nisy telo ireo nitondra ny tsimok’aretina tamin’ny janoary teo, tafakatra efatra izany ny febroary ary enina ny volana marsa teo, araka ny tarehimarika azo teny amin’ny Bmh. Olona avy amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy, amin’ny karazan-taona rehetra, no tonga manao fitiliana ao an-toerana. Misy hatramin’ny ankizy roa taona sy reny bevohoka mitondra izany. Misy ihany koa ireo efa maherin’ny 49 taona ary ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina sy ny lehilahy manao firaisana amin’ny lehilahy no tena betsaka. Nampahatsiahivin’ny Dokotera Rabeson Andriantsivolo Hervé Patrick, izay manaraka ny fitsaboana ireo olona mitondra ny tsimok’aretina Vih, fa tsy mamindra amin’ny olona na amin’ny zaza ao an-kibo ny marary rehefa manaraka tsara ny fitsaboana. « Aretina sahala amin’ny aretina rehetra ny Sida rehefa voatsabo. Mitovy amin’ny diabeta sy ny tosi-dra ihany izy amin’ny fihinanana fanafody mandrapahafaty. Rehefa tsy mihinana ilay fanafody dia mety ho mora voan’ny aretina ary ireo aretina ireo no mety hahafaty fa tsy ny Sida », hoy izy. Lilia Rajaonah |
![]() |
Fahasalamana – Efa tonga eto amintsika ny fitsaboana ampitain-davitra Mivoatra hatrany ny teknolojia saingy mbola tsy voafehy kosa ny fanakanana ny aretina. Hanomboka tsy ho ela eto amintsika ny fitsaboana ampitain-davitra amin’ny alalan’ny informatika sy ny “télé médecine”. Hopitalim-panjakana maro- maro no hametrahana izany, ary isan’ny atao filamatra voalohany ny eto Antana- narivo sy Antsirabe ary Toamasina. Fomba iray ahafahan’ny olona mifanakalo hevitra sy manontany mpitsabo matihanina ho an’ireo olona lavi-toerana ity fomba iray ity. Miaraka aminy ihany koa ny fanaovana fitiliana “échographie” amin’ny alalan’ ny “internet” sy ny finday. “Tsy mila mifindra toerana na mamonjy toeram-pitsaboana ilay marary fa amin’ny alalan’io “télé échographie” io dia efa hita ny soritr’aretina”, araka ny fanavazan’ireo mpitsabo, nandritra ny andro faharoan’ ny informatika momba ny fitsaboana aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, tetsy Antsakaviro. Hisy ny fanofanana mpi- tsabo eto amintsika amin’ ny fikirakirana ity fomba vaovao ity. Ireo mpitsabo nahavita fianarana momba ny fitsaboana, nandritra ny valo taona, no afaka manaraka izany fiofanana izany. LR |
|
Fahasalamana – Ankizy maromaro nararin’ny ody kankana tany Amparafaravola
Nalaza ratsy indray ny hetsika Heri- nandron’ny faha- salaman’ny reny sy ny zaza, tamin’ny herinandro ambony teo, tao amin’ny tanànan’Amparafaravola. Ankizy mpianatra maromaro latsaky ny dimy taona no fantatra fa tratran’ ny aretin-kibo vokatry ny fihinanana ody kankana. “Ankizy maromaro no narary taorian’ny fihinanana ody kankana ongombe hiarovana ny aretin’ny kankandio (filariose). Ireo ankizy rehetra nihinana izany no tratran’ ny fivalanana ary tsy afaka nianatra. Aretina mandalo ihany anefa ilay izy ary efa voafehy”, araka ny fanamafisam-baovao avy amin’ny Dr Fetra, avy any Amparafaravola. Nisy tamin’ireo ankizy kosa indray no rakotra bontsina menamena ny vatany taorian’ny fihinanana io ody kankana io. Nifanindry “Nifanindry tamin’ny hetsika herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza (Ssme) ny fanomezana io ody kankana io, fa tsy tafiditra ao anatin’ny hetsika. Misy faritra maromaro ahitana ny aretina kankandio ka nahitana ny fizarana odin-kankana fa tsy avy amin’ny Ssme akory. “Bendazole” no ody kankana nozaraina nandritra ny hetsika ary tsy mampaharary kibo mihitsy”, hoy kosa ny fanavazana nomen’ny dokotera iray, mpandrindra ny hetsika Ssme. Ody kankana zaraina isaky ny sekoly ity ongombe ity, ary natao ho an’ny faritra mafana nefa be rotsak’orana. Mifindra amin’ny alalan’ny moka ny kankana ary any amin’ ny hoditra no hitoerana sy handehandehanany. “Hetsika efa fanao ny fizarana io ody kankana io aty aminay. Ny fomba nitehirizana ilay fanafody no mety nampaharary ny ankizy nihinana azy. Na izany aza efa voafehy ny aretina”, raha ny fanampim- panazavan’ireo mpitsabo hatrany. Lilia Rajaonah |
|
Fahasalamana – Olona am-polony nampidirina hopitaly vokatry ny rivotra
Aretina kely tsy ampoizina nefa nampiditra hopitaly. Aretina manomboka mahazo ny maro ny fidiran’ny rivotra any anaty kibo sy vavony. Olona efatra no nisesy tonga tetsy amin’ny hopitaly Befelatanana, ny sabotsy maraina teo, vokatr’ity aretina ity. Nambaran’ny mpitsabo fa efa nisy valo hafa koa niharan’izany tamin’ny herinandro teo. Tahaka izao ny fitrangany: maloiloy te- handoa foana ny olona rehefa tratrany. Tsy mahatafavoaka rivotra avy eo ka mitarika fanaintainana ao anaty. Io rivotra io no mameno ny vavony ary manempotra, ka mety hahatorana ilay olona voa. “Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro no mahatonga ny olona tsy mahazaka ny fidiran’ny rivotra. Mahatorana mihitsy izany rehefa tena be loatra any anaty any, ka izany no hitazonana azy ety amin’ny hopitaly”, hoy ny mpitsabo ao amin’ny sampan- Tsy tsara ny manao fitafiana mangatsiaka amin’ izao vanim-potoana miovaova izao. Tsy mety ihany koa ny mihinana sakafo mangatsiaka. Tsy tokony hohadinoina ihany koa anefa ny fisakafoanana maraina, araka ny toro hevitr’ireo mpitsabo. LR |
![]() |
Voapoizina ara-tsakafo – Olona 40 narary tao anatin’ ny herinandro Miverimberina, tsy mety foana. Olona manodidina ny 40 indray tamin’ity herinandro ity no fantatra fa voapoizina tamin’ny fihinanana irony karazan- tsakafo mifangaro na « composé », amidy eny amoron-dalana irony, teny Nanisana. «Narary an-doha sy kibo, ary nandoa sy nivalana ny ankamaroany. Nidina nizara fanafody ho azy ireo ny dokotera mpanara- maso eto Analamanga, niaraka tamin’ny ekipany eto amin’ ny Fari-piadidiana ara-paha- salaman’ny distrika. Efa azo ambara fa avotra daholo izy ireo na dia efa nisy aza ny nandamaka be », hoy ny Dr Razafindramonjy Jean, talen’ny sampan-draharaha manara-maso ny kalitaon’ny sakafo, izay eo ambany fiahian’ny mini- siteran’ny Fahasalamana. B.A |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |