![]() |
Asa tanamaro – Olona an-jatony nahazo asa avy amin’ny Cua Mbola ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny tanànan’Antananarivo hatrany ny avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua), amin’ny famerenana ny hasin’ny mponina. Fokontany maro no hahazo anjara amin’izany ho fitsinjovana ireo mponina amin’ny asa fivelomana. Olona 132, avy amin’ny fokontany dimy: Andohatapenaka III, Ankasina, Andavamamba, Anjezika I sy II, no nahazo asa avy amin’ny Cua. Hifototra amin’ny fanadiovana sy fanamboarana ny lakandrano eny amin’ireo fokontany ireo ny asa natomboka omaly. Fiaraha-miasan’ny fikambanana tsy miankina sy ny Cua, amin’ny alalan’ny tetikasa 3P no nanaovana izao fanampiana izao. Ar 2 500 isan’andro ny karama raisin’ireo olona hanao ny asa. Ankoatra ny olona mahazo asa, dia mponina 13 800 ao amin’ireo fokontany ireo no hahazo tombontsoa amin’ny fanamboarana ny lakandrano. Toy ny zanaka sy ray aman-dreny ny Cua “Ho famaliana ny hetahetan’ny mponina tamin’ny fahavaratra izao tetikasa izao sy ny fokontany ka manana adidy hiahy ny zanany”, hoy Raharinosy Monique, mpanolontsanan’ny Pds-n’Antananarivo renivohitra, omaly. LR |
|
Fiaraha-miasa fahasalamana – Misokatra amin’ny fikambanana tsy miankina ny tanànan’Iarivo
Ihazakazahan’ny fikambanana tsy miankina ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua). Ity farany rahateo dia misokatra amin’ny rehetra, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy tsy miankina na ny “3P”, mba hahafahana mampandroso ny tanàna. Isan’ny nanao fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy ny Pds-n’ Antananarivo renivohitra, Razafindravahy Edgard ny delegasiona avy amin’ny “Médécins du monde” omaly. Vonona hanolo-tanana ny tanànan’Iarivo ny “Médécins du monde”, ary hifantoka amin’ny lafiny fahasalamana izany. “Tetikasa hiarahana mamolavola amin’ny ekipan’ny kaominina no hatao ary hifantoka bebe kokoa amin’ny fahasalamana ara-pananahana”, hoy kosa Razafindrakoto Falihery, avy amin’ny “Médécins du monde”. Mbola fitsidihana fampisehoana fahavononana teo amin’ny roa tonta no nisy omaly. Hotanterahina tsy ho ela kosa ny fanatontosana izany tetikasa izany. “Aleo atamba-tra ny hery mba hahatratrarana ny tanjona amin’ny fampandrosoana, ho tombontsoan’ny mponina”, hoy kosa ny Pds Razafindravahy Edgard, izay nanamafy fa misokatra amin’ny rehetra ny Cua rehefa mitovy ny fomba fijery sy ny tanjona. LR |
|
Andravoahangy tsena – Nampiseho fifankatiavana ny mponina sy ny Pds Edgard Razafindravahy Nitafa tamin’ny mponina mivantana teny Andravohangy tsena ny Pds-n’Antananarivo renivohitra, Razafindravahy Edgard sy ireo mpiara-miasa taminy, omaly. Nifety sy niara-nifaly tao anatin’ny fifankatiavana ny andaniny sy ny ankilany, notronin’ireo delegasiona mafonja avy amin’ny « Région île de France ». Ity farany no isan’ny namatsy vola ny fanamboarana ireo toeram-pitsangatsangana mahafinaritra. « Tsaroako tsara ianareo taona vitsy lasa izay, raha tonga tety ny tenako dia nangataka ny hanatsarana ny manodidina io lakandrano io ianareo. Tsy maintsy misy anefa ny famatsiam-bola rehefa manao fotodrafitrasa ka nilàna faharetana niandry izany. Vita ny asa ankehitriny noho ny fiarahantsika rehetra nifanome tanana. Mino sy matoky aho fa raha isaky ny fokontany no misy tahaka izao dia ho tonga ny tanjona hampandrosoana ny tanànantsika », hoy Razafindravahy Edgard. Niova endrika Vita tsara maha te honina ny manodidina ny lakandrano eny Andravoahangy tsena. Nisy ihany koa ny fanamboarana toeram-pivoahana. Lasa toeram-pitsangantsanganana mahafinaritra ilay toerana izay feno loto sy fivoahan’ny olona teo aloha. Niantso ireo mponina mba hanaja ny fotodrafitrasa ny filoha lefitry ny Région île de France, Romero Roberto, raha nandray fitenenana teny Andravoahangy-tsena ihany koa omaly. « Izahay mandalo ihany fa ny zava-bita mijanona ho anareo. Tandrovy sy kojakojay tsara izy ireo », hoy izy. « Aoka mba tsy hanarinary fako eny rehetra eny fa isika ihany no mizaka ny voka-dratsy amin’izany. Isika rehetra miaraka no afaka manana tanàna misy hasina ary ho ahy manokana dia fitiavana ny tanànan’Antananarivo no nanekeko hitantana azy », hoy ny Pds teo am-pamaranana ny lahateniny. Faralala |
|
Fokontany Amboditsiry – “ Mendrika ny mponina ny fahazoany fotodrafitrasa ”, hoy ny Pds Edgard Razafindravahy
Fotodrafitrasa maro no notokanana omaly teny amin’ny fokontany Amboditsiry. Lalana, fanasan-damba ary fahazavana avy amin’ny herin’ny masoandro no santionany tamin’ireo, izay nandaniana vola an-tapitrisany. Tsy nanafina ny hafaliany tamin’ ireo mponina ny Pds-n’ Antananarivo-renivohitra, Edgard Razafindravahy teny an-toerana omaly, no sady nilaza fa “tokony handinika tsara ny amin’ny ho avin’ny firenena ireo mponina”. Nampiany fa “fanomezana hasina no anton’ ny fotodrafitrasa tahaka izao. Mendrika anareo izany satria niasa mafy ianareo mponina no sady nahay nitahiry. Mirana foana ny saiko rehefa mandalo eto Amboditsiry aho. Milamina ny tanàna satria miavaka tsara ny arabe natao ho an’ny fiara, ny sisiny natao ho an’ny mpandeha an-tongotra. Avy hatrany dia matoky ny mponina eto ny mpamatsy vola”, hoy ny Pds. Tsy hanitsaka fotaka Isan’ireo tonga teny an-toerana ihany koa omaly ny filoha lefitry ny Region île de France, izay namatsy ny maro tamin’ ireo vola nanaovana ireo tetikasa ireo. Ankoatra ireo efa vita dia mbola nampanantena lelavola Ar 2 tapitrisa hanamboarana lalan-kely “Tombony ho an’ny mponina ny tsy fanitsahany fotaka intsony rehefa avy ny orana. Ireo jiro ihany koa dia manazava amin’ny alina ka mampihena ny asan-jiolahy. Manamora ny fitaterana ny rano amin’ny kalesa ny fahavitan’ny lalankely. Nisy fandraisana anjaran’ ny mponina 12 % nanaovana ireo fotodrafitrasa ireo”, hoy kosa i Elison Brigitte, tompon’ andraikitry ny fampiroboroboana ny fizahantany eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Faralala |
|
Tananan’Antananarivo – Mahatoky ny Pds Razafindravahy Edgard ny mpamatsy vola Mbola naneho ny fahavononany hanampy ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka.. Lahateny ampahibemaso mahakasika izany no nataon’ny filoha lefitry ny « Région Ile de France » (Rif), Romero Roberto teny amin’ny kianjan’Andohalo, omaly. «Vonona izahay hanampy mba hanatsarana ny lafiny fizahantany sy hitandroana ny vakoka malagasy ho lasa vakoka iraisam-pirenena », hoy izy. Tao anatin’ny taona vitsy izay, nandritra ny fitantanan’i Edgard Razafindravahy ny tanànan’Antananarivo amin’ny maha Filohan’ny delegasiona manokana azy dia tsy nitsahatra nanampy ireo mpamatsy vola. Ho an’ny Rif manokana dia an’hetsiny Euros ny vola efa natonton’izy ireo mba hanamboarana foto-drafitrasa teto an-drenivohitra. Tsy manadino « Na dia ao anatin’ny fotoana sarotra aza isika no mitantana dia misy hatrany ireo mahatoky antsika ka isaorana azy ireo izany. Mbola mihoatra lavitra noho izao no miandry antsika, satria raha sitrapon’Andriamanitra dia hiova tanteraka ety Andohalo ety, afaka telo taona. Ho lasa vakoka iraisam-pirenena avokoa izao toerana hitanareo izao ary ny tanjona dia hamerina ny fahiny hahatonga ny kianjan’Andohalo ho ambohipihaonan’ny olona rehetra », hoy kosa Razafindravahy Edgard. Fotodrafitrasa maro, nandaniana hatramin’ny Ar 350 tapitrisa no notokanana teny Andohalo omaly, toy ny trano heva fivarotana taozavatra, ny trano fisakafoanana ary ny sehatra vao nohavaozina hanaraka ny toetr’andro. Tanjona ny hanaovana an’Andohalo ho lohalaharana amin’ny fitsidihan’ireo mpizaha tany. « Tsy ataoko ambanin-javatra mihitsy ny fanohizana ny asa izay efa natomboka teto an-drenivohitra », hoy ny Pds-n’Antananarivo renivohitra. Tsy nanisy resaka ny filatsahan-kofidiana ho Filoham-pirenena mihitsy izy, izay nitaratra sahady ny tsy fampifangaroany ny eo anivon’ny kaominina sy ny fanolorana azy ho kandidà Filoham-pirenena. Faralala
|
|
Fifamoivoizana eto Iarivo – Miandry fiatoan’ny orana dia hanomboka ny fanamboaran-dàlana Hivaha ny olan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana etsy amin’ny lalana Ankasina -67 Ha, rehefa nampijaly ny mpandeha nandritra ny herinandro maromaro. Niroso tamin’ny fanamboarana vonjimaika nanomboka omaly ny avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua). Potika tanteraka sy feno lavadavaka ny lalana mirefy 1,500 kilaometatra eo ho eo eny an-toerana, taorian’ny orana mikija farany teo. « Hovitaina ao anatin’ny roa andro ny asa vonjimaika hatao », hoy Andriatsilavo Zo, tale teknika eo anivon’ny Cua. « Amin’ny andro fahavaratra, dia misy asa azo atao fa ny amin’ny toerana toy izao kosa tsy maintsy miandry. Rehefa tena miato ny rotsak’orana dia hiroso amin’ny fanamboarana ireo lalana rehetra amin’izay isika ary ezahina hovitaina mandritra ity volana ity sy ny volana mey izany. Hijery akaiky miaraka amin’ny fokontany ihany koa isika ny amin’ny fanadiovana ny lakandrano ety amin’ny 67 Ha. Rehefa milamina ny fandaminana ny fanadiovana azy ireny dia tsy ho simba be ny lalana », hoy ny Pds-n’Antananarivo, Razafindravahy Edgard, omaly. Miara-mientana amin’izao fanarenana ny fotodrafitrasa etsy Ankasina izao avokoa ny departemanta rehetra eo anivon’ny Cua, raha ny hita omaly. Misy ny miandraikitra ny fifamoivoizana satria voatery notapahana ny lalana. Eo ihany koa ny fanadiovana ireo lakan-drano samihafa, izay isan’ny antony mahatonga ny fahasimban’ny lalana. Lilia Rajaonah |
|
Andavamamba – Nodiovina sy namboarina ny lalan-kely sy ny lakandrano Niavaka ny nanamarihan’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua) sy ny mpiara-miombon’antoka aminy ny fanomanana ny fetin’ ny Paska, tamina lalan-kely mirefy 70 metatra sy lakandrano mirefy 200 metatra. Niroso tamin’ny fanadiovana ny tanàna izy ireo ny alakamisy teo tetsy amin’ny fokontany Andavamamba Anatihazo. Iny faritra iny no nosafidian’ ny mpiara-miombon’antoka noho izy iakaran’ny rano rehefa fahavaratra tahaka izao. Ekipa avy amin’ny Cua maherin’ny 100, niampy ireo vehivavy amin’ny fikambanana “Vehivavy Miray Aina” tarihin-dRavololomanana Lalatiana, no nanatontosa izany fanadiovana izany. Nisy famatsiana fitaovana entiny manatsara ny fotodrafitrasa ao an-toerana, nahitana simenitra sy vatokely ary fasika. “Tanjon’ny fididiana ny tanànan’Antananarivo ny hanampy ny fokontany tsirairay avy. Tsy hijerena olona na antoko politika ny asa fa izay rehetra vonona hanome tanana entina hanatsarana sy hampandroso ny tanàna dia raisina avokoa”, hoy ny kapiteny Razafimahefa Jocelyn, avy amin’ny Cua izay nitarika ity hetsika ity. LR |
|
Tananan’Antananarivo – Vina ny fahazoan-drano isan-tokantrano Aina ny rano. Nomarihina omaly, tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rano. «Vina ary hatao laharam-pahamehana eto amin’ny tanànan’Antananarivo ny hahazoana rano fisotro madio isan-tokantrano», hoy ny Pds-n’Antananarivo renivohitra, Razafindravahy Edgard. Nanentana ny amin’ny tokony hanajàna sy hitehirizana ary hanaovana tsara tantana ny rano izy. Mbola ny 24%-n’ny mponina eto an-drenivohitra no manana ny rano isan-tokantrano ary ny 75% no mahazo tombontsoa momba izany eny amin’ny paompin-drano iombonana. Nasian’ny Pds teny ny hampitomboana isa ireo fotodrafitrasa iombonana ireo, amin’ny alalan’ny fametrahana toeram-panasan-damba, toeram-pidiovana sy trano fivoahana sahaza ny mponina. Notsindriany ny fanentanana ny rehetra hiaraka handray andraikitra miainga amin’ny isan-tokantrano hikojakojana izany ary ny fisian’ny fampandrosoana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola. Nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fifarimbonan’ny fikambanana eny anivon’ny fokontany, ihany koa ny Pds, izay anisan’ny antok’izay fampandrosoana izay rahateo. MR |
|
Fanatsarana tanana – Niova endrika ny manodidina ny tsenan’i Mahamasina
Hita taratra etsy Mahamasina ny vinan’ny tanàna madio sy milamina ary mirindra lalandava, izay hapetraka eto an-dreni- vohitra. Niroso tamin’ny fanatsarana ny faritr’i Mahamasina ny avy amin’ ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua). Novolena zaridaina ary nasiana arofanina ho an’ny mpan- deha an-tongotra ny sisin’ny arabe mba ho fandaminana ny tanàna. « Tetikasa efa ela io fanatsarana ny manodidina an’i Maha- masina io, niaraka tamin’ ny fanavaozana ny tsena saingy izao vao nirosoana. Natao hitsinjovana ny filaminan’ny tanàna sady hisorohana ny fisian’ny mpivarotra amoron-dalana izany. Voakasik’izany avokoa ny sisin-dalana rehetra tsy nahazoana alalana manokana hiantsonan’ny fiara avy amin’ny Cua », hoy Raharivosy Monique, mpanolontsaina teknika avy amin’ny Cua. “Olona vitsivitsy tsy manana toerana fiantsonan’ ny fiara no saika tsy hanaiky ny fametrahana ny arofanina. Rehefa nohazavaina taminy anefa fa natao handehanan’ ny mpandeha an-tongotra ny sisin’ny arabe dia nanaiky ny nanaovana izany manoloana ny tranony izy ireo”, araka ny nambaran-dRaobivelo Ravaoarisoa, lefitry ny fokontany ao Mahamasina Atsimo. LR |
|
Fanehoana firaisan-kina – Vehivavy an’arivony notoloran’ ny Cua savony sy bodofotsy
Fitiavana mitaky faha foizan-tena. Nirohotra nanao rodobe, omaly, ireo vehivavy rehetra miasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua), ho fanamarihana sahady ny andron’ny vehivavy maneran-tany. Nosafidiana ireo toeram-panasan-damba ao anatin’ ny Boriborintany enina teto an-drenivohitra, ka nizarana savony roa avy isan’olona sy borosy fanasan-damba ireo mpikarama manasa lamba. Nahatratra 1 200 ny vehivavy nahazo anjara tamin’izany ary vehivavy zokilona 200 kosa nomena bodofotsy. “Tanjona ao anatin’ny vinan’ny tanàna ny fahadiovana. Ireo vehivavy tena mpikarama sy mivelona amin’ny fanasan-damba no kendrena ampiana. Manala ny fahasahiranana ho azy ireo ny famatsiana fitaovana sady ilaina ihany koa amin’ ny fahadiovana”, hoy Raharinosy Monique, mpanolotsaina teknika avy eo anivon’ny Cua. Tsy nampoizina sady nampihetsi-po ny vehivavy maro ny fihetsik’ireto vehivavin’ny kaominina ireto. « Misaotra betsaka fa mba misy mahatsiaro ihany ny vehivavy mpanasa lamba. Vidiana lafo itony ety aminay », hoy Randriazanany Mariette, tetsy Anosipatrana. LR |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |