Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Antsirabe Miverena

Fifamaliana tao an-tokantrano – Maty notrobarany antsy ny rainy 83 taona Fifamaliana tao an-tokantrano – Maty notrobarany antsy ny rainy 83 taona

Lasa nandositra ary mbola karohin’ny mpitandro filaminana hatramin’izao ny tovolahy iray 25 taona nahavita namono nahafaty ny rainy niteraka azy, 83 taona. Niara-nisotrosotro tamin’ny namany tamina toerana fisotroana izy mianaka ireo, ny alatsinainy 30 jolay.

Rehefa  tafaverina tao an-tranony ao Antanambao-Antsirabe, tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro dia nitaky ny ampahan’ny vola fisotroan-dronony tany amin’ny vadiny faharoa izay iarahany mipetraka talohan’izao nahafatesany izao ilay rangahy lehibe.

Tsy nety namoaka vola ramatoa ka raikitra ny fifamaliana teo amin’izy mivady, izay niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana. Namonjy niakatra tao amin’ny efitranon’izy ireo ilay zanany lahy raha nahare ny fitarainan-dreniny, ka avy hatrany dia niditra an-tsehatra tamin’ny famonoqna ilay
rainy. Vokatr’io dia tapaka ny taolan-tratran’ity lehilahy lehibe ity ary nisy trobaky ny zava-maranitra koa teo amin’ny tendany.

Niezaka namonjy nitondra azy teny amin’ny hopitaly ireo mpiara-monina tamin’io alatsinainy hariva io, saingy tsy tana ny ainy ny marainan’ny alarobia teo. Vao nahare io ilay zanany dia nirifatra nandositra ary mbola tsy hita hatramin’izao. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tsy vao izao no nikasi-tanana ity rainy ity ilay tovolahy. « Efa nisy fotoana izy voatery naiditra tany amin’ny toerana fitaizana zaza maditra mihitsy, fony mbola tsy ampy taona vokatr’io herisetra fanaony io », hoy ny fitantaran’ny akaiky azy.

Angola Ny Avo/Faralala

 

Antsenakely Antsirabe – Tovolahy hita faty nihantona  Antsenakely Antsirabe – Tovolahy hita faty nihantona 

Lehilahy manodidina ny 27 taona, mbola mpitovo, mpanabe amin’ny toerana fitaizana ankizy sy tanora sahirana iray eto Antsirabe no hitan’ireo namany maty nihantona tao amin’ny efitranony, tao amin’ny toeram-piasany ao Antsenakely Antsirabe, ny tolakandron’ny talata teo tokony ho tamin’ny efatra ora.

Nampandre ny mpitandro filaminana ireo mpiara-miasa aminy, ka efa natom-boka ny fanadihadiana amin’izay antony marina nahafaty ity lehilahy ity. Tsy fantatra mazava hatreto na nisy namono na nananto-tena ity tovolahy ity. Araka ny filazan’ireo olona nifanerasera taminy dia tsy nahitana taratra  fisian’ny olana teo aminy ary mbola niasa izy ny marainan’ io andro nahitana ny fatiny io. Nahitana taratasy teo akaikin’ny razana, saingy hatreto dia mbola manjavozavo ny voto-atin’izany.

 

Angola Ny Avo/Faralala

Antsirabe – Zazavavy naolan’ny rainy sy ny anadahiny Antsirabe – Zazavavy naolan’ny rainy sy ny anadahiny

Ny rainy niteraka azy sy ny anadahiny ihany  no voatondro ho nahavanon-doza ka nahavita nanolana ny zazavavy kely iray 13 taona, kamboty reny monina ao Andrangy Antsirabe. Raha araka ny fitantaran’ny loharanom-baovao dia niainga tamin’ny fitsoahan’ny anadahiny 15 taona tao an-tranon’izy ireo ny fanadihadiana nataon’ny polisy.

Rehefa hita ity farany dia nilaza fa ny tsy fahazakany ny mahita ny rainy miara-matory sy miray amin’ilay anabaviny no antony nandosirany. Avy hatrany dia nosamborin’ny polisy misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona ilay raim-pianakaviana, ny talata 3 jolay teo. Niaiky fa nanao io fihetsika mamohehatra  tamin’ny zanany io ilay raim-pianakaviana, ka nandritra ny famotorana ihany koa no nahafantarana fa efa ho telo taona no nanaovany an’ io filan-dratsiny io.

Nisy ny fizaham-pahasalamana natao tamin’ity zazavavy ity ka tamin’ izany no nanamarinan’ny mpitsabo fa efa simba ilay zaza. Nilaza ihany koa ilay zazavavy kely fa efa nanao ny filan-dratsiny  taminy ihany koa ilay anadahiny izay voalaza fa nahafantarana io zava-nisy io. Niaiky ny fahadisoany ity farany ary dia natolotra ny Fampanoavana tao Antsirabe niaraka tamin’ilay rainy, ny alakamisy 5 jolay teo.

Angola Ny Avo

Antsirabe – Nivelatra tamin’ireo hira  vahiny ry Randrantelo Antsirabe – Nivelatra tamin’ireo hira vahiny ry Randrantelo

Fahombiazana ny fampisehoana voalohany tany an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Ankoatra ny fampahafantarana ireo hira tao anatin’ny rakikira «Izao no hafatro», dia nivelatra tamin’ny hira vahiny ny fampisehoana nataon’ny tarika Randrantelo, tany Antsirabe, ny takarivan’ny zoma lasa teo tany amin’ny Hotel Imperial.

Nanakoako sy nankafizin’ireo mpijery nameno ny efitrano ireo hira gasigasy toy ny «Fonksionera sy saofera», «mpivaro-damba sy mpivaro-kena», «Iny, hono, izy ravorona»…  Nahafaly ireo mpijery sy nanome tsiro hafa ny fampisehoana ihany koa anefa  ireo hira amin’ny fiteny vahiny toy ireo hiran-dry Eagles, Emmylou Harris… Seho tokana nokarakarain’ny mi’Ritsoka production tamin’ny volana jona lasa teo iny fampi­sehoana tany Antsirabe iny.

Faly Ran.

Tarika Randrantelo – Hoentina any Antsirabe indray  ny «Izao no hafatro» Tarika Randrantelo – Hoentina any Antsirabe indray ny «Izao no hafatro»

Taorian’ny seho voalohany tetsy amin’ny Café de La Gare sy izay notanterahina tetsy amin’ny CCEsca Antanimena ary ireo seho takariva samihafa, dia mitohy ny fampahafantaran’ny tarika Randrantelo, ny rakikira «Izao no hafatro». Hoentin’ izy telo mirahavavy any Antsirabe indray ity vokatra ity, ny zoma 29 jona izao ao amin’ny Imperial Hotel, manomboka amin’ny 9 ora alina.

Faniriana sy tetikasa efa ela no hitondrana ity seho ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra ity. Anisan’ ireo toerana mifamatotra amin’ny tarika rahateo Antsirabe, satria dia tao no nipoiran’i Fara Gloum sy Jovin, izay samy fantatra amin’ny fahaizana mitendry gitara.
Ankoatra ireo hira efa voarakitra ao anatin’ity rakikira ity, hisokatra amin’ ireo hira hafa sy vaovao ihany koa ny tarika Randrantelo. Efa manana ireo hirany manokana rahateo ny tarika, izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanakanto mpamorona. Hotohizany ihany koa anefa ireo vokatra nahasarika sy nankafizin’ ny maro toy ny fiangaliana amin’ny endrika hafa ny «Fonksionera sa saofera», hiran-dRamilison, izay tohin’ilay «Mpivaro-damba sa mpivaro-kena» efa hita ao anatin’ny rakikira.

Fampisehoana tokana atolotry ny mi’Ritsoka Production amin’ity volana ity io taorian’ny «Glita be» sy ny «Erick Manana 35 ans de scène» tamin’ny volana mey.

Faly Ran.

Antsirabe – Naneho ny tanjany ny ankolafy Ravalomanana  Antsirabe – Naneho ny tanjany ny ankolafy Ravalomanana 

Niavaka hatramin’ ny fomba fiakanjo. Karazana fanehoana ny mbola fahatanjahan’ny antoko Tiako i Mada- gasikara mihitsy no nataon’ ny ankolafy Ravalomanana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena teo amin’ny Araben’ny faha- leovantena any Antsirabe, omaly. Nisongadina tamin’ izany ny fisaloran’ireo mpomba ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ny akanjo  »tee-shirt » misy ny sariny sy ny fehin-tenda maitso, loko manamarika ny fanevan’ny antoko Tim.

Saika hanao matso

Tsy niera fa avy hatrany dia nidina moramora saika handray anjara tamin’ny matso lehibe tany an-toerana ireo mpanara-dia ny mpano- rina ny orinasa Tiko. Tsy namela azy ireo nanatanteraka izany anefa ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny mpitandro ny fila- minana sy ny teo anivon’ny distrika. Ny tsy fisoratana anarana mialoha no voalaza fa anton’izany. Taorian’izay dia nihazo ny kianjan’ny Magro tao Avaratsena ireo mpomba ity Filoha teo aloha ity. Tao amin’ity kianja ity no nilazan’ny Filohan’ ny kaongresin’ny tetezamita sady mpitarika ny delegasion’ny ankolafy Ravaloma- nana, Mamy Rakotoarivelo fa « efa hody ato ho ato ny Filoha Ravalomanana ary mbola hisy ny fety lehibe hiarahana amin’ny vaho-akan’Antsirabe amin’izay fotoana izay ».

JR 

Antsirabe – Fatin-jazalahy kely nariana tany anaty fako Antsirabe – Fatin-jazalahy kely nariana tany anaty fako

Fatin-jazalahy kely tokony ho enim-bolana am-bohoka indray no narian’olon- tsy fantatra teo amin’ ny fanariam-pako iray teo amin’ny  »4 chemins » Ambala-vato, ny talata lasa teo. Mpitarika posy sendra nandalo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany no nahita ilay razana kely nifonofono. Nijery teny an-toerana ny dokotera avy amin’ny birao monisipaly misahana ny fahasalamana sy ny fahadiovana.

Nandritra ny fizahana nataon’izy ireo no nahafantarana fa zaza mbola tokony hitombo tao am-bohoka ity nariana ity. Vao tsy ela akory izay no nahitana fatin-jaza nihoson-drà velona tao an-dreni-vohitr’Antsirabe. Hatramin’ny omaly anefa dia tsy mbola nisy voarohirohy  teny anivon’ny polisy na zandary tamin’ireny tranga mamoafady ireny.

Angola Ny Avo/Faralala

Antsirabe – Tratra nitondra ody gasy ilay voalaza fa sefon’ny jiolahy Antsirabe – Tratra nitondra ody gasy ilay voalaza fa sefon’ny jiolahy

« Samy nilaza an’ity lehilahy antsoin’ny maro amin’ny anarana hoe  »Dadafara » ity ho lehibeny avokoa ireo jiolahy rehetra efa voa-sambotray », hoy ny tatitry ny kaomisera Manamijoro Rakoton-janahary, lefitry ny lehiben’ny kaomisaria « central » ao Antsirabe. Ny alin’ny zoma 15 jona teo izy no saron’ny mpitandro ny filaminana rehefa nokarohina hatramin’ny ela.

« Nisy mpiara-miasa amin’ny polisy nalefa niditra ho mpikambana tao amin’ity fikambanana jiolahy ity, ka io no nahafahana nisambotra azy. Novonoin’ ireo jiolahy anefa izy », hoy ny loharanom-baovao.

Tratra niaraka tamin’ ity lehilahy manodidina ny 42 taona ity ny moara sy ireo ody gasy fihosorany ka mampahalemy ireo olona tafihany ary ny famaky fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Namany roa hafa ihany koa no nosamborina ny sabotsy teo.

Angola Ny Avo/ Faralala 

Fanatanterahana didim-pitsarana – Mandà ny hiditra ao amin’ny Tiko ireo vadintany ao Antsirabe Fanatanterahana didim-pitsarana – Mandà ny hiditra ao amin’ny Tiko ireo vadintany ao Antsirabe

Tsy misy mety manatanteraka ilay didy fanokafana ny orinasa Tiko ao Andranomanelatra sy Mahafaly ireo vadintany ao Antsirabe. Vokatr’izany dia tsy mety tontosa ny fanaovana tombam-bidy ireo entana eo anivon’ity orinasa ity, hahafahana manao ny lavanty handoavana ireo hetra ambara ho tsy voaloan’ny Tiko. Efa dodona ny ho amin’izany anefa ny foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Hetra.

Somary nanome vahana ny hetsik’ireo mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana rahateo ny fahanginana nasetrin’ireo manam-pahefana, taorian’ny nanambaran’ny Mpampanoa lalàna ao Antsirabe fa tsy ara-dalàna ny firosoana tamin’ny fanatanterahana io didy io. Raha ny fanamarinam-baovao natao mantsy dia fantatra fa « tsy afaka manatanteraka ilay didy fanokafana ny orinasa Tiko ilay vadintany nanankinana izany satria sady tsy ao anatin’ny holafitry ny vadintany no mbola vadintany vonjimaika ao anatin’ny distrikan’Antanifotsy fotsiny ihany ».

Barazy

Napetraka teo anivon’ny Faritra Vakinankaratra ny fanatanterahana io didy io. Ny fandavan’ireo vadintany ao Antsirabe hanatanteraka ny didy anefa no sakana ankehitriny.

Manampy ireo barazy, dia nitondra fanamafisam-peo mihitsy efa roa andro izao, ireo andian’olona miambina ny Tiko ao Antsirabe. Manotrona sy manome aina ny fiambenana ireo mpikambana avy ao amin’ny Kaongresin’ny Tetezamita mpomba ny filoha teo aloha. Nambaran’i Guy Maxime Ralaiseho fa efa mivadika ho politika ny raharaha Tiko. « Ny andininy fahavalo ao anatin’ny Tondrozotra manoritra ny fanonerana ny simba rehetra tamin’ireny fandrobàna tamin’ny taona 2009 aloha no tokony hohajain’ny Tetezamita vao mitakitaky hetra », hoy izy.

Angola Ny Avo

Fitakian-ketra tao Antsirabe – Doro kitay sy tabataba no nanehoan’ny mpiasan’ny Tiko ny hatezerany Fitakian-ketra tao Antsirabe – Doro kitay sy tabataba no nanehoan’ny mpiasan’ny Tiko ny hatezerany

Tezitra ireo tantsaha sy olona mivelona amin’ny orinasa Tiko ao Antsirabe. Nandoro kodiarana, kitay sy nitabataba teo anoloan’ ny orinasa tao Andranomanelatra izy ireo ho fanehoana ny tsy fankatoavan’izy ireo ny fanagiazana ity orinasan’i Marc Ravalomanana ity ao an-toerana.

Nandrasana hatramin’ny 9 ora maraina ny vokatr’ilay fihaonana teo anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola natao teto Antananarivo, ny talata teo, saingy noho ny tsy fisiana baiko hafa tonga dia nidina teny an-toerana ireo lohandohan’ny mpisorona avy ao amin’ny Omc (Organe Mixte de Conception) izay nahitana ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandary eto Vakinankaratra kolonely Bama Marima sy ny kaomisera La Barre Guy José ary ny sekretera jeneralin’ny Faritra Andriamanantsoa Hervé Phillibert sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy eto an-toerana.

Tsy mitovy lenta

Hihaona tamin’ireo mpiasan’ny Tiko efa vory lanona teo Andranomanelatra no anton-dian’ireo tompon’andraikitra ireo, saingy vokatry ny tabataba nataon’izy ireo dia ny olon’ny Tiko, toa an’i Me Norosoa Raharimalala mpisolovava sy i Lanto Rabenantoandro, mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita ihany no nitafa tamin’izy ireo. « Ny hanao fanagiazana ny orinasa ihany no anton-dian’ireo avy amin’ny OMC. Eny fa na dia nangataka aza izahay ny hampitoviana lenta ny fampiharana ny didy, izay mametra ny tokony hanaovan’ny roa tonta kaonty amin’ny vola tokony haloan’ny Fanjakana amin’ny Tiko sy ny tokony haloan’ny Tiko amin’ny Fanjakana», hoy ny Me Norosoa Raharimalala.

Tsy mbola tanteraka kosa hatramin’izao io fanagiazana io.

Angola Ny Avo/HNA

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite