![]() |
Tolo-kevitry ny foloalindahy – Tsy tokony hisy « Podium » intsony eny Anosy Tsy mankasitraka ny hana-ovana «Podium», lanonana ara-javakanto maimaim-poana ho fanamarihana ny fetim-pirenena, eny Anosy intsony ireo tompon’andraikitra am-bony eo anivon’ny Foloalin-dahy ( tafika, zandary ary polisy), araka ny nivoitra tamin’ ny fivoriana notanterahin’izy ireo teny Ampahibe, ny alaka-misy teo. Jery todiky ny fankalazana ny fetim-pirenena no isan’ny notanterahina nandritra ity fivo- riana notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy sy ny sekreteram- panjakana miadidy ny Zanda-rimariam-pirenena ity. Nazava aloha ny tolo-kevitr’ireto tompon’andraikitra eo anivon’ny Foloalindahy ireto ny amin’ny tokony hijerena toerana ankoatra ny eny Anosy hanaovana ny »Podium » amin’ ny manaraka. Saika eny amin’iny faritra iny avokoa ireo minisitera samihafa ka misy akony eo amin’ny fidiran’ny mpiasa sy ny olona manan-draharaha izany, araka ny fanamarihana nivoitra tamin’ity fivoriana ity. Etsy andanin’izay anefa dia voamarika fa voaelingelina ihany koa ireo toerana mila fitoniana toy ny hôpitaly, ny fitsarana, na ireo toeram-pianarana. Fa indrindra araka ny nosinganin’ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena dia « mitobaka sy tsy voafehy ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola izay fototry ny koron-tana, ka nitarika hatramin’ny fahafatesan’olona ». Olona telo no fantatra fa namoy ny ainy taorian’ny herisetra nanjo azy ireo teny amin’ny »Podium » Anosy farany teo, raha tsy latsaky ny 120 ireo naratra. Haja R. |
|
Fanadiovana taorian’ny fety – Nikoizana ny fako teny Anosy sy ny manodidina
Fako tsy fako. Naloto tanteraka ny tanàna, indrindra teny amin’ny faritra Anosy, toerana nanaovana ny « podium ». Loto navelan’ireo mpivarotra sy ny mpanjifa no tena betsaka. Niparitaka ny hazo nanaovana latabatra, ny potika tavoahangin-java-pisotro mahamamo. Hita teny avokoa rehefa fako sy loto faran’izay ratsy indrindra. « An-taonina maro ary nitombo avo roa heny amin’ny andavanandro ny fako teto Antananarivo taorian’ny fety », araka ny nambaran’ny kaomisera Rabearisoa Alexandre, talen’ny kabinetran’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua). Ity farany izay nanentana ny mponina mba hahay hianatra hifety ho fitandroana ny fahadiovana. Isan’ny nanatanterahana fanadiovana lehibe ihany koa omaly ny tetsy Mahamasina sy Analakely. Nifarimbona ireo departemanta rehetra misy ao amin’ny Cua tamin’ny fanadiovana ny tanàna. Tsy nikely soroka ary tsy nitandro hasasarana izy ireo. Niasa andro aman’alina mihitsy taloha sy nandritra ary taorian’ny fety mba hahafahan’ny mponina mianoka ny tanàna madio lalandava. Nahatratra 450 olona no nanatanteraka izany fanadiovana izany miaraka amin’ny fiara miisa 15. Ny Pds-n’Antananarivo, Razafindravahy Edgard izay nisaotra sy nankasitraka ireto mpiasa ireto, niasa dimy andro sy dimy alina tamin’ny hafatra nampitondrainy ny talen’ny kabinetra. LR |
![]() |
Hetsika eny amin’ny Podium Anosy – Olona valo isan’andro no voatery aiditra hôpitaly Raha ny tarehimarika avy eo anivon’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona dia tsy latsaky ny 8 isan’andro ireo olona voatery aiditra eny noho ny tsatoka antsy na ny vely tavoahangy mitranga eo amin’ny »podium » eo Anosy. « Efa olona telo izao no maty, araka ny hitanay teto ary voatsindrona zava-maranitra avokoa no nitarika ny fahafatesan’izy ireo », hoy ny mpitsabo iray miasa ao amin’ny hôpitaly lehibe indrindra eto Madagasikara ity. Raha ny filazan’ity mpitsabo ity ihany dia « misy trangana fanolanana eny Anosy ka manodidina ny roa isak’alina ireo voaolana entin’ny olona eo anivon’ny hopitaly ». « Alefanay avy hatrany eny Befelatanana raha vao misy tranga tahaka izay », hoy ny fanazavany. Ny avy amin’ny polisim-pirenena anefa dia manipika fa efa nisy fivoarana ho amin’ny tsara ny toe-draharaha eny Anosy. « Efa nidina ny tahan’ny ady sy vono olona teo Anosy rehefa nandray fanapahan-kevitra hentitra ny mpitandro ny filaminana », hoy ny kaomisera Ranaivoson Alexandre, lehiben’ny sampampifandraisana eo anivon’ny polisim-pirenena. « Sarotra fehezina ny eo Anosy noho ny fahateren’ny toerana », raha ny voalazan’ity farany ihany. Haja R. |
![]() |
Anosy – Mpianatra roa lahy nandratra olona tamin’ny fiara (1) Mpianatra roa lahy nitondra fiara marika « Peugeot 305 » avy nia- natra no nandona lehilahy, tokony ho 37 taona, teo Anosy omaly antoandro tamin’ny 2 ora. Naratra be ny lohan’ ilay lehilahy voadona ary teo amin’ny tongony no nahitana fivontosana be. Araka ny fitantaran’ ilay mpianatra nitondra fiara dia « niampita tampoka no nahavo-adona ilay niharan-doza, ary tsy hitany mihitsy raha tsy efa izy nitsirara teo amin’ny tany ». « Nidona mafy teo amin’ny « retroviseur » no mety ho naha- vaky ny lohany », araka ny voalazany ihany. « Niaraka niam-pita izahay ka rehefa tonga teo afovoan’ny arabe dia somary tara tany aoriana izy ary izay no nahavoadona azy », araka ny fanazavan’ny rahalahin’ilay niharan-doza. Naterina avy hatrany teny amin’ny hopitaly Joseph Ravo- ahangy Andrianava-lona Ampefiloha ilay naratra. Haja R. |
|
Podium ety Anosy – Milaza ny heviny ny mponina Rakotomalala Denis, mpamily fiarakaretsaka Rasoarimalala Honorine, mpivarotra « charcuterie » mandehandeha Honorine Fanomezantsoa, renim-pianakaviana Rakotoarivony Jean Elie, tanora MR |
![]() |
Fameloman’aina – Avoitra etsy Anosy ireo voka-pikarohana 40 Nisokatra omaly teny amin’ny Ivon-toerana medikaly eto Madagasikara (IMM), eny Ampefiloha ny kaongresy faharoa ny Sosaety misahana ny fampatoriana sy fameloman’ aina ary ny vonjy taitra (Sarm). Haharitra roa andro izy io, ka voka-pikarohana 40 no hatolotry ny manam-paha-izana manokana 70, mpikambana ao aminy. ”Misongadina amin’ity kaongresy ity ny voka-pikarohana momba ny fisahanana fanaintainana, indrindra ny fampatoriana faritra iray hodidiana fa tsy ny vatana rehetra. Eo koa ny famelomana medikaly aorian’ny fandidiana”, hoy Pr Raveloson Nasolo Tsiry, filohan’ny Sarm. Raha ny eto an-dreni-vohitra manokana, mahatratra 30 isan’andro eo ny olona didiana arahin’izy ireo ao amin’ny Hjra fotsiny. Mbola misy koa ny fame-lomana medikaly olona 12 eo isan’andro eny amin’ny CHU Befelatanana sy 10 ao amin’ny Hjra ho an’ny olona safotra, sempotra, tapaka lalan-drà na tratran’ ny aretin’ny voa. Barphil Andriantsiferanarivo |
![]() |
Anosy – Hihahenjana ny fanaraha-maso eny amin’ny »Podium » Ho hentitra kokoa ny fitandroana ny filaminana eo Anosy mandritra ny « podium », hetsika ara-javakanto ho fanamarihana ny fetim-pirenena, taorian’ ireo adiady sy herisetra niha nahazo vahana teny an-toerana. « Tsy hitsahatra ny hanao fisafoana eny an-toerana ireo mpitandro ny filaminana, ka misy ireo mandeha an-tongotra, ao ihany koa ireo izay handeha amin’ny fiara tsy mataho-dalana », araka ny fanazavan’ny lietnà-kolonely Andry Rakotondrazaka, lehiben’ny zandary ato anatin’ ny faritra Analamanga. Nanamafy ihany koa ny avy ao amin’ny polisim-pirenena tamin’ny alalan’ny lehiben’ny vondron’ny polisy an-drenivohitra, Tony Razatovo fa « efa misy marobe ireo polisy manao fisafoana mandritra ny lanonana eny Anosy. Notsindriany manokana fa tokony hitondra kara-panondro ireo olona izay mandeha alina ary ho hentitra ihany koa ny fisavana amin’izany ». Haja R. |
|
Podium Anosy – Ho avy ry Black Nadia, Dat’Kotry ary Tinah’ti
Nanomboka omaly ny fetibe isan’andro hanamarihana ny fetin’ ny fahaleovantena etsy Anosy. Omen’ny mpikara- kara lohahevitra isan’ andro ny seho hiarahana amin’ireo mpanakanto, ka hanohy izany anio ry Black Nadia, Dat’Kotry ary Tinah’ti. Omaly dia ry Lôla, Manaly ary Dadah de Fort-Dauphin no nana- fana ny sehatra, tamin’ ny gadona avy any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo atsinanan’ny Nosy. Hodimbiasin’ny gadona afrikanina sy ny salegy avy any avaratra indray izany anio. Tsiahivina fa hitohy ny zoma izao ny fifaninanana «jeunes talents» ka ireo mpandray anjara 40 avy amin’ny sokajy roa no hiatrika ny manasa-dalana amin’izany. Faly Ran. |
|
Anosy – Mitaky finiavan’ny tsirairay ny fahadiovana mandritra ny «podium»
Mila manova toe-tsaina ny mponina. Efa maro ireo tranoheva mitsangana natokana ho an’ny filokana fotsiny ary mahasarika olona marobe eny Anosy. Amidy eny ambony latabatra antoandro benanahary ihany koa ny toaka sy ny zava-pisotro mahamamo isan-karazany, eny amin’iny arabe rehetra manamorona ny farihy, manoloana ny lapan’ny Fitsarana iny. Toerana izay akaikin’ny Lycée Ampefiloha. Niavosa ny fako teny an-toerana, taorian’ny «podium» ny faran’ny herinandro teo fotsiny. Mpiasan’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua) manodidina ny 30 no tazana nanadio teny Anosy sy ny manodidina, omaly maraina. Hita nitaona ny fako teny ihany koa ny fiara lehibe iray. Raha ny fanazavan’ny talen’ny seraseran’ny Cua, Rahaga Jean Luc anefa dia mpiasa mpamafa lalana miisa efatra na enina eo no miasa mandritra ny antsasak’adiny dia efa tokony hahavita ny fanadiovana eny isan’andro. Hiara-hiaina anaty loto sy fofona maimbo ny rehetra raha tsy miainga avy amin’ny tsirairay mihitsy ny fahatongavan-tsaina tia fahadiovana sy filaminana. Misy ny toerana natokana hanaovana maloto eny Anosy, izay natao hampiasaina, indrindra amina sehatra mahavory vahoaka toy ny «podium», izay mbola hitohy mandritra ity herinandro ity. Na fety aza ny andro, dia tokony samy mba ho tonga saina hitandro ny fahadiovana ny tsirairay. Ireo mpivarotra ihany koa dia tokony hanadio ny toerana tandrify azy aorian’ny fotoana ivarotana. Andraikitry ny rehetra ny asa fanadiovana ary tsy tokony hailika any amin’ireo mpiasan’ny kaominina vitsivitsy ireo ny loton’ny vahoaka rehefa avy mifety. MR |
![]() |
« Podium Anosy » – Olona 47 naratra niady, valo toran’ny toaka Efa ho ny antsasa-mani- lan’ireo nila vonjy taitra teny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianava-lona, ny alahady alina teo, no naratra vokatry ny ady sy vono teo Anosy avokoa. Nahatratra 47 tamin’ireo 120 naiditra teo anivon’ity hôpitaly ity ireo. Olona valo hafa no tsy nahatsiaro tena noho ny fisotroan- toaka. Ny fisian’ny fety ho fana- marihana ny fetim-pirenena eo Anosy no nahatonga izay tarehimarika izay ho ambony tahaka izao, araka ny fanamarihan’ny tompon’ andraikitra. « Tsy vitsy ireo mana-raraotra ny fisian’ny fety io, hany ka na hatramin’ny vehivavy aza dia misy ny tsy mahatsiaro tena vokatry ny fisotroan-toaka be loatra. Mitobaka loatra ireo mpivaro-toaka amin’ireo kara-zam-pety eto an-drenivohitra, ka izany no mahatonga ny fahamaroan’ny olona tratran’ny toy izao», hoy ny fanamarihan’ny mpitsabo iray eo anivon’ ny sampana vonjy taitra sy sampana fameloman’aina ao amin’ny Hjra Ampefiloha. Haja R. |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |