Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Baolina lavalava Miverena

Rugby « Grand defi Berthin » – Ekipa valo hifampihantsy  eny Antanikatsaka Rugby « Grand defi Berthin » – Ekipa valo hifampihantsy eny Antanikatsaka

Mandritra ny alatsinainin’ny Pantekosta dia hifampihantsy eny amin’ny kianjan’Antanikatsaka ireo ekipa valo avy eny amin’ny seksiona Atsimondrano, eo amin’ny taranja rugby, izay efa niatrika ny “tournoi Berthin Atsimondrano”. “Fangatahan’ireo ekipa ireo ny hifanala vela ka antony nahasarika anay hanohana azy ireo. Fanao rahateo izany lalao fihantsiana izany ho an’ny rugby. Tsy ady omby fa fitaovana hoentina manao fanatanjahantena no hatolotra ho an’izay mandresy”, hoy i Berthin Randriamihaingo, filohan’ny “Team Berthin”.

R.A

Fandaharam-potoana

XV Trefle Ambohijafy # FTFAI Ambaniala
3FB Fenoarivo # Zam Antanivory
XV Frères Ampasika # XV Fa Ampasika
FTFAI Ambaniala # XV energie Anjezika

Rugby « Top 14″ – Tafarina tamin’ny fahareseny  ny Tam Anosibe Rugby « Top 14″ – Tafarina tamin’ny fahareseny ny Tam Anosibe

Nahay nihoitra. Taorian’ny nandresen’ny US Ankadi- fotsy ny Tam Anosibe, teo amin’ny andro voalohany, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga ho an’ny rugby na ny Top 14, dia hain’izy ireo ny nanarina izany, tamin’ny andro faharoa. Niondrika teo anatrehan’izy ireo tamin’ny alalan’ny isa 29 no ho 26, omaly, teny amin’ny kianjan’ny Makis Andoha- tapenaka, ny FT Manjakaray, izay mpifanandrina akaiky amin’izy ireo eo amin’ity fifaninanana ity.

Nanamarika iny andro faharoa iny ihany koa ny faharesena fanindroany sahady azon’ny US Ikopa. Taorian’ny efa nandresen’ ny TFMA azy ireo, tamin’ ny andro voalohany, dia mbola niondrika tamin’ ny alalan’ny isa 18 no ho 16 teo anatrehan’ny ekipan’ ny Savonnerie Tropicale Milalao ihany koa izy ireo, omaly. Toy izany ihany  koa mbola resy indray ny JST Ambondrona teo  amin’ny andro faharoa raha nihaona tamin’ny Iarivo Rugby Club (15 – 3).

R.A

Vokatra hafa

USA # TFA (25 – 16)
SOE # JCA (41 – 6)
UASC # Cosfa (30 – 31)
TFMA # 3FB (27 – 29)

Rugby « Top 14″ – Hifampitady eny Andohatapenaka  i Manjakaray sy Anosibe Rugby « Top 14″ – Hifampitady eny Andohatapenaka i Manjakaray sy Anosibe

Lalao goavana maromaro no hanamarika ny andro faharoa ho an’ny fiadiana ny ho tompon- dakan’Analamanga eo amin’ny baolina lavalava na ny Top 14, amin’ny faran’ny herinandro izao. Isan’ireo tena andrasana ny fifandonan’ny samy ekipana fokontany, dia ny FT Manjakaray sy ny Tam Anosibe, amin’ny alahady.
Hifanehitra ihany koa ny ekipan’ny TFM Ankasina sy ny 3FB, izay samy nahita fandresena tamin’ ny andro voalohany. Hatramin’izao fotoana izao dia eo amin’ny laharana faharoa no misy ny ekipan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka raha ny ekipan’ ny tanànan’Antananarivo renivohitra kosa no mitarika vonjimaika.

Isan’ireo be mpiandry ihany koa ny fihaonana eo amin’ny Besetroka sy ny Cosfa, izay napetraka ho lalao sangany amin’ny sabotsy ho avy izao.

R.A

Fandaharan-dalao

Sabotsy 11 mey 2013
11 ora: USA # TFA
1 ora: SOE # JCA
3 ora: UASC # Cosfa

Alahady 12 mey 2013
9 ora: JSTA # IRC
11 ora: US Ikopa # STM
1 ora: FTM # Tam
3 ora: TFMA # 3FB

 

Rugby Analamanga – Hosokafana eny amin’ny kianja Makis ny “Top 14” Rugby Analamanga – Hosokafana eny amin’ny kianja Makis ny “Top 14”

Lalao fito samy manana ny maha izy azy no hoentin’ny ligin’Analamanga manokatra ny taom-pilalaovana ho an’ny “Top 14”, na ny fiadiana ny ho tompondaka eny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka amin’ny faran’ny herinandro izao. Isan’ireo ekipa vao niakatra ho eo amin’ity diviziona ity ny JST Ambondrona sy ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE). Ny Besetroka, izay tompondakan’i Madagasikara farany, no hihaona amin’ny ekipan’ny SOE rahampitso. Ny Cosfa kosa no hikatroka amin’ny JST Ambondrona ny alahady.

Fa lalao goavana roa kosa no napetraka ho haingon’izany andro voalohany ho an’ny Top 14 izany. Isan’ireny ny fifandonana indray eo amin’ny mpiray vodirindrina, TFM Ankasina sy ny US Ikopa. Toy izany ihany koa ny fifampikatrohana eo amin’ny samy ekipan’ny fokontany, Tam Anosibe sy US Ankadifotsy. “Ny kianjan’ny Makis aloha no noentina nanokafana ity fifaninanana ity noho i Malacam mbola ao anatin’ny fanamboarana tanteraka”, hoy i Feno Rakotomalala, filohan’ny ligy.

Roméo Andriamihaja

Fandaharam-potoana

Sabotsy 4 mey 2013

11 ora: Uasc # SOE

1 ora: FTM # TFA

3 ora: TFMA # US Ikopa

Alahady 5 mey 2013

9 ora: JCA # IRC

11 ora: Cosfa # JSTA

1 ora: 3FB # STM

3 ora: Tam # USA

Rugby a VII Mombassa – Laharana fahefatra  ny “Makis de Madagascar” Rugby a VII Mombassa – Laharana fahefatra ny “Makis de Madagascar”

Tsy tafakatra ny lampi- hazon’ny “Mombassa Inter- national Sevens”, tany Kenya, notontosaina ny 27 – 28 avrily lasa teo, ny “Makis de Madagascar”. Laharana fahefatra no nisy ny ekipam- pirenena malagasy rehefa niondrika teo anatrehan’
i Zimbaboe 19 no ho 5 teo amin’ny lalao manasa-dalana.

Lavon’ny Tonizia tamin’ ny isa mavesatra 31 no ho 5 kosa ny Makis teo amin’ ny lalao fiadian-toerana niadiana ny medaly alimo. I Kenya mpampiatrano ny lalao sady solontenan’ i Afrika eo amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao any Rosia, no nibata ny amboara teo amin’ity fifaninanana “rugby à VII”.

Noana sy naratra

Raha ny tatitra avy any an-toerana dia “ny hanoanana sy ny faharatrana teo amin’ ireo mpilalao sasany no naha- tonga ny faharesena goavana nanoloana ny Toniziana”. “Tamin’ny maraina no nisakafo farany izahay. Nikorontana kely ny fikarakarana tamin’izany ka tsy nahita sakafo ny mpilalaontsika”, hoy i Berthin Zoto,mpanazatra nasionaly.

Tsara fanombohana anefa ny Makis tamin’ireo lalaom-bondrona, raha nanamontsana an’i Senegal (21 – 0) sy i Ouganda (24 – 0). Sahirankirana kosa isika teo amin’ny lalao nihaonana tamin’i Nizeria na dia nivoaka nandresy 12 no ho 7 aza. Hatreo amin’ny ampahefa-dalana dia mbola nandresy hatrany isika raha i Ouganda (12 – 5) no nihaona tamintsika saingy efa nihena ny elanelana. Fifaninanana noentina nanomana ireo solontena afrikanina amin’ ny “Mondial” sady namerenena indray ny filaharan’ ireo firenena afrikanina eo amin’ny “rugby à VII” izy ity, sady fifanintsanana ihany koa amin’ny fiatrehana ny Lalao Olympika hatao any Rio de Janeiro, amin’ ny 2016.

R.A

Rugby junior – Mpilalao 32 voatily teny Andohatapenaka Rugby junior – Mpilalao 32 voatily teny Andohatapenaka

Fitiliana ireo mpilalao tanora eo amin’ny taranja baolina lavalava. Mpilalao 32 no niavaka tamin’ny maro teny amin’ny kianjan’ny Makis, ny sabotsy teo, avy eny anivon’ny Boriborintany enina teto Antananarivo renivohitra. Natao hano- manana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny vondrona A misy antsika, hatao any Afrika Atsimo amin’ny volana aogositra io fitiliana mpilalao io.

“Maro ireo nanoina ny antso ary manana ny habe ilaina, saingy tsy maintsy nametrahana mason-tsivana iray teo amin’ny hakingana sy ny fahaizana milalao hanavahana azy ireo. Tsy maintsy hitady fotoana hafa izahay hoentina mitsapa farany azy ireo fa tsy ampy ny andro iray”, hoy i Marie Eric Randrianarison na Eric Sefo, mpanazatra nasionalin’ny ekipam-pirenena malagasy junior.

Voalaza fa raha ny tokony ho izy dia 20 no mpilalao nilaina saingy betsaka ireo mpilalao tsara vatana sy namaly ny fepetra takian’ireo teknisiana. Hiaraka hotsapaina amin’ ireo mpilalao 11 sisa tamin’ ny fiadiana ny ho tompon- dakan’ny Ranomasimbe Indianina, tamin’ny taon- dasa, ireo mpilalao 32 ireo anio eny amin’ny Kianja Makis.

R.A

Baolina lavalava – Raikitra ny fifaninanana hifantenana ireo mpilalaon’ ny Makis zandriny Baolina lavalava – Raikitra ny fifaninanana hifantenana ireo mpilalaon’ ny Makis zandriny

Manomboka anio eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny fifaninanana eo amin’ireo boriborintany, hoentina hifantenana izay handrafitra ny ekipan’ ny Makis junior, na ireo mpilalao zandriny ao amin’ ny ekipam-pirenena malagasin’ny taranja baolina lavalava. Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika na CAN ao amin’ny vondrona A, hatao atsy Afrika Atsimo, amin’ny volana aogositra mantsy isika.

Ny Federasiona malagasin’ny baolina lavalava no mikarakara izao fifaninanana izao. « Ireo latsaky ny 18 taona no hotiliana. Mpilalao 30 eo no kendrena havondrona voalohany amin’ny volana mey », hoy Rakotomalala Marie Eric, mpanazatra nasionaly.

Nampahatsiahivin’ny Fmr fa i Madagasikara, Namibia, Kenya sy Zimbabwe no hifanintsana amin’ny fiadiana toerana izay hiakatra hisolo tena an’i Afrika hiady ny Amboara eran-tany amin’ity 2013 ity. Ny ekipan’ny Makis junior voafantina eo koa dia mbola handray anjara amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany sokajy U-20 hatrany amin’ny taona 2015 izay hatao eto Madagasikara.

Barphil Andriantsiferanarivo

Baolina lavalava – Hanampy foana ny Makis Rajoelina Andry na efa tsy Filoha aza Baolina lavalava – Hanampy foana ny Makis Rajoelina Andry na efa tsy Filoha aza

Nifanome toky teny Iavoloha omaly, nandritra ny fitsofan-drano ny ekipam-pirenen’ny baolina lavalava ho any Mombassa ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny Makis de Madagasikara. “Na tsy ho Filoha intsony aza aho dia mbola vonona ny hiara-hiasa sy hanampy anareo”, hoy ny Filohan’ny tetezamita.

Vola mitentina Ar 10 tapitrisa no natolony hanampiana ny fivahinianan’ny ekipam-pirenena malagasy miatrika ny baolina lavalava lalaovin’olona fito na ny VII Makis, handraisantsika anjara any Mombassa, izay hanainga anio maraina. Hotontosaina amin’ny 27 – 28 avrily ho avy izao io fifaninanana tsy maintsy hifanandrinantsika amin’i Senegal sy Nizeria ary Ouganda io. Firenena fito hafa ihany koa mandray anjara.

“Vonona izahay ny hitady fandresena. Hoentina miomana sahady amin’ny fiatrehantsika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny vondrona A, izay atao eto amintsika amin’ny volana jolay ho avy izao izao fivoahana izao”, hoy i Marcel Rakotomalala, filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina lavalava.

I Antsoniandro Randrianorosoa, tale teknika nasionalin’ny baolina lavalava, no hitarika ny delegasiona ho any Kenya. Mpilalao 12 no handrafitra ny delegasiona, miampy mpanazatra iray (Berthin Zoto) sy mpanotra iray.

Roméo Andriamihaja

Baolina lavalava – Hanainga ho any Mombassa ny «4X4-n’i Berthin Zoto» Baolina lavalava – Hanainga ho any Mombassa ny «4X4-n’i Berthin Zoto»

Rahampitso amin’ny 10 ora maraina no hihazo an’i Mombassa ny delegasiona malagasy hiatrika ny fanomanan-tenan’ireo solontena afrikanina amin’ny “Mondial” eo amin’ny baolina lavalava lalaovin’ olona fito. “Mpilalao mitana ny toeran’ny 3 /4 ailles avokoa ireo nantsoina tamin’ity. Sady tsy kamiao no tsy fiara madinika fa fiara tsy mataho-dalana na 4X4 no hiady ny antsika amin’io”, hoy i Berthin Rafalimanana na Berthin Zoto, mpanazatra nasionaly hitantana azy ireo any.

Firenena 11 (Kenya, Ouganda, Côte d’Ivoire, Madagasikara, Sénégal, Zambia, Zimbaboe, Nizeria, Tonizia, Maraoka ary Namibia) no mandray anjara amin’ity fifaninanana “Mombassa International Sevens” na ny “MI7” ity. I Nizeria sy Sénégal ary Ouganda no tafaraka amintsika ao amin’ny vondrona C, ka ny senegaly no hihaona amintsika voalohany raha i Nizeria no hamarana ny lalao amintsika.

“Hararaotina ny fanomanana ireo mpilalao ireo amin’ity fifaninanana ity satria tsy misy tanjona loatra tokony hotratrarina amin’izany. Amin’ny alalan’ireo lalao maro hotontosaina no hanazarana sahady an’ireo mpilalao handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny vondrona A, hatao eto amintsika”, hoy ihany i Berthin Zoto. Eto an-toerana kosa no manoman-tena ireo lohalaharana sy ireo 3 /4 ailles sisa tavela eto an-toerana mbola mandalo fifantenana.

R A

Baolina lavalava – Nody eny Anosibe ny amboara Supercoupe Baolina lavalava – Nody eny Anosibe ny amboara Supercoupe

Noporofoin’ny Tam Anosibe fa kisendrasendra no nahazoan’ny UAS Cheminot ny anaram-boninahitra tompondakan’ i Madagasikara, tamin’ ny taon-dasa. Omaly dia ny ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasikara, Tam Anosibe, no nahazo ny amboaran’ny Supercoupe, izay noentina nanakatonana tanteraka ny taom-pilalaovana 2012 ary noentina nanokatra ny varavaran’ny taom-pilalao- vana 2013 eo amin’ny taranja rugby.

Tamin’ny alalan’ny isa 32 no ho 29 no nandresen-dry Harinirina Jacquot na Côcô an-dry Jean de Dieu na Deka, omaly, teny amin’ny kianjan’ ny Makis Andohatapenaka.

Teo amin’ny lalao fanokafam-bavony, izay noentin’ny federasiona hanaporofoana ny fahaizan’ ny Iarivo Rugby Club, dia tafavoaka ho mpandresy tamin’ny alalan’ny isa 15 no ho 13 ny ekipan’ ny kaominina Antananarivo renivohitra, nanoloana ny an’ny ekipan’ny Fahasalamam-bahoaka (3FB). Hanomboka tsy ho ela izany ny fifaninanana rezionaly ho an’ireo ligim-paritra tsirairay, taorian’iny fiadiana ny Supercoupe iny. Isan’ireo tena andrasana ny Top 14 ho an’Analamanga.

Roméo Andriamihaja

Nivoaka sempotra ny ekipan’i Marcel Rakotomalala

Sahirana ihany vao nahazo fitokisana tamin’ireo ligim-paritra niatrika ny fivoriambe fanao isan-taona ny ekipan’i Marcel Rakotomalala, filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina lavalava. Tamin’ireo mpifidy 17 dia valo no isam-bato azon’ ny federasiona tamin’ireo tatitra nataon’izy ireo momba ny asa nandritra ny taom-pilalaovana. Dimy tamin’ireo mpivory kosa no tsy nankato azy ireo intsony, raha efatra no tsy naneho ny heviny tamin’izany fametraham-pitokisana izany. Isan’ireo tsy nanome fitokisana intsony ny federasiona, tahaka ny nataon’izy ireo tamin’ny taon-dasa ny ligin’ Analamanga, izay nisy olana nanamarika iny taona 2012 iny. Andrasana izay ho tohin’ny disadisa ho an’ireo rafitra roa mifanao ambony ambany ireo.

RA

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite