![]() |
Filohan’ny CENIT – Mety handamoaka ny fandresen-dahatra ny iraisam-pirenena(0) Araka fampitam-baovao avy amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita (cenit) omaly dia «noesorina tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny filohan’ny Cenit, Béatrice Atallah, ny fihaonana tokony ifanaovany amin’ireo tompon’andraikitry eo anivon’ny Vondrona Eoropeana» any Bruxelles. Hatreto aloha dia mbola tsy nahazoana fanazavana ny anton’io fanapahan-kevitra tampoka io. Ny talata teo no fantatra fa nanatanteraka fihaonana manokana tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Departemantam-panjakana amerikanina, tao Washington, ny filohan’ny Cenit, Béatrice Atallah. Ity farany izay nanazava ny fomba firoson’ny fanomanana ny fifidianana tokony hotanterahana eto Madagasikara. Taorian’izay fanazavan’ny filohan’ny Cenit, izay anefa dia «nitaky ny amin’ny tokony hanajan’ny fitondrana tetezamita ny zo fototra maha olona ho an’ireo Malagasy tsy an-kanavaka ireto tompon’andraikitra eo anivon’ny Departemantam-panjakana amerikanina ireto. Nanamafy ny fanohanany ireo fitakiana sy ny fepetra napetraky ny Vondrona Sadc ihany koa, ireto farany. JR
|
![]() |
Antsapaka ho an’ny bileta tokana – Laharana faharoa i Lalao Ravalomanana raha faha-29 Rajoelina Isan’ireo tsara vintana. Araka ny vokatry ny antsapaka nataon’ny Vaompieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Cenit), ny alarobia lasa teo, dia mitana ny laharana faharoa eo amin’ny filaharan’ireo kandidà, ao anatin’ilay biletà tokana hisafidianan’ireo mpifidy mpandatsa-bato amin’ny fifidianana filoham-pirenena, i Lalao Ravalomanana. Izy no aorian’ny kandidan’ny Antoko Miombon’ezaka, Clément Ravalison, mitondra ny laharana voalohany ao anaty lisitra. «Mety amin’i Neny io laharana io ary mahavelom-bolo ny ankolafy Ravalomanana tokoa», hoy Me Hanitra Razafimanantsoa, mpikambana eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana. Any amin’ny laharana faha-29 kosa no misy ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, izay niandry ny antsapaka farany. Notsindrian’i Nirhy Lanto Andriamahazo, izay nisolo tena azy nanao ny an-tsapaka, teny an-toerana, anefa fa «tsy midika na inona na inona io filaharana io». «Ny fanentanana ny olona hifidy io laharana io no zava-dehibe», hoy ity akaiky ny filoha mpanorina ny antoko Tgv ity. Isan’ireo tafiditra ao anatin’ny laharana folo voalohany ny kandidan’ny antoko Mts Roland Ratsiraka, izay mitana ny laharana fahadimy eo alohan’ny kandidan’ny Malagasy miara-miainga, Hajo Andrianainarivelo. Laharana faha-14 no misy ny kandidan’ny antoko Arema, ny amiraly Didier Ratsiraka. Mitana ny laharana farany ao anatin’ity lisitra ity i Lezava Fleury, kandidàn’ny antoko Harena. Eo amin’ny laharana faha-34 kosa no misy ny Pds an’Antananarivo renivohitra, Edgard Razafindravahy. Ity farany izay tsy nanana solontena nanao ny antsapaka teny an-toerana ka ny vadintany notendren’ny Cenit no nisolo tena azy nanao an’izany. JR |
![]() |
Laharan’ireo kandida – Hiroso amin’ny antsapaka ny Cenit Tapaka omaly tao anatin’ny fivoriam-be notanterahan’ny Cenit fa «ny alarobia izao no hotanterahana etsy amin’ny foiben’izy ireo, etsy alarobia ny antsapaka hanomezana ny filaharan’ireo kandidà 41 hiatrika io fifidianana io». «Ireo kandidà mihitsy no nasaina hanatanteraka ny an-tsapaka. Raha toa anefa ka tena tsy afaka ny hanao izany izy ireo dia afaka mandefa solontena», araka ny fanazavan’ny Mpampaka-tenin’ny Cenit, Fano Rakotondrazaka, omaly. Araka ny tatitra navoakan’ny Cenit ihany koa dia efa «nanomboka omaly ny fandraisana ireo antontan-taratasin’ireo kandidà hirotsaka amin’ny fifidianana solombavambahoaka. JR |
![]() |
Fahatapahan’ny famatsiam-bola – Mampitandrina ireo mikasa tsy hampisy fifidianana ny Cenit Mbola nanizingizina ny tokony hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity ihany ny filohan’ny ceniT, Atallah Béatrice, omaly, teny amin’ny Carlton Anosy, raha nihaona tamin’ ireo mpanao politika. Ny solontenan’ireo antoko politika 187 misoratra ara-dalàna ao amin’ ny minisiteran’ny Atitany no nasain’ny Cenit io omaly io, nifanazava momba ny fanomanana ny fifidianana. Natrehina masoivoho vahiny izany. Vao mainka ho zava-doza raha tsy tontosa ny fifidianana amin’ity taona ity, satria dia voalaza fa ho tapaka hatramin’ny taona 2020 any mihitsy ireo famatsiam-bola goavana toy ny FED, hoy ny CeniT. Niezaka nanome toky ireo mpanao politika ny Cenit fa « efa tomombana avokoa ny lafiny teknika rehetra amin’ny fanoma-nana ny fifidianana ». « Na ny lelavola 60 tapitrisa dolara hanaovana izany aza dia efa vonona », hoy ny filohany. Mbola misy anefa ireo tsy tena resy lahatra tanteraka. Tahaka ny ankolafy Zafy dia milaza fa mitaky fitsa-pan-kevi-bahoaka momba ny Lalàm-panorenana hitondrana ny firenena vao hiatrika ny fifidianana. Ho an’ny ankolafy Ravaloma-nana kosa raha tsy tanteraka voalazan’ny tondrozotra, sy tafody an-tanindrazana Rava- lomanana dia tsy handray anjara amin’izany izy ireo, hoy ny Me Razafimanantsoa. Faralala |
|
Fiahiana ny fifidianana – Nangataka volabe amin’ny Cenit ny zandarimaria Tetibola mitentina hatrany amin’ny Ar 15 000 tapitrisa no voalaza fa notakian’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ahafahan’izy ireo manatanteraka ny asany amin’ny fitandroana ny filaminana mialoha sy mandritra ary amin’ny fiafaran’ireo fifidianana hotanterahina eto Madagasikara. «Efa ela no nanaovana io tombantombana ara-bola io, saingy mbola tsy nisy valiny izany hatramin’izao. Efa tafiditra ao avokoa hatramin’ny vola ilaina hanofanana ireo karazana polisim-bohitra ( »quartier mobile ») amin’ny fiahiana ny fandriampahalemana mandritra ireo fifidianana hatao eto amintsika.Tiako ho marihina anefa fa tsy vola ho anay io vola io fa vola hampiasain’ny zandarimaria», araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Richard Ravalomanana, omaly. Araka ny nambaran’ny Filohan’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita, Béatrice Atallah dia haroso hodinihina miaraka amin’ireo firenena mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara ny mahakasika io fangatahan’ny zandarimariam-pirenena io. Notsipihan’ity farany anefa fa «anjaran’ny fitondram-panjakana ny fiahiana ankapobeny ny filaminana momba ny raharaham-pifidianana». «Ny fiarovana ny fitaovana hampiasain’ny Cenit sy ny voka-pifidianana sy ireo asa goavana samihafa no tsy maintsy hanakaramana mpitandro ny filaminana», hoy ihany ny filohan’ny Cenit. Ity farany izay haneho hevitra ao anatin’ny fandaharahana «Tafatafa» vokarin’ny mpanao gazetin’ny «L’Express de Madagascar» ao amin’ny «Radio Tana» anio amin’ny 1 ora sy fahefany tolakandro. Notsipihin’ny kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena anefa fa «afaka milaza izay tetibola azony omena ny Cenit». «Ny tanjona dia ny ahafahana manatanteraka fifidianana tsy misy korontana », hoy izy. JR |
![]() |
Fiantsoana ny mpifidy – Mangataka ny hamoahana ny didim-panjakana iray volana mialoha ny Cenit Mangataka ny hamoahana ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato 120 andro mialoha ny daty hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena fihodinana voalohany amin’ny governemantan’ny tetezamita ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita (Cenit). Raha ny voafaritry ny lalàna dia tokony ho 90 andro mialoha ny fifidianana no hanaovana an’izay fiantsoana izay, fa nangataka ny handrosoana an’izany iray volana mialoha ny Cenit. «Ho fanamafisana io fangatahana io dia handefa taratasy any amin’ny minisiteran’ny Atitany izahay. Fara fahatarany izany dia tokony hivoaka amin’ny 26 marsa izao io didim-panjakana io», araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Cenit, Béatrice Atallah, omaly, rehefa avy nandray ireo fitaovana hoampiasaina amin’ny fifidianana avy amin’ny Firenena mikambana, tetsy Ankorondrano, omaly hariva. «Ny mba hahafahana manentana ny olom-pirenena hiatrika ny fifidianana sy ny fanamboarana ara-potoana ny biletà tokana no anton’izay fangatahana izay», raha ny voalazan’ity farany. Nohamafisin’ny mpandrindra ankapobeny ny fandaharan’asan’ny Firenena mikambana, Fatma Samoura teo fa «mety hiteraka olana amin’ny fanontana ireo biletà tokana ireo ny fahataran’ny famoahana io didim-panjakana io, ka tokony handray ny andraikiny amin’izany ny rehetra». Notsipihan’ity solontenan’ny Firenena mikambana ity ihany koa fa «raha ny lafiny teknika no jerena dia efa vonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana i Madagasikara». JR |
|
Biraon’ny faritra Tolagnaro – Nisy nangalatra ny antontan-tahiry momba ny fifidianana Ankasoparana sa paiakady politika? Omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany no nidirana andian’olona tsy fanta-pihaviana ny biraon’ny faritra ao Tolagnaro, izay misy ny birao manokana iasan’ny Cenit. Lasan’ireto andian’olona ireto tamin’izany ireo antontan-tahiry (disque dur) tamin’ny solosaina izay mirakitra ny asa rehetra notontosain’ny mpiasan’ny Cenit tany amin’ny faritr’i Tolagnaro. «Ny mahagaga dia tsy nisy zavatra very mihitsy tao anatin’ireo birao hafa. Tao amin’ny biraon’ny Cenit no nahitana fahaverezana «disque dur» miisa telo sy «écran plat» iray. Ny tenako dia manahy mihitsy fa tsy kisendrasendra ny fahitana toe-javatra tahaka izao. Mety nisy olona naniraka mihitsy ireo andian’olona ireo, saingy tsy mbola fantatra aloha hatreto izay tena anton’izany», araka ny fanazavan’ny Lehiben’ny faritra Anosy, Randriantefiarisoa Guillaume Venance, omaly. «Hetsika tsy fankasitrahana ny Lehiben’ny faritra no nisy teto Tolagnaro fa tsy hetsika fanoherana ny Cenit, ka mahagaga anay ny afitsok’ireto olona ireto. Soa fa misy ihany ny tahiry momba ireo asa ireo», hoy indray ny Filoha misahana ny rantsamangaikan’ny Cenit any amin’ny ditrikan’i Tolagnaro, omaly. Araka ny voalazan’ity farany dia vao nahita ireto andian’olona ireto ny mpiambina ny biraon’ny faritra dia niantso vonjy tamin’ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana.Tsy tratra teo amin’ny biraon’ny faritra intsony anefa ireto andian’olona ireto rehefa tonga teny an-toerana izy ireo. «Mba tsy hahafahan’izy ireo mitsoaka dia nambenana mafy ny seranam-piaramanidina sy ny toerana fiantsonan’ny taxi-brousse. Araka ny tatitra azo dia efa nisy ihany ny olona voasambotra momba io raharaha io, ka ho hita eo ihany ny fandehan’ny raharaha», hoy hatrany ny Lehiben’ny faritr’i Tolagnaro. JR
|
![]() |
Fanovana ny tetiandrom-pifidianana – Tsy mihevitra ny hiverina amin’ny fana-pahan-keviny ny Cenit Karazana fanapahan-kevitra «tsy azo iverenana intsony» no noraisin’ny Cenit sy ireo solontenan’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena teny Ivato maha-kasika ny fanemorana ny datim-pifidianana sy ny fitazonana ny filaharan’ izany, raha ny fanamarihana nataon’i Venty Thierry, talen’ ny kabinetra eo anivon’ity rafitra misahana ny fikaraka- rana ny fifidianana ity, omaly. «Fanapahan-kevitra manan- danja sy manara-dalàna ary tsy misy fitanilana na amin’ iza na iza no noraisina, ka tokony tsy azon’ny mpanao politika toherina», araka ny nomarihin’ity farany omaly. Isan’ny niadian-kevitra tao anatin’ny fivoriambe notanterahin’ny Cenit, omaly, tetsy Alarobia, ny fita- kiana nataon’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, ny tokony hisiana fakan-kevitra amin’ireo mpanao politika handinihana indray izay fomba hahafahana mandroso ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana Filoham-pirenena. Notsorin’ny talen’ny kabinetran’ny Cenit anefa fa efa nampahafantarina momba iny fanapahan-kevitra nora- isina iny avokoa ireo mpanao politika nanasonia ny sori-dalana sy ireo nanao sonia ny taratasy fanohanana izany, ka inona indray no antony hamoriana azy ireo fanindroany?. Nilaza ihany anefa ity tompon’andraikitry ny Cenit ity fa «azo atao ny mifampidinika raha toa ka misy ny tranga vaovao na fangatahana hafa momba izay fanovana ny tetiandrom-pifidianana izay». JR |
|
Fanakianana lavareny – Hampiantso fivoriana maika miaraka amin’ny solontenan’ny Onu ny Cenit Hitondra valin-kafatra. Ny alarobia hariva izao no hanatanteraka fivoriana maika miaraka amin’ireo mpikambana mandrafitra ilay komity itambaran’ireo solontenan’ny Firenena mikambana, izay misahana ny fandrindrana ny fanampiana an’i Madagasikara amin’ny fanatontosana ny fifidianana, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Cenit. Raha nanontaniana momba ny fangatahan’ny Filohan’ny tetezamita amin’ny tokony hanaovana fakan-kevitra amin’ireo antoko politika momba io fanapahan-kevitra io i Béatrice Atallah omaly, dia nanipika fa «tsy anjaran’ny Cenit no maka izay fanapaha-kevitra izay». «Izahay dia manohy ny asa ara-dalàna, ka rahampitso ihany dia handefa ny taratasy mampahafantatra iny fanapahan-kevitra noraisina teny Ivato iny ho an’ny governemanta izahay. Araka ny lalàna dia anjaran’ny filan-kevitry ny minisitra no manapa-kevitra mahakasika ny fanatanterahana izany», hoy ihany ny Filohan’ny Cenit. Mitaky fanazavana ny Tgv Etsy andanin’izay anefa dia karazana tribonaly kely mihitsy no hangatahan’ny antoko Tgv amin’ny Cenit taorian’ny fanambaràna tamin’ny haino aman-jery nataon’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina ny zoma teo, izay nanipika fa «tsy mbola nahazo ny fankatoavan’ny Firenena mikambana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Cenit sy ny solontenan’ny Firenena mikambana tamin’io 6 febroary io». «Miandry izay valin-tenin’ny Cenit momba io raharaha io izahay ary mitaky fanazavana izay tena zava-misy marina nahatonga iny fanapahan-kevitra iny», araka ny nohizingizinin’ ny sekretera nasionalin’ny antoko Tgv, Lanto Rakotomavo omaly. Omaly dia nanamafy ny fanambaràn’ny Filohan’ny tetezamita momba ny tokony hanesorana eo amin’ny toerany ny Praiminisitra, Omer Beriziky ihany koa ny antoko Tgv. «Rehefa tsy mahavita ny andraikiny dia azo esorina. Tsy misy milaza mihitsy ao anaty ny tondrozotra hoe tsy azo alana eo amin’ny toerany ny Praiminisitra rehefa tsy mahavita ny andraikiny», hoy hatrany i Lanto Rakotomavo. JR
|
![]() |
Fifidianana – Melohin’i Etazonia ny tery ankolaka atao amin’ny Cenit Nokianin’ny Ameri-kanina manokana indray i Andry Rajoelina, Filohan’ ny tetezamita. Ity farany izay nilaza ho tsy man-katoa ny fanovana ny tetiandrom-pifidianana navoakan’ny vaomieram- pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Cenit) farany teo, niaraka tamin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena. « Fanitsakitsahana ny andininy faha-10 ao amin’ ny tondrozotra ny tery an- kolaka entina hanovana ny fanapahan-kevitry ny Cenit ho an’i Etazonia », hoy ny fanambarana amerikanina nivoaka ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa nihemotra ny 24 jolay 2013 ny fifidianana voalohany handeha, raha ny 08 mey 2013 izany tany am-boalohany. Arira |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |