![]() |
Basket ball N1A – Hihaona mialoha eny Mahamasina ny Ascut, GNBC, Sebam, Challenger(0) “Hiomanana namin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara any Mahajanga eo amin’ny sokajy N1A dia hanome tsiro an’Antananarivo izahay amin’ny fampihaonana ireo ekipa efatra isan’ireo sangany”, hoy i Pascal Rasaony, mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny basket ball ho an’ny sarambabem-bahoaka. Ekipa efatra avy any amin’ny ligim-paritra efatra no handray anjara amin’izany dia ny Sebam (Boeny), Ascut (Atsinanana), GNBC (Atsinanana) ary Challenger (Analamanga). “Saika ireo ekipa goavana eo amin’io sokajy N1A io no noezahina nantsoina hanome fanandraman-tsira ny vahoakan’ Antananarivo amin’izany”, hoy i Johnny Be, filoha lefitry ny ligin’Analamanga nampahafantatra tamin’ ny fomba ofisialy ity fifaninanana ity, teny Mahamasina omaly. R.A |
![]() |
Basket ball N1A – Hanandran-tsira any Mahajanga ny ekipan’ny Zandary(0) Henjankenjana ny lalana miandry ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena (GNBC), izay sambany no hiatrika fifaninanana goavana, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny basket ball sokajy N1A. $Tafara-bondrona amin’ny Sebam sy ny Ascum, izay samy ekipa avy any amin’iny faritr’i Boeny iny izy ireo, amin’ny fifaninanam-pirenena mandroso hotontosaina, any Mahajanga amin’ny 1 – 9 jona ho avy izao. Isan’ireo ekipa telo tafita hiatrika izany izy ireo taorian’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy N1B tamin’ny taon-dasa ka niarahany niakatra tamin’ny Cospn (Analamanga) sy BBCA (Alaotra Mangoro) ho eo amin’io sokajy sangany eto Madagasikara io. Kianja roa no hampiasaina amin’ity fifaninana horaisin’i Mahajanga ity dia ny kianja mitafo sy ny Passe de Fil, kianja ivelany. Hotontosaina amin’ny zoma 31 mey ho avy izao amin’ny 5 ora sy sasany ao amin’ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga ny fivoriana ara-teknika ho an’io fifaninanam-pirenena io. Roméo Andriamihaja Fizaram-bondrona N1A lehilahy Vondrona A : Ascut (Atsinanana), Cosfa (Analamanga), Asa (Analamanga), US Douanes (Boeny), SOE (Analamanga), Cospn (Analamanga) Vondrona B : Sebam (Boeny), Ascum (Boeny), Challenger (Analamanga), Fanatic (Boeny), BBCA (Alaotra Mangoro), GNBC (Vakinankaratra) N1A vehivavy Vondrona A : Sebam (Boeny), Afo (Vatovavy Fitovinany), JCSA (Analamanga), Voromahery (Alaotra Mangoro), TBC (Bongolava) Vondrona B : Asuma (Boeny), MB2All (Analamanga), USJFM (Atsimo Anndrefana), Fandrefiala (Analamanga), Lazan’i Betsileo (Matsiatra ambony), JEA (Vakinankaratra) |
|
« Afrobasket tour U16″ – Nomontsanin’ny FFI Ivandry ny South Side
Tamin’ny alalan’ny isa mavesatra 103 no ho 42 no nanamontsanan’ny ekipan’Ivandry, FFI, ny South Side avy eny Atsimondrano, ny sabotsy lasa teo teny amin’ny kianjan’Ambohipo. Andro faharoa tamina kianja faharoa ity notontosaina ity taorian’ ny nanombohan’ny teny amin’ny kianjan’ Ambodin’ Isotry, herinandro talohan’ izao. Ity ekipan’Ivandry ity irery no nahatafakatra ny isa 100 tamin’ireo lalao dimy nanamarika izany teny an-toerana. Nanamarika iny faran’ ny herinandro iny ihany koa ny fandresena faharoa azon’ny Cosfa. Taorian’ ny efa nandresen’izy ireo ny Dream team teny Ambodin’Isotry dia niondrika teo anatrehan’ izy ireo tamin’ny alalan’ ny isa 60 no ho 54 ihany koa ny Challengers, izay resy fanindroany sahady. Hetsika natao indrindra hampahafantarana ny eny anivon’ireny fokontany ireny ny fampiantrano- antsika ny Afrobasket U16 na ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sokajy latsaky ny 16 taona izy ity. Hitohy eny amin’ ireo kianja hafa izany amin’ny faran’ny herinandro izao. R.A. sy B.A. Vokatra Challengers # Cosfa (54 – 60) |
![]() |
Basket ball N1B – Voahosotra ho tompondaka ny Fitsarana any Toliara Norombahin’ny JBC, ekipan’ny Fitsarana ao amin’ ny renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana, ny anaram- boninahitra tompondakan’ i Madagasikara, teo amin’ ny basket ball sokajy N1B, izay nampiantranoan’ izy ireo tamin’iny herinandro iny. Tamin’ny alalan’ny isa tery dia tery 62 no ho 61 no nandresen’izy ireo ny SBC avy any Atsimo Andrefana, teo amin’ny lalao famaranana notonto- saina ny alahady teo, tao amin’ ny kianja mitafon’i Toliara. Ireo ekipa roa niatrika ny famaranana ireo izany no hiatrika ny fifa- ninanam-pirenena ho an’ ny sokajy N1A indray amin’ ity taona ity, araka ny fitsipika mifehy ny fifaninanana. Ny Globe Trotters, izay nandresy ny UHF, tamin’ ny alalan’ny isa 91 no ho 83, kosa no nitana ny laharana fahatelo tamin’ ity fifaninanana nanjaka- zakan’ireo avy any amin’ ny faritany ity. Ankoatra ireo dia mbola voahosotra ho mpilalao mendrika ihany koa i Fania Estace, mpilalaon’ny JBC Atsimo Andrefana. I Jaona Ravelomanan- tsoa, Globe Trotters, kosa no nampiditra baolina betsaka indrindra izay nahatratra 149. Natolotra ny ASC 44 avy any Alaotra Mangoro kosa ny amboaran’ny “fair Play” . R.A |
![]() |
Basket ball N1B – Nihintsana avokoa ireo ekipan’Analamanga Tsy nahovoka. Ekipan’Analamanga telo no indray nihintsana teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny basket sokajy N1B, tany Toliara, omaly hariva. 66 no ho 63 no nandavoan’ny SBC (Vakinankaratra) ny ekipan’ny kolejy Masindahy Misely, raha ny TTS avy eny Ambohimanarina no nanaraka ny diany taorian’izay, resin’ny USF Matsiatra Ambony 90 no ho 80 taorian’ny fanalavam-potoana. Teo amin’ny lalao fahatelo dia mbola tsy tafavoaka teo anatrehan’ny Globe Trotters ny Fandrefiala, ka niondrika tamin’ny isa 81 no ho 66. Mbola tao anatin’ny lalao kosa ny JBC sy ny JCM, izay hamaritra ny ekipa fahefatra hiatrika ny manasa-dalana anio, tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra. R.A Ireo ampahefa-dalana anio ASSM # SBC (63 – 66) |
![]() |
Afrobasket tour 16 gasy – Hitohy eny amin’ny Kianjan’ Ambohipo ny fifanintsanana Lalao dimy no nalahatra hotanterahina eny amin’ ny Kianjan’Ambohipo, amin’ilay « Afrobasket tour 16 gasy », amin’ny sabotsy 18 mey izao. Andiana ekipa goavana 10 hafa indray no hihaona ao anatin’ireo lalao dimy nalahatra amin’io andro io. B.A Fandaharan-dalao sabotsy 18 mey: 08H30: Challenger # Cosfa |
![]() |
Basket ball N1B – Ny Dream Team irery no tsy tafita amin’ny ampahefa-dalana Hiditra amin’ny ampahefa-dalana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara sokajy N1B lehilahy anio, ao amin’ny kianja mitafon’i Toliara. Ny Dream Team, ekipan’i Bayard Razafindralambo irery no solontenan’ Analamanga tamin’ireo efatra nandray anjara, no tsy tafita amin’izany dingana izany rehefa nisedra faharesena indroa tamin’ny lalao efatra nataony. Isan’ireo andrasan’ny rehetra amin’ny ampahefa-dalana anio ny fihaonan’ny JCB, mpampiantrano sy ny JCM avy any Morombe. Tsy hisy ny fifandonana eo amin’ireo ekipan’Analamanga, dia TTS sy Fandrefiala ary ASSM. R.A Fandaharan-dalao ASSM # SBC |
![]() |
Basket ball N1B lehilahy – Mitarika vonjimaika ny TTS Analamanga sy ny JCM Morombe Nanomboka ny alatsinainy teo, tany Toliara, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ho an’ny basket N1B, sokajy lehilahy. Mitarika vonjimaika ao anatin’ny fifanintsanana ny TTS Analamanga (vondrona C) sy ny JCM Morombe (vondrona A), samy nahazo isa 6. Mitovy koa ny isa azon’ny Fandrefiala sy ny ekipan’ ny Dream Team (vondrona B), samy avy eto Analamanga ary samy nahazo isa 5. Manana isa 4 avy kosa ny SBC Vakinankaratra sy JSM Bongolava ary USF Matsiatra Ambony. B.A Ireo voka-dalao taorian’ny andro roa efa tontosa : Vondrona B: J.B.C (65) # B.C.O (48) |
![]() |
Afrobasket tour 16 gasy – Lalao efatra no hanokatra ny fifaninanana etsy Ambodin’Isotry Fanokafan-dalao hafana vay. Nivoaka ny fandaharan- dalao ofisialy amin’ilay fifaninanana « Afrobasket tour 16 gasy », izay hosokafana anio eny amin’ny Kianjan’Ambodin’Isotry. Hifandona voalohany ireo ekipa sangany eto an-drenivohitra, izay heverina tokony hitana ny laharana mendrika azy mandritra ny fifanintsanana. Tsiahivina fa hitety ireo kianja filalaovana baskety eto an-drenivohitra sy ny manodidina ity «Afrobasket tour 16 gasy » ity. B.A Fandaharan-dalao 8 ora : BCAI Itaosy # Challenger |
|
CAN 2013 – Hatomboka eny Ambodin’Isotry ny «Afrobasket tour 16 gasy»
Ho fampiroborobo- ana ny taranja basket. Raikitra ny “Afrobasket tour 16 gasy”, fifaninanana kendrena hisarihana ny ankizy sy ny tanora any amin’ny fokon- tany mba ho tia hatrany ity taranja ity. Eny amin’ny kianjan’Ambodin’Isotry no hanokafana azy rahampitso. Nosarihina teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahan- tena Mahamasina, tamin’ ny alarobia ,ny fitsinjarana isam-bondrona ireo ekipa 16 voafantina handray anjara. Fanomanana CAN “Niniana ho ireo ekipa manana sokajy solofo dimbin’ ny ala no nofantenana handray anjara, ho an’ny lehilahy, latsaky ny 16 taona, sy tsy mbola voafantina hilalao amin’ny ekipam-pirenena. Hitety ny kianja samihafa eto an-drenivohitra ny fifaninanana”, hoy ny kolonely Samizafy Nina Ruphin, filohan’ny Cocan, vaomiera mpanomana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na Can, sokajy latsaky ny 16 taona. Ny “Afrobasket tour 16 gasy” dia efa fanomanana sahady ny fandraisana ny lalao afrikanina, hihaonan’ ny firenena 12, hatao eto amintsika ny 28 jona hatramin’ny 7 jolay 2013. Hanomboka ny 1 jona ihany koa ny fifaninanana eo anivon’ny Andrimpanjakana sy sampan-draharaha samihafa ho an’ny taranja basket-ball. Barphil Andriantsiferanarivo Ireo kianja hilalaovana: Fizaram-bondrona: |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |