|
Antalaha – Efa fantapantatra ny tompon’ ireo andramena tratra
Mihamazava ny lalana mizotra mankany amin’ny tompon’ireo andramena miisa 2 294, tratra tao Ranotsara, tany amin’ny moron-dranomasina, tao Antalaha, ny zoma lasa teo. Voalaza fa mpandraharaha ao an-toerana ihany izy io. “Isan’ireo mpandraharaha nanao fanambarana tamin’ireny fotoana nangatahana ny fanaovana fanambaràna ny tahirina andramena eo an-tanany ireny ireo mpandraharaha ireo. Herinandro vitsivitsy izay, raha ny vaovao azonay, no nanao fangatahana ny hamindrana toerana ireo hazo ireo izy ireo. Fangatahana izay nokasain’izy ireo halefa eny anivon’ ny fiadidiana ny Praiminisitra, eny Mahazoarivo ary efa voasoratra sy nampandalovina tamin’ireo tompon’ andraiki-panjakana tao Antalaha. Tokony ho avy eo amin’ny foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny ala eto anivon’ny minisiteran’ny Ala sy ny tontolo iainana io taratasy io ary halefa eny amin’ny Primatiora avy eo. Mbola tsy nahazo ny taratasy anefa ny teo anivon’io foibem-pitondrana io dia nakisaka ireo hazo”, hoy ny loharanom-baovao teo anivon’ny minisitera. Raha ny filazany dia tsy maintsy ampanantsoina ireo mpandraharaha hohadihadiana mahakasika ireo hazo ireo. Manahy mafy mantsy ireo mpanao famotorana fa tsy fifanandrifian-javatra ny namindrana ireo hazo ireo ho eo amoron-dranomasina fa saika hisy fanondranana hatao mihitsy. AR |
![]() |
Fanondranana andramena – Minisitra maorisianina teo aloha voarohirohy Taorian’ny fandihadiana lalina mahakasika ny fanondranana an-tsokosoko andramena avy eto Madagasikara nataon’ny « Custom Forensic Investiga- tors », rafitra ivondronana manam-pahaizana vahiny izay nampiasain’ny fitondrana maorisianina, dia voamarina fa isan’ireo tompon’andraikitra amina resaka fanondranana andramena aty Madagasikara ny minisitra maorisianina iray teo aloha Taorian’ny fahatratrarana andramena maro be tao amin’ny seranan-tsambon’i Port-Louis any Maorisy no nahatonga ny fanadiha-diana. Ireo andramena rehetra haondrana mankany Sina dia tsy maintsy mandalo ao amin’ny Nosy Maorisy avokoa . Haja R. |
|
Andramena averina amin’ny tompony – Manahy kolikoly nefa milaza tsy manana porofo ny minisitry ny fitsarana Mahadiso fanantenana. Trangana varo-maizina andramena maro efa tonga teo an-tanan’ny fitsarana no namerenana ireo andramena tamin’ny tompony indray. Vao tamin’iny herinandro iny, raha ny nambaran’ny fiaraha-monim-pirenena Alliance Voahary Gasy (Avg) misehatra eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no, no nisehoana tranga iray hafa toy izany. « Kamiao telo feno andramena tratra tao Toamasina no naverina tamin’ny tompony. Mahakivy ihany ny zava-miseho satria toy ny tsy misy mihitsy ny finiavana hampihatra ny lalàna. Olona efa mpamerin-keloka anefa no voampanga », hoy i Andry Andriamanga, mpandrindra nasionalin’ny Avg. Satan’ny mpitsara Toa maneho fitovian-kevitra tamin’ity fiaraha-monim-pirenena ity ihany Razanamahasoa Christine, minisitry ny Fitsarana raha nilaza fa misy tokoa ny fahadisoam-panantenana. « Saingy araka ny satan’ny mpitsara dia mahaleotena amin’ny didy avoakany izy ireo ary na izahay aza tsy afaka mangataka fanazavana amin’izany didy izany noho io fahaleovantena io », hoy ramatoa minisitra. « Rehefa misy tranga toy ireny dia lasa ihany ny eritreritra hoe sao misy kolikoly ihany ao ambadika. Tsy manana porofo ny amin’izany anefa aloha izahay. Ny mampiakatra ny didy no efa natao », hoy ihany izy. Mitaky ihany koa ny fananganana ilay fitsarana manokana voalaza ao anatin’ilay didy hitsivolana mirakitra ny fanasaziana ireo mpanao varo-maizina andramena ny fiaraha-monim-pirenena. HNA
|
|
Fikasana hanondrana andramena – Hatolotra ny Fampanoavana ny dimy tamin’ireo olona nohadihadiana
Omaly no nanomboka nandinika ilay raharaha fahatratrarana andramena enina kaontenera tao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana sy ireo roa kaontenera tratra tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny teo anivon’ ny Fampanoavana. Raha ny vaovao azo teo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia mbola ny antontan-taratasim-pamotorana no naterina teny amin’ny Fampanoavana, omaly. Anio kosa vao hatolotra hohadihadiana ireo olona voasaringotra tao anatin’ity raharaha ity. Raha ny fantatra anefa, tamin’ireo nohadihadiana dia ny dimy ihany no hatolotra ny Fampanoavana anio: ilay mpandraharaha ara-toekarena voatondro ho tompon’ireo andramena, mpamily roa lahy, mpandraharaha ny entana aondrana sy afarana, ary ny tompon’ireo kaontenera nitaterana ireo andramena. Miankina amin’ny fahazoana baiko hanohizana ny famotorana avy amin’ny Fitsarana indray ny tohin’ny fanadihadiana. HNA |
|
Fanondranana andramena – Mpikambana Cst roa voatonona ho nandray vola tamin’ireo kaontenera tratra Anio no eritreretin’ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena hatolotra ny Fampanoavana ny antontan-taratasim-pamotorana mikasika ireo andramena enina kaontenera tratra tao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana sy ireo olona voasaringotra ao anatin’izany. Voatery nafindra aty Antananarivo mihitsy ny fanadihadiana noho ny « tsindry » sy « fandodonana », voalaza fa nahazo ireo mpanao famotorana tao Fort-Dauphin sy Antsiranana, ny amin’ny tokony hanolorana haingana ny raharaha eo anoloan’ny Fampanoavana, raha ny nambaran’ny manamboninahitra ambony iray eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Olona maro, azo lazaina ho tambazotra mihitsy, no voatonontonona amin’ity raharaha maloto ity, toy mpikambana roa ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita (Cst), polisy sy zandary, ary mpiasa sasany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nandray vola Ireo Cst roa lahy dia voalaza fa nandray vola an-tapitrisany nahafahan’ilay sambo nizotra nankany Antsiranana. Raha ny fantatra aza dia kaontenera valo no tokony naondrana tamin’izany. Heverina ho ireo kaontenera roa hafa tratra tao Toamasina taorian’ireo enina tratra voalohany ireo araka izany ny roa fanampiny. Tsy mbola isan’ireo olona atolotra ny Fampanoavana anio anefa ireo mpikamban’ny Cst ireo. Isan’ireo mpanao fanadihadiana tao anatin’ilay vaomiera parlemanteran’ny Cst misahana ny fanadihadiana momba ny andramena mantsy izy ireo. Tsy mbola nahare Nilaza ny mbola tsy nahazo tatitra ofisialy mikasika izany fakana vola nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Cst ireo, na dia efa nahare feo aza, ny jeneraly Rasolosoa Dolin, filohan’ny Cst, ka tsy dia nanan-kambara firy raha nanontaniana, omaly. Na izany aza anefa dia niaiky izy fa misy amin’ireo mpikambana ao aminy no « maloto » sy mety manao ny tsy fanao any ambadika any. « Raha ny lalàna dia efa-bolana ihany ny faharetan’ny fanadihadiana ataon’ireny vaomiera ireny. Efa dila io efa-bolana io ary efa nangataka tamin’izy ireo ny tatitry ny asa nataon’izy ireo ny tenako. Tsy tokony hisy vaomiera mpanao fanadihadiana hiasa izany intsony izao », hoy ny jeneraly Rasolosoa Dolin. Hanitry Ny Aina
|
|
Tolagnaro – Nahitana bolabolan’andramena 1000 isa indray tany amin’ny Nosy Ndengo
Tany amina nosy kely iray an-tsoina hoe Ndengo no nahitana andramena arivo mahery, ny sabotsy teo. Lohara-nom-baovao avy amina olona tsara sitrapo no nahafahan’ny manam-pahefana nidina ifotony. Saika hoentina amin’ny sambo haingam-pandeha ireo hazo sarobidy ireo ary ampidirina any anaty sambo lehibe avy eo, araka ny voalazan’ilay loharanom-baovao. « Ao amin’ny kaomi-nina Marorohy io nosy kely nahitana ireo hazo ireo. Tena sarotra hita io toerana io raha tsy misy manoro. Mandeha baka 30 minitra miala amin’ny lalam-pirenena faha-12 A. Tsy nisy tratra tao amin’ilay toerana intsony ireo olona tompon’ireo hazo ireo. Voamarika tamin’ny fitsirihana ireo hazo fa saika nisy faritra may avokoa ny ankamaroan’ izy ireo. Heverinay fa mety ho vokatry ny tavy no nahatonga an’izany. Tsy fantatra hatreto ny toerana nihavian’ireo hazo ireo. Tazonina ao amin’ny zandary ao Manantenina izy ireo », hoy Randriantefiarison Guillaume Venance, Lehiben’ny faritra Anosy. Tsy mora ny fibatana ireo hazo tratra ireto mankany amin’ny tobin’ ny zandary any Manan-tenina. Miverina imbetsaka ny kamiao mitatitra azy ireo. « Mahatratra 100 kilao ny iray amin’ireo hazo ireo ary any amin’ ny 2 metatra ny halavany. Efa misy ireo olona ahiahina ho tompon’antoka amin’izao zava-misy izao, saingy ny Fitsarana no tompon’ny teny farany », hoy ihany ity tompon’andriakitra izay isan’ireo tonga tany amin’ilay toerana nahitana ireo andramena. Vao tsy ela akory izay no nahatratrarana andramena enina kaontenera saika haondrana amin’ny sambo tany Antsiranana, dia izao nisy sarona izao indray. Raha ny fantatra dia efa notanana vonjimaika any am-ponja ny tompon’antoka tamin’ity raharaha andramena tany Antsiranana ity. Faralala/Haja Randrianantoandro |
|
Toamasina – “ Misy tambajotra mpanondrana andramena ao an-tseranan-tsambo ”
Mifantoka ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny maso amin’izao fotoana izao. Andramena roa kaontenera indray mantsy no saika voaondrana an-tsokosoko tao ny zoma lasa teo, raha tsy teo ny teknolojian’ny informatika. Raha ny fomba feno hafetsena nampiasain’ireo mpanao varomaizina dia nitsotra ny teo anivon’ny Fadintseranana fa “misy mpiray tsikombakomba ao anatin’ny seranana”. Efa any an-toerana ireo tompon’andraikitra manao ny fanadihadiana mahakasika izany. Ny zoma maraina teo no nisy kamiao nitondra kaontenera roa nambara ho nitondra vato indostrialy sarona sy hita fa feno andramena, rehefa natao ny fanamarinana. Fifampifamadihana “Vao nohamarinina tao anatin’ny milina ny voalaza tao anatin’ilay taratasy dia hita fa taratasy efa nanaovana fanambaràna ny maraina, ary tamin’ny kamiao hafa tena nitaterana vato indostrialy. Tao anatin’ny seranana no saika natao ny hevitra hampifamadihana ireo kaontenera feno vato amin’ireo kaontenera feno andramena saingy izao sarona izao”, hoy ny vaovao teo anivon’ny seranana. Raha mitombina io fikasana hampifamadika kaontenera io dia mahita ny eo anivon’ny Fadintseranana fa tsy maintsy nisy ny firaisana tsikombakomba ao anatin’ny seranana, indrindra manoloana ny efa fanamafisana ny fisavana ireo entana miondrana rehetra. “Tsy ho vitan’olona avy aty ivelany irery anefa izany fa tsy maintsy iarahana amina tambajotra anatiny”, hoy izy ireo. Efa manana anarana ireo mpanao famotorana. Efa fantatra hatramin’ny tena tompon’ireo vato indostrialy. Hanitry Ny Aina « Hirongatra… » Mbola manamafy ny nambaran-dRabemanantsoa Jean Claude, tale jeneralin’ny Ala ihany ity tranga ity. “Tsy iny tratra tany Antsiranana iny ihany no fanandramana fanondranana hiseho eto taorian’ny fampidirana ny andramena ho ao anatin’ny sokajy faharoa mikasika ny varotra iraisam-pirenena momba ny biby sy ny zava-maniry atahorana ho lany tamingana (Cites)”, hoy izy. |
|
Andramena enina kaontenera – Voasambotry ny zandary ilay voatondro ho tena tompon’antoka Sarona tany Toliara, omaly tokony ho tamin’ny 4 ora, ilay lehilahy voatondro ho tompon’antoka tamin’ilay fanondranana antsokosoko andramena enina kaontenera, sarona tany Antsiranana ny 4 avrily teo. Efa teny amin’ny seranam-piaramanidin’i Toliara vao tratra ity farany. « Tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava no niainga ny baiko fitadiavana an’io lehilahy io. Fisavana ireo fiara rehetra mandalo sy ny fiambenana ny seranam-piaramanidina no natao», hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimaria. « Nametra-pialana tao amin’ny orinasa niasany io lehilahy io ary tsy hita intsony nony ny avy eo. Tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina no niantomboka ny fitadiavana azy. Ny hariva tokony ho tamin’ny 4 ora ity lehilahy ity no saron’ny zandary teny amin’ny seranam-piaramanidina tao Toliara, ka avy hatrany dia notanana ao amin’ny biraon’ny zandary », hoy hatrany ny tatitra avy amin’ny zandarimaria any an-toerana. Haja R. |
|
Fanondranana andramena – Andramena enina kaontenera sy bolabola 1300 isa saron’ny zandary
Kaontenera enina feno andramena sy bolabolan’ity hazo sarobidy ity mahatratra 1300 isa no saron’ny zandary omaly 4 avrily. Toerana roa samy hafa no nahitana ireo hazo sarobidy ireo. Tany amin’ny seranan-tsambon’ Antsiranana no nahatratrarana ireo kaontenera enina ary tany Ndengo Tolagnaro kosa no nahitana ireo bola-bolan’andramena 1 300 isa. Raha ny tatitry ny zandarimaria avy any Antsiranana dia « tao anatina sambo iray no nahatrarana ireo kaontenera ireo. Niaraka tamin’ ny lehiben’ny Fampanoavana mihitsy ireo zandary nisava ireo kaontenera mampiahiahy ka nahatratrarana ireo hazo sarobidy ireo ». Tany Ndengo, tokony ho 1km miala an’i Marorosy any amin’ny distrikan’i Tola-gnaro kosa no nahatratra-rana ireo bolabolan’andra-mena 1300 isa. Efa nogiazan’ ny zandary avokoa ireo hazo sarobidy ireo ary izy ireo ihany no manao ny famotorana rehetra mikasika izany. Haja Randrianantoandro |
|
Tontolo iainana – Tsy afaka handray andramena varomaizina intsony Chine sy Eoropa Fotoana fotsiny no nandrasana. Araka ny fanomanana efa natao, nanomboka ny taona 2008, dia tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ny sokajy faharoa an’ny Fifanekena mikasika ny varotra iraisam-pirenena momba ireo zava-maniry sy biby atahorana ho lany tamingana (Cites) ny andramena sy ny hazo mainty. Ny fiaraha-midinika faha-16 tao Bangkok Thaïlande, niarahan’ireo firenena maherin’ny 170 miombona ao anatin’ny Cites no nivoahan’izany fanapahan-kevitra izany, ny 12 marsa lasa teo. Mahatoky ireo mpiaro ny tontolo iainana hampihena ny fanondranana antsokosoko ity fampiakarana ny lentan’ny andramena ho ao anatin’ny sokajy faharoa an’ny Cites ity. Tsy afaka handray andramena na hazo mainty avy amina fitrandrahana tsy ara-dalàna intsony mantsy ireo firenena rehetra ao anatin’ny Cites. Isan’izany i Chine sy Eoropa, izay firenena tena ivantanan’ireo hazo sarobidy ireo. Raha tsy hoe lalana tsy ara-dalàna indray no hivoahan’ireo hazo eto Madagasikara sy hidirany any amin’ireo firenena any ivelany. Mila alalan’ny Cites Raha fehezina ny voalaza ao anatin’io sokajy faharoa an’ny Cites io dia tsy azo atao ny manondrana andramena sy hazo mainty raha tsy hialohavana alalana hanondrana. Tsy ho azo anefa io alalana io raha tsy manamafy ny Cites fa ny fanondranana hatao dia tsy hahalany tamingana ireo andramena sy hazo mainty. Izany hoe tsy maintsy fantarina aloha ny isan’ireo andramena sy hazo mainty mbola tsy voatapaka, mba hahafahana mihazona ny fifandanjalanjan’ny zava-boahary… Miankina amin’izay ny hamaritana ny fatra azo aondrana. Tsy nahagaga intsony ity fidirana amin’ny sokajy faharoa ity. Efa nilaza mantsy Rabemanantsoa Jean Claude, tale jeneralin’ny Ala eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny ala, izay any Bangkok amin’izao fotoana izao, fa «manohana ny fampidirana ny andramena sy ny hazo mainty amin’ny sokajy faharoa ireo firenen-dehibe ao anatin’ny Cites». Hanitry Ny Aina
|


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |