Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Baolina lavalava Miverena

Rugby Amboaran’ny filoha – Norombahin’ny Tam Anosibe ny Ar 5 tapitrisa Rugby Amboaran’ny filoha – Norombahin’ny Tam Anosibe ny Ar 5 tapitrisa

Efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao nazava ny fandresena ho an’ny Tam Anosibe, nandritra ny lalao famaranana niadiana ny amboaran’ny Filoha, izay nihaonan’izy ireo tamin’ny 3FB teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Niondrika teo anatrehan’ny ekipan’Anosibe tamin’ny alalan’ny isa 33 no ho 32 ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka rehefa nisaraka ady sahala 24 ny roa tonta tamin’ny fe-potoana ara-dalàna. Vola mitentina Ar 5 tapitrisa miampy amboara no nomen’ny Filohan’ny tetezamita ny Tam Anosibe. Ar 2 500 000 kosa ho an’ny 3FB. Tonga teny an-toerana mihitsy ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, sy ireo mpiara-dia taminy nanatrika ity lalao famaranana ity.

Mbola hifanandrina amin’ny UAS Cheminot (tompon- dakan’i Madagasikara) eo amin’ny fiadiana ny “supercoupe” ny 3FB amin’ny 17 marsa ho avy izao, hanokafan’ny federasiona malagasin’ny taranja baolina lavalava ny taom-pilalaovana. Omaly kosa no nisokatra ny fahafahana mamezivezy mpilalao haharitra iray volana.

R.A

Rugby « Intersection » – Efa hiditra manasa-dalana ny fifaninanan’ Analamanga Rugby « Intersection » – Efa hiditra manasa-dalana ny fifaninanan’ Analamanga

Azo lazaina ho tsy dia nandiso fanantenana ny maro ny voka-dalao teny amin’ny kianjan’i Malacam, tamin’ny sabotsy tontolo andro, andro fahefatra nifanin- tsanana sy niadiana ny amboaran’ny Intersection Analamanga teo amin’ ny baolina lavalava. Niavaka  ireo ekipa
mahery tao amin’ny Diviziona fahatelo.

Toy izao ny voka-dalao tamin’ireo lalao dimy natao:
XV de la Rose Antohomadinika (11) # RFI Ivandry (3)
XV Avenir Andoha- tapenaka (6) # XV Force Andavamamba (6)
ATM Manjakaray (8) # Dragon rouge Tanjombato (5)
JST (16) # Asca Andravoahangy (10)
FTM Manjakaray (17) # TFA Anatihazo (16)

B.A

Kianja Malacam – Mitohy ny fiadiana ny  «Intersection» Analamanga Kianja Malacam – Mitohy ny fiadiana ny «Intersection» Analamanga

Eny amin’ny kianjan’i Malacam indray no hifamotoana ireo mpitia baolina lavalava anio tontolo andro, tohin’ny fiadiana ny amboaran’ny «Intersection», eto Analamanga. «Lalao dimy no ho hita amin’ity andro fahefatra ity eo amin’ny sokajy Diviziona fahatelo. Handray anjara amin’ izany ireo solontena avy amin’ ny «sections» eny Atsimondrano, Avaradrano, Andrefan’Iarivo sy Antananarivo renivohitra», hoy ny fanazavana nomen-dRadimilahy René Richard, filohan’ny seksiona Avaradrano.

B.A

Fandaharan-dalao

RFI Ivandry # XV Roses Antohomadinika
XV Avenir Andohatapenaka # XV Force Andavamamba
Dragon Rouge Tanjombato # ATM Manjakaray
JST # ASCA Andravoahangy.
FTM Manjakaray # TFA Anatihazo.

Rugby « Supercoupe » – Hotatazan’ny Besetroka izay mandresy amin’ ny 3FB sy Tam Rugby « Supercoupe » – Hotatazan’ny Besetroka izay mandresy amin’ ny 3FB sy Tam

Hiady toerana iray amin’ny hiatrehana ny “Supercoupe” ny Tam Anosibe sy 3FB rahampitso, etsy amin’ny kianjan’ ny Makis Andohatapenaka. Ny UAS Cheminot, izay tompon- dakan’i Madagasikara 2012, no miandry izay mandresy eo amin’ity lalao famaranana ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny Filoha, eo amin’ny baolina lavalava ity.

Samy efa nivonona ny hitady fandresena ny roa tonta amin’io lalao hoentina hamaranana ny fifaninanam-pirenena ho an’ny diviziona voalohany elita voalohany amin’ity taona ity io. “Ny Supercoupe no hoentina manokatra indray ny taom-pilalaovana 2013, toy ny efa nahazatra, amin’ny 17 marsa ho avy izao eny amin’ny kianja Makis hatrany”, hoy i Marcel Rakotomalala, filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina lavalava.

R.A

Mifanandrify amin’ny fifidianana – Ahiana hihemotra na ho foana ny Can Rugby eto Madagasikara Mifanandrify amin’ny fifidianana – Ahiana hihemotra na ho foana ny Can Rugby eto Madagasikara

Mety hihemotra na afindra amina toeran-kafa. Mifanindry amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny baolina lavalava ho an’ny vondrona A, izay kasaintsika hampiantranoina ny datim-pifidianana Filoham-pirenena nahemotra ho amin’ny 24 jolay. Raha ny fandaharam-potoana efa napetraky ny kaonfederasiona afrikanina ho an’ny baolina lavalava, sady efa nohamafisin’ny filohan’ny federasiona anefa, dia hotontosaina amin’ny 22 – 28 jolay ho avy izao izany fiadiana ny Can ho an’ny vondrona A izany. “Manahy ihany izahay amin’io daty io, saingy angamba mety tsy ho olana”, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina lavalava, Marcel Rakotomalala.

Raha ny lalàna dia amin’ny andron’ny fifidianana vao tsy azo atao ny famoriana olona, araka ny nambaran’ny mpahay lalàna iray. Ny tena atahorana fotsiny dia ny mety hisian’ny fanararaotana politika amin’izay mety hanao izany, araka ny nambarany hatrany. Isan’ireo firenena handray anjara amin’izany hiaraka amintsika i Zimbaboe, Ouganda ary Kenya. Herinandro mialoha izany no hanaovana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny vondrona B toy ny fanao isan-taona.

Roméo Andriamihaja

 Hojerem-potsiny ny lalao famaranan’ny amboaran’ny Filoha

Tsy hasiana vidim-pidirana ny lalao famaranana ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny Filoha, izay hotontosaina amin’ny alahady ho avy izao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Ho mafimafy kosa anefa ny fitandroana ny fandriampahalemana mandritra izany, indrindra ho an’ireo manivaka eny amin’ny raribozaka, izay natao ho fiarovana ny gradin, hoy ny avy amin’ny federasiona.

Baolina lavalava – Miomana fatratra amin’ ny «Intersection» ny XV Roses Baolina lavalava – Miomana fatratra amin’ ny «Intersection» ny XV Roses

Mitady hanao sakelimihoajoro. Kliobana mpilalao rugby, zandriny indrindra vao herintaona, zanaky ny Rosa Club de L’Emyrne, ny XV Roses d’Antohomadinika III G Hangar. Efa tafakatra Diviziona faharoa izy ka misolo tena an’Atsimondrano ao amin’ny «Intersection».

«Tsy mbola manana prezidà sy mpanohana izahay fa mivelona amin’ny tsipaipaika. Mitetika ny hahazo ny amboaran’ny «Intersection» izahay ka hifampitana amin’ ny ekipa iray avy amin’Andrefan’Iarivo, amin’ny alahady 10 febroary, ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis. Manoman-tena ho amin’izany izahay. Tanjona ny ho tafakatra ao amin’ny Elite 1 mihitsy», hoy Radimiarison Heriniaina, mpitantana sady mpilalao rahateo.

Niforona ny 27 desambra 2011 ny XV Roses. Ahitana mpikatroka «minime», «cadet», «junior», Diviziona fahatelo sy vehivavy, ireo mpikambana 65 lahy sy 35 vavy ao aminy. «Mifanampy ny lahy sy ny vavy ato aminay. Mbola vao miofana tsara ny ekipa vehivavy hiditra Top 6 na Top 8 ao Malacam», hoy Ravoahanginirina Sahondra, ray aman-dreny sy mpilalao rugby vehivavy.

Barphil Andriantsiferanarivo

Baolina lavalava – Hitety faritra ny fampiofanana  ataon’i Philippe Biarrit Baolina lavalava – Hitety faritra ny fampiofanana ataon’i Philippe Biarrit

Nanomboka omaly, tetsy amin’ny foiben-toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina lavalava, ny fanofanana ireo mpanazatra tarihin’i Philippe Biarrit, izay manam-pahaizana manokana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena na ny IRB. Aorian’Analamanga dia handalo any Antsirabe izy sy ny filohan’ny fikambanan’ireo federasiona aty amin’ny Ranomasimbe Indianina (AROI), Daniel Blondy.

Mikasika indrindra ny fomba fampihenana ny ratra eo amin’ireo mpilalao eny ambony kianja no tanjona amin’io fampiofanana io. Ho an’Analamanga dia nahatratra 22 ireo niofana ary hanohy izany hatramin’ny zoma 8 febroary ho avy izao, mialoha ny hisian’ny fiofanana manaraka indray ho an’ny fanatsarana ny fampianarana eo anivon’ireo sekolin’ny rugby, izay hatao ato ho ato.

«Amin’ity dia hifototra tanteraka amin’ny fitandroana ny toe-batan’ireo mpilalao no tanjona amin’ny alalan’ny fampihenana ny ratra, indrindra mandritra ny Top 14 eto Analamanga, izay hisy lalao maromaro», hoy i Antsoniandro Randrianorosoa, tale teknika nasionalin’ny baolina lavalava.

Roméo Andriamihaja

Baolina kitra sy rugby – Nanetsika ireo tanoran’Atsimondrano ny Team Berthin Baolina kitra sy rugby – Nanetsika ireo tanoran’Atsimondrano ny Team Berthin

“Ny fiangavian’ireo kaominina aty amin’ny distrikan’Atsimondrano no naharesy lahatra ahy hanohana ihany koa ny baolina kitra”, araka ny nambaran’i Berthin Randriamihaingo na Berthin Rallye, izay hahafantaran’ny maro azy.

Omaly dia tonga nanolotra fitaovana sy nampanantena omby hatao valisoa ho an’izay ekipa mivoaka ho mpandresy teny amin’ny kianjan’i Tongarivo sy Ankaraobato izy. “Izay kaominina mihetsika ihany ka manao fangatahana no  ampianay. Misy amin’ireo kaominina no tsy mety hikarakara lalao na dia entaninay aza”, hoy ihany i Berthin.

Fifaninanana isaky ny faritra no hotontosaina hatramin’ny volana avrily eo amin’ny sokajy senior sy vétérans. Aorian’izany dia hisy ny “super finale” izay hifanandrinan’ireo solontenan’ny faritra fito eny Atsimondrano miampy ny ekipa faharoa mendrika indrindra iray. Eny amin’ny kianjan’i Bevalala no kasain’izy ireo hanaovana ny famaranana. “Efa ao anatin’ny fifaninanana tanteraka amin’izao fotoana izao ny lalao baolina lavalava raha vao natomboka kosa ny an’ny baolina kitra”, hoy ihany izy.

Roméo Andriamihaja

 

Rugby Analamanga – Niakatra kianjan’i Makis ireo ekipan’ny «Intersection» Rugby Analamanga – Niakatra kianjan’i Makis ireo ekipan’ny «Intersection»

Notohizina teny amin’ny Kianjan’ny Makis, omaly alahady, ny fiadiana izay ho tompon-dakan’Analamanga na Intersection, ifampitanan’Atsimondrano, Avaradrano, Andrefan’Iarivo sy Antananarivo renivohitra eo amin’ny baolina lavalava, sokajy Diviziona faharoa sy fahatelo. Lalao dimy no nifandimby teo ambony kianja, nanomboka tamin’ny 8 ora maraina. Teo amin’ny Elite 1, nisy lalao fifampitsapana ka nandavoan’Ikopa 16 no ho 12 ny FTM Manjakaray.

Voka-dalao:

JST Talakimaso Ambohidratrimo 7 # 6 FTFAI Ambaniala Atsimondrano

FTGA Ampasampito 8 # 0 TRC Tsiazotafo.
ATI Ivandry 12 # 7 Texas Ambatomainty.

RFI Ivandry 24 # 11 ATM Manjakaray.

Barphil Andriantsiferanarivo

 

Rugby Amboaran’ny filoha – Lalaon’ny samy goavana  ny an’ny 3FB sy Tam Anosibe Rugby Amboaran’ny filoha – Lalaon’ny samy goavana ny an’ny 3FB sy Tam Anosibe

Ekipa samy mitana ny lohany eo amin’ireo sokajy misy eto Mada- gasikara ny 3FB sy ny Tam Anosibe, raha ny fiadiana ny amboaran’ny Filoha, no hitsarana azy ireo. Hiatrika ny lalao famaranana ho an’io fifaninanana io izy ireo  amin’ny alahady izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.

Teo amin’ny manasa-dalana dia nanilika ny US Ankadifotsy tamin’ ny alalan’ny isa 18 no ho 15 ny ekipan’ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka. Ny US Ankadifotsy anefa no hany ekipa nahavita nandresy ny UAS Cheminot, tompondakan’ i Madagasikara teo amin’ ny ampahefa-dalana. Henjankenjana ny miandry azy ireo amin’ity, satria ny Tam Anosibe, izay havanana amin’ny lalaon’ireo lohalaharana no hifanandrina aminy eo amin’ny famaranana. Ny Tam dia nandavo ny Tfma, izay ekipa lefitry ny tompondakan’i Mada gasikara tamin’ny taon-dasa, teo amin’ny manasa-dalana tamin’ny alalan’ny isa tery dia tery 15 no ho 14.

R.A

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite