|
Tontolon’ny asa – Mitantara ny loza miandry ny mpiasa ireo olona voan’ny tsindry hazolena
Tsy voahaja foana. 24 ora na iray andro amin’ny 365 andro no fotoana mba hahafahan’ ny mpiasa maneho hevitra sy mitaky ny zony. Nandritra ny andron’ny asa omaly no nanehoan’izy ireo niaraka tamin’ireo sendika samihafa izay naharary azy nandritra ny taona maro. Samy mahatsapa na ny mpiasa na ireo mpitantana sendika fa tsy mbola voa- haja izany zon’ny mpiasa izany eto amintsika. “Ny mpiasa amin’ny sehatry ny mpitsikaraka marolafy (secteur privé) no tena iharan’ny tsindry hazolena matetika. Fahatsiarovan-tenan’ireo madinika ireo no tena takiana amin’izao fetin’ny asa izao, mba hidirany ao anaty sendika”, hoy Razanajatovo Prosper, sekretera jeneralin’ny sendikalisma vahaolana sahaza na SVS omaly. Tonga hatreny amin’ny tribonaly matetika ny fifan- dirana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa. “Nahatratra 47 ny raharaha nandalo teny anivon’ny tribonaly teto Antananarivo, nahazo ny zony 100% ny 17 tamin’ireo raha mbola mandeha kosa ny 27”, hoy Rakotovao Richard tompon’andraikitra momba ny raharaham-pitsarana eo anivon’iry sendika SVS iry. Miafara amin’ny fandroahana hatrany moa ny disadisa araka ny fitantaran’ireto mpiasa ireto. - Sambo Stanisland: “Notanana telo andro teny amin’ny mpitandro filaminana” Efa tamin’ny taona 2005 no niasa tamina orinasa afaka haba iray, eny Ivato, ity raim-pianankaviana ity ary voaroaka tamin’ny herinandro teo, vokatry ny fitakiana sendikaly nataony. “Mpanao ba (tricoteur) no asako ary tsy mandray karama isam-bolana fa izay isan’ny asa vita no andraisana karama. Nanomboka tamin’io 2005 io no efa nosandaina Ar 6 000 isaky ny asa vita. Hatramin’izao taona izao anefa mbola io ihany no azonay, nefa ny karama fototra misoratra ao amin’ ny taratasy fandraisan-karama misondrotra isan- taona. Misoratra fotsiny ihany koa anefa io karama fototra io fa tsy raisina akory. Rehefa nitaky ny tokony hampiakarana ny saran’ny akanjo vita, sy ny fahataran’ny volan-jaza ary ny tokony mba hisian’ny rano fisotro madio tao am- piasana izahay dia noroahina. Tsy vitan’ny noroahina fa nosamborina ary notanana telo andro tany amin’ny mpitandro filaminana”, araka ny fitarainan’i Sambo Stanisland. Delegen’ny mpiasa miisa telo izy ireo no tojo izany tranga izany. -Ravonjiarisoa Nirina “Dimy taona tsy nandoa- vana latsakemboka Cnaps” Niala maina. Izany no azo amehezana kosa ny zavatra nanjo an-dRavonjiarisoa Nirina, mpiasan’ny orinasa afaka haba iray teny Talatamaty. 14 taona no niasany tao amin’io orinasa io, saingy rehefa natsahatra tamin’ ny asany izy ny septambra 2012 teo vao hitany fa tsy nandoavan’ny mpampiasa latsakemboka Cnaps ny dimy taona niasany. “Tsy nisy filazana fikatonana na fampiatoana ny orinasa fa tonga dia tsy nasaina niasa fotsiny izahay. Tsy nisy na dia karama na vola hafa nomena tamin’izany nefa teo amin’ny 10 taona teo avokoa ny faharetan’ny mpiasa tao amin’io orinasa io. Ny latsakemboka Cnaps tsy voaloa nanomboka ny taona 2007. Ny volana avrily 2012 koa anefa, nasaina nanokatra kaonty tany amin’ny banky ny mpiasa rehetra ary maro no roboka tamin’ny findramam-bola. Volana maromaro taty aoriana no natsahatra tamin’ ny asa sady mbola eo am-panefana izany vola nindramina izany izahay”, hoy ny fitantaran-dRavonjiarisoa Nirina. Lilia Rajaonah |
![]() |
Fetin’ny asa – Tsy nisy ny hetsika niarahana fa samy naka ho azy ireo sendika maro Tsy nisy nanao filaharana an-dalambe ny sendika omaly, nanamarihany ny Fetin’ny Asa. « Noho ny fahasarotan’ny fangatahana alalana hanao hetsika an-dalambe amin’ izao fotoana izao, dia tsy nisy nisafidy nanao izany », hoy Randrianasolo José, mpandrindra ny firaisamben’ny mpiasa malagasy (CTM). Ho an’ity farany dia olana ny tsy fisian’ny fampiharana politika intsony momba ny fananana asa. « Tokony hisy ny Notakiany araka izany ny handanian’ny fitondrana ny sata vaovao momba ny fiahiana sosialy. Nizarazara Ankoatra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, teny Faravohitra nataon’ ny CTM dia tsikaritra ho nizarazara, samy naka ho azy izy ireo teo amin’ ny fanamarihana ny Fetin’ny Asa omaly. Ny Sekrima, nifidy an’i Tsaramasay, nanaovana karazana fetim-pianakaviana. Ny Fisemare, taorian’ ny famoahana fehin-kevitra mitaky ny hanomezana karama mendrika ho an’ny mpiasa dia niara-nitsangatsangana tany Ambatofotsy atsimo. Ny SVS na ny Sendikalisma Vahaolana Sahaza namoaka fitakiana dimy loha, toy ny tokony hampiharana ny lalàna n ° 94 026 tamin’ ny 17 novambra 1994, mba hitovian’ny mpiasa sy izay mpandray anjara amin’ny fampandrosoana, mifanaraka amin’ny fanajana ny zon’olombelona. Barphil A |
|
Asa any ivelany – Mpiasa hatramin’ny 120 isam-bolana tonga an-tsokosoko any Liban Mbola miato ny fandefasana mpiasa any Liban. Raha ny tatitr’i Marcel Abi-Ghedid, kaonsilin’i Madagasikara any Liban tamin’ny 27 febroary 2013 lasa teo, izay nohamafisin’i Gervais Jacques, talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny Lalàna sosialy. Ity farany dia namboraka fa « mbola misy 50 hatramin’ny 120 isam-bolana ireo vehivavy tonga amin’ny fomba tsy ara-dalàna hiasa ao Liban ». Hatreto dia mbola tsy nisy ny fepetra noraisina mahakasika io raharaha io. « Mbola ao anatin’ny fikaroham-baovao mikasika io toe-javatra io tanteraka izahay eto anivon’ny minisitera », hoy i Gervais Jacques. Alalana manokana Nanamafy ny fisian’ny vehivavy mivoaka mankany Liban tokoa ny etsy anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato. « Somary mametraka fifamaliana eo aminay sy ny minisitera mihitsy izany. Lazaina mantsy fa miato ny fandefasana mpiasa any Liban kanefa tonga eto ny taratasy milaza fa misy ny mpiasa azo alefa rehefa nisy alalana manokana na ny »dérogation spéciale ». Hanananay ato ny dikan’ny taratasy misy ny sonian’ny olon’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny Lalàna sosialy manome izany alalana izany. Dia alefa ireo olona », araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny polisin’ny habakabaka sy ny sisin-tany etsy Ivato nanontaniana. « Tsy fandefasana olona vaovao ireny alalana manokana ireny ary fanapahan-kevitra avy any ambony fa tsy tapakay eto amin’ny minisitera», hoy i Gervais Jacques. « Agences » 32 « Birao na « Agences » 32 no nomen’ny minisiteran’ny Asa fahazoan-dalana hiasa handefa mpiasa hiasa any ivelany », hoy Razafimahenina Jocelyn, tale misahana ny asa sy ny fampiofanana araka asa. Firenena maro no andefasan’izy ireo mpiasa : Koweit, Arabia Saodita, Seychelles, Qatar, Oman, Dubaï, Maurice, Jordanie, Maldives sy Hong Kong. « Voalazan’ny lalàna fa tsy mahazo maka vola amin’ireo olona mitady asa any ivelany ireo ny « agences ». Anjaran’izy ireo ny manome fiofanana sy miantoka ny pasipaoro ary tapakila amin’ny fitaterana ary koa ny fakana fankatoavana momba ny fifanarahana asaina soniavin’ilay mpiasa », hoy ihany Razafimahenina Jocelyn. B.A/Hanitry Ny Aina |
|
Fanolanana, fanararaotana… – Mampaneno lakolosy momba ny asa any Liban, Koweit… ny Oit Tsy noho i Madagasikara irery fa efa lasa raharaha iraisam-pirenena ankehitriny ny olan’ireo mpiasa any Liban, Koweit, Jordanie, Emirats Arabes Unis . Namoaka tatitra anaty boky 150 pejy, karazana lakolosy fanairana mikasika ny karazana herisetra mianjady amin’ireo mpiasa any aminfireo firenena ireo ny rafitra iraisam-pirenena momba ny asa (Oit) nanomboka omaly. Voalaza fa resadresaka nifanaovana tamina mpiasa vahiny 650 nandritra ny roa taona no nahafahan’ny Oit nilaza fa sady « voafitaka » no « voatery » ireo mpiasa. 600 000 no tarehimarika fantatra fa isan’ny mpiasa « lasibatry ny asa atao an-tery », araka ny tatitry ny Oit, kanefa dia mitombo hatrany ny firohotana hiasa any amin’ireo firenena ireo. Terena hiray ara-nofo Voasingana manokana ao anatin’io tatitra io ireo vehivavy afrikanina sy aziatika miasa any an-toerana, ka ao anatin’izany ny malagasy. « Marefo kokoa izy ireo. Voafitaka ary tratry ny fanararaotana ara-nofo mihitsy. Misy amin’ireo vehivavy nihevitra ny hanao mpampianatra na mpitsabo mpanampy no nalaina an-keriny vao tonga tany amin’ireo firenena iasany. Terena hamaly ny filàna ara-nofona karazan’olona any anaty trano raitra na mitokatokana izy ireo », hoy ihany ity tatitra ity. Na ireo mpiasa lahy aza dia tafiditra ao anatin’ireo voafitaka koa , saingy amin’ny fomba hafa indray ny fisehony. Nitsikera ny tsy fisiana na ny fahabangan’ny lalàna momba ny asa ka mampihombo ny faharefoan’ireo mpiasa ny Oit. Manasarotra ny fahafahan’ireo mpiasa manapaka ny fifanarahan’asa amin’ny mpampiasany na ny fahafahany miova mpampiasa izany. Banga ny lalàna Nitsikera ny tsy fisiana na ny fahabangan’ny lalàna momba ny asa izay mampihombo ny faharefoan’ireo mpiasa ihany koa io tatitra io. Manasarotra ny fahafahan’ireo mpiasa manapaka ny fifanarahan’asa amin’ny mpampiasany na ny fahafahany miova mpampiasa anefa izany. Raha ny soson-kevitra naroso tao anatin’ity tatitry ny OIT ity ihany dia tokony hapetraka ny arofanina hiarovana ireo mpiasa amin’ny fanararaotana samihafa na eo anivon’ny firenena mpandefa na eo anivon’ny firenena mpandray ireo mpiasa vahiny. Ho an’i Madagasikara dia efa misy ny vaomiera mandinika ny olan’ny asa any ivelany. Hanitry Ny Aina |
|
Asa any ivelany – Mitantara ny fiainany tany Koweït i Romaine
Roa vavy niasa avy any Koweït no nigadona tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tetsy Ivato ny sabotsy teo tamin’ny 12 ora antoandro. Nitantara ny fiainany tany i Romaine, iray tamin’izy roa vavy ireo. “Ny 16 janoary teo aho no niala teto Antananarivo. Rehefa tonga tany aho dia vehivavy izay no nampiasa ahy. Tena tsy zakan’ny aina mihitsy ny asa natao tamin’izany satria asainy manotra azy manomboka amin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina isan’andro. Tsy maintsy mifoha indray anefa amin’ny 5 ora maraina. Raha tsy manatanteraka izay lazainy dia vitan’izy ireo no miteny hoe: inona fotsiny izany no nandoavako vola taminao?”, hoy izy nitantara. Raha ny filazan’ity tovovavy ity hatrany dia asaina manasa lavapiringa amin’ny tanana tsy misy aro na fitaovana hafa izy. “Rehefa mitsin-gintsingina dia mahazo tehamaina. Tsy zakako intsony ilay asa dia niala tao aminy aho ary nifin-dra mpampiasa vaovao. Ity farany no niantra ahy ka nandefa ahy nody”, hoy i Romaine. Misy tsy ampy taona Raha ny fitantaran’i Romaine indray dia fantatra fa misy tovovavy iray mbola tsy ampy taona miasa any an-toerana, mbola tsy hita nanjavonana amin’izao fotoana izao. Nanamboarana karatra taty Madagasikara anefa ity zaza ity. Avy eny amin’ny rihana faharoa izy no nitsambikina, ka tsy hita hatramin’ny fotoana nialan’izy ireo tany Koweit. “Misy 12 vavy vao tonga any an-toerana tamin’ny herinandro teo. Voalaza anefa fa naaton’ ny fanjakana ny fandefasana mpiasa any ivelany mandritra ny iray volana”, hoy hatrany ity vehivavy avy niasa tany Koweït ity, toa mametra-panontaniana momba ny fahatongavan’ ireo vehivavy any an-toerana ireo. Haja Randrianantoandro |
|
Asa an-trano – Vehivavy malagasy roa notanana am-ponja tany Koweit
Asa mihatra aman’aina. Mafy ny manjo ireo mpiasa malagasy mila ravinahitra any ivelany, ka lasa manaotao foana. Fantatra izao fa manomboka mampiditra am-ponja ireo vehivavy malagasy ny any Koweit. »Mitsoaka vokatry ny voalaza fa fampijaliana mihatra aminy ao amin’ny mpampiasa azy ny ankamaroan’ny vehivavy any. Ny taratasy mombamomba azy anefa tsy any aminy satria alain’ny mpampiasa na ny ivon-toerana raha vao migadona ny seranam-piaramanidina any an-toerana. Lasa mirenireny tsy misy taratasy ny ankamaroan’ireo vehivavy mitsoaka ka misy ireo nosamborin’ny polisy ary nampidirina am-ponja », hoy ny fitantaran’ny vehivavy iray avy any Koweit. Nambaran’ity farany fa miisa roa ireo vehivavy efa niharan’izany ary efa navotsotra sy nalefa nody niaraka taminy, tamin’ny herinandro teo. Mitovy ary mitady hiverina mihitsy indray ny tranga niseho tany Liban, izay efa nahatratra 10 mahery no notanana am-ponja. Vehivavy maromaro no efa tafaverina eto an-tanindrazana, saingy tsy mbola nisy tompon’andraikitra nijery azy ireo. »Tsy sahy manatona any amin’ny minisitera samihafa izahay satria na ireo birao nandefa anay aza toa mihalangalana aminay. Lazainy fa izahay indray no tokony hamerim- bola aminy », hoy ireo vehivavy sasany avy any Koweit. LR |
![]() |
Fiofanana teknika – Ankizy tsy nahavita fianarana 500 000 kendrena hofanina araka asa Talem-paritry ny Fampianarana teknika avy amin’ny faritra 14 no nahavita fiofanana omaly tetsy Anosy. Fiofanana niompana tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tale ireo mba hahafahany mampiroborobo ny fampianarana araka asa sy ara- teknika ho an’ireo ankizy nitsoaka an-daharana na tsy afaka nanohy ny fianarana an-tsekoly intsony. Ankizy eo amin’ny 500 000 eo no kendrena hahazo fanofanana araka asa amin’izao voalohany izao. Ny sampan’ny Firenena mikambana ho an’ny fanabeazana (Unesco) no nikarakara ny fiofanana. “Efa nahazo fahaizana vaovao ireo tale ireo ary afaka mampitombo ny fahaiza-manaony amin’ny fanofanana ny tanora, fa indrindra ireo eny ambanivohitra. Ireo fanofanana araka asa madinika toy ny rafitra, fiompiana no tena ifotorana. Omena azy ireo koa ny fitaovana rehetra ahafahany manatanteraka ny fiofanana azo”, araka ny nambaran’i Ndremananjary Jean André, minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa. LR |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |