![]() |
Ambohijatovo – Nandamoka ny hetsiky ny mpanohitra Tsy raikitra tamin’ny ora farany ny hetsika nokasain’ny mpanohitra hotanterahina tetsy amin’ ny kianjan’Ambohijatovo, ny sabotsy 14 jolay lasa teo. Fivoriana manokana tao amin’ny Tranompokono-lona Analakely izay notan- terahin’ireo mpitarika ny hetsika eo anivon’ilay vondrona hampanjakana ny demokrasia eto Madagasikara (Vhdm) no nitranga tamin’io fotoana io. Vitsy rahateo ireo nanoina ny antso ka ireo fiaran’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ ny Emmofar ihany no tena tazana nihatrana nano-loana ny kianja sy teny amin’ny manodidina nanomboka ny maraina. «Tsy mbola te-haneho hevitra mahakasika ny antony tsy nahatanterahan’ny hetsika aloha ny tenako sao dia hiteraka olana hafa indray izany. Ny azoko ambara fotsiny dia ny hoe efa nisy ny fandaminana ahafahana manohy izany», hoy fotsiny ny Pr Paul Rajao-narivelo. Azo heverina anefa fa ny mbola fisiana tsy fitovian-kevitra eo amin’ ireo samy mpitarika eo anivon’ity vondron’ny mpanohitra no isan’ny antony tsy nahatanteraka ny hetsika izay. JR |
![]() |
Ambohijatovo – Hifanohana akaiky ireo mpanohitra ny fitondrana Hifanome tanana. Hanao tambabe hifarimbona hanatanteraka ny hetsika etsy amin’ny kianjan’Ambohijatovo, ny sabotsy 14 jolay izao ireo mpanohitra ny fitondrana tetezamita ao anatin’ ny vondrona hampanjakana ny demokrasia eto Madagasikara (Vhdm). Mpanao politika sy fikambanana maromaro teo anivon’ilay «komitin’ ny fanavotam-pirenena» teo aloha sy mpikambana sasany avy amin’ny ankolafy Zafy no isan’ ireo lohandohan’ny mpisorona mpitarika ity hetsiky ny Vhdm ity. «Noezahinay ny hanambatra ireo izay rehetra mitovy hevitra amin’ny tsy fanekena intsony an’ity fitondrana tetezamita ity», hoy ny fanazavan’ny profe- sora Paul Rajaonarivelo, isan’ireo mpitarika ity hetsika ity omaly tetsy amin’ny «Galerie Kamoula» Analakely. Tazana teny an-toerana ihany koa ny mpitarika ilay »Komity miaro ny demokrasia », Marcelin Razafindrakoto. Nanotrona azy ireo teny an-toerana ihany koa ny mpikambana eo anivon’ ny ankolafy Ravaloma-nana, ny dokotera Jules Ranaivo sy ireo solonten’ ny mpianatra avy eny amin’ ny oniversite. Nilaza ny tsy hanotrona ity hetsika eny Ambohijatovo ity ny sendikan’ny mpiasam-panjakana. JR |
|
Ambohijatovo Ambony – May tanteraka ny fiaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena
Olona efatra hatreto no fotorana eny anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava mahakasika ny nahamay ny fiaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Manoro Régis, teny Ambohijatovo ambony, ny alin’ny alahady teo. May kila tanteraka mihitsy ilay fiara « toyota Prado » vaovao be. « Vao nitondra ny minisitra mianakavy avy namangy fianakaviana io fiara io ary tokony ho tamin’ny 9 ora alina izy ireo no tonga tao an-trano. Ora roa taorian’izay dia nampandre ny polisy ny minisitra nilaza fa mirehitra ny fiarany. Ny olona teny amin’ny manodidina kosa nilaza fa nidona- tsetroka ilay fiara teo am-piandohana ary taorian’izay vao niredareda ny afo », araka ny tatitry ny kaomisera Velotsara Marcel, talen’ny fikarohana ny fandikan-keloka eo anivon’ny polisim-pirenena. Ankamantatra Nanodidina ny tamin’ny 11 ora alina latsaka no nisy nahatsikaritra ny firehetan’ilay fiara. Tsy lavitra ny minisiteran’ny Rano eny Ambohijatovo no monina ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ka izay no nahatonga ilay fiara nijanona teo amin’ny sisin-dalana teo ihany koa. Omaly maraina ihany dia nandeha ny famotorana ka ireo mpiambina ny tranon’ny minisitra no voaantso voalohany teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava eny Anosy. Mpiambina sivily roa no nofotorana voalohany ary ny harivan’ny omaly dia ny mpamily ilay fiara sy mpiambina miaramila iray indray no nantsoina teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava. Nahitana tavoahangy-na labiera iray vaky teo ivelan’ilay fiara. « Nilaza ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa izy ireo no nampiasa ilay tavoahangy », hoy ny loharanom-baovao iray hafa. Mbola ankamantatra hatreto araka izany ny tena marina mahakasika ity raharaha ity.
Faralala |
![]() |
Ambohijatovo – Lehilahy lehibe iray torana teny an-dalana Lehilahy lehibe 45 taona teo ho eo no torana tsy nahatsiaro tena tampoka teny Ambohi-jatovo manoloana ny mpivaro-boky omaly antoandro tokony ho tamin’ny iray ora teo ho eo. « Efa nandramana novelomina ilay lehilahy, ka rehefa tsy velona nandritra ny fotoana maharitraritra dia nantsoina ny teo anivon’ny mpamonjy voina », hoy ny fitantaran’ireo teo amin’ny manodidina. « Tsy nisy taratasy nahafantarana ny mombamomba io lehilahy io ary avy hatrany dia nentina haingana teny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha izy », hoy ny fanazavana azo teo anivon’ny mpamonjy voina. Mbola tsy nahatsiaro tena ilay lehilahy mandra- pahatongany teny amin’ ny hopitaly. Vao tonga kelikely teny anefa izy dia efa nahatsiaro, ka rehefa nahazo aina dia nalefa nody, araka ny nambaran’ny mpitsabo eo anivon’ny sampana vonjy taitra ao amin’ny hopitaly Hjra Ampefiloha. Haja R. |
![]() |
Kianja Ambohijatovo – Hangataka fanalahidy amin-dRajoelina ny mpanohitra Mikiry mafy ny hahazo fahazoan-dalana haneho hevitra etsy amin’ny kianjan’ Ambohijatovo ireo mpikambana eo anivon’ny fiombonam - ben’ny mpanohitra tarihin-dry Lalatiana Ravololomanana sy ny pasitera Edouard Tsarahame. Taorian’ny fihaonan’ireto farany tamin’ireo tompon’ andraikitra voalohany eto amin’ny tanànan’ Antananarivo dia tapaka fa hampiatoana vonjimaika ny fampi asana ny kianjan’ Ambohijatovo amina hetsika politika. Tsy afa-po tamin’izay fanapahan-kevitra izy ireo ka nilaza hanohy ny fitakiana any amin’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina. «Izy ihany no sakana tsy ahafahana maneho hevitra eo amin’io kianjan’ny demokrasia io, ka takianay ny hanomezany ny fanala - hidin’ny kianjan’ Ambohijatovo», hoy ny fanazavan’i Lalatiana Ravololomanana, omaly tetsy amin’ny Lapan’ny tanànan’ Antananarivo. Isan’ny vahaolana naroso ho an’ireto mpitarika ny hetsiky ny mpanohitra ireto ny fitadiavana toerana hafa ahafahan’ izy ireo maneho hevitra. JR |
|
Hetsiky ny mpaohitra – Lasa adin’ny samy sivily indray ny teny Ambohijatovo Niafara tamin’ny fifanandrinana teo amin’ny samy sivily indray ny hetsika politika notanterahan’ny mpanohitra ny fitondrana tetezamita tetsy amin’ny kianjan’Ambohijatovo sy ny manodidina ny faritra Analakely, ny sabotsy lasa teo. Teo am-pandaminana ny tohin’ny hetsika no nisy andian-jatovo nikasa hidaroka ny mpitarika ny antoko Otrik’afo, Rajaonah Andrianjaka sy ny mpitarika ny antoko Harena Lezava Fleury. Tao anatin’izay savorovoro izay dia nanao tongotra an-katoka nanenjika avy hatrany ireo voalaza fa «be sandry» saika hikasi-tanana ireto mpitarika politika ireto, niakatra ny lalan-kely mihazo an’Ambohijatovo ambony iny ireo mpanao fihetsiketsehana. Tratra tamin’izany ny iray tamin’izy ireo izay voadaroka ka naratra mafy. Nitohy tamin’ny fifampitoraham-bato ny hetsika teny an-toerana, ka lehilahy roa avy amin’ireo mpanao fihetsiketsehana no fantatra fa naratra tamin’izany. «Soa ihany aloha fa tsy voakasi-tanana ny tenako. Mazava fa tena nisy naniraka mihitsy ireny olona nanakorontana ireny», hoy Rajaonah Andrianjaka, omaly. Tsy niditra an-tsehatra fa nijanona nitazana ny zava-misy ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana. «Tsy afaka ny hiandany amin’ny atsy na ny aroa izahay amina toe-javatra tahaka ireny, fa karazana paikady ahafahana mifehy ny filaminana ihany no napetraka», hoy ny kolonely Andry Rakotondrazaka, tompon’andraikitra eo anivon’ny Emmoreg. Ny tolankandro tamin’ny 2 ora teo ho eo no nidina tetsy Andohan’Analakeky nametraka sakana sy nanongotra ny trano kely fandoavana ny tapakila ho an’ny fiantsonan’ny fiara teo amin’ny «Esplanade» Analakely ireo mpanao fihetsiketsehana. Voatery niditra an-tsehatra nandrava izany ireo mpitandro ny filaminana ka nanaparitaka tamin’ny grenady mankarenin-tsofina tsikelikely azy ireo. Tsy nisy ny fisamborana. JR |
![]() |
Fanoherana ny tetezamita – Hanao rodobe ho eny Ambohijatovo ny mpanohitra Hamondrona ny heriny. Anio amin’ny 10 ora maraina no milaza hanao rodobe hanatanteraka hetsika eny amin’ny kianjan’Ambohi-jatovo ireo mpanohitra ny fitondrana tetezamita eo anivon’ny antsoina hoe «komitin’ny fanavotam-pirenena». Araka ny fanamarihan’ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ity komity ity dia hanome tosika ity hetsika ity ireo solontenana ankolafy sy antoko politika ary ireo fikambanana sy sendika samihafa manohitra ny fitondrana ankehitriny. «Ny fanaovana tatitra amin’ ny vahoaka ny mahakasika an’ireo fitakiana politika sy sendikaly tato ho ato no anton’ io hetsika io», hoy ny profesora Paul Rajaonarivelo izay nitondra ny tenin’ity komity ity tetsy amin’ny «Hotely fanantenana» Ampandrana omaly antoandro. Ankoatra ity farany izay nanatanteraka ilay diniky ny samy Malagasy teny Ankatso dia isan’ireo tazana teny an-toerana ny mpikambana eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana, Jules Andrianony, ireo solontena vitsivitsy avy amin’ny fiombonamben’ny mpiasam-panjakana. Teo ihany koa ny mpitarika ny antoko «Harena» Lezava Fleury. Voalaza tetsy anda-niny fa misy amin’ireo avy amin’ny antoko Arema sy ny ankolafy Zafy no efa nanaiky ny hanotrona ity rodoben’ny mpanohitra ity. Ireto farany izay mihevitra fa manan-jo feno hanatanteraka ity hetsika ity. «Tsy mbola nisy nandrara anay tsy hiditra ao anatin’io kianja io mihitsy. Na ny Praiminisitra Omer Beriziky aza dia nanao fanambaràna fa zon’ny olom-pirenena rehetra ny maneho hevitra. Tsy hoe hitarika olona hidina an-dalambe hanakorontana ny fiainam-bahoaka no tanjona fa ny hiditra haneho hevitra ao anatin’ny kianjan’ny demokrasia fotsiny ihany», hoy hatrany ny profesora Paul Rajaonarivelo. Hatramin’ny omaly aloha dia nilaza ny handray fepetra hentitra mano-loana ny fihetsiketsehana etsy amin’ny kianjan’ Ambohijatovo ny mpitandro ny filaminana mivondrona eo anivon’ny Emmonat. JR |
![]() |
Fihetsiketsehana teny Ambohijatovo – Naiditra am-ponja ilay teknisianin’ny »Free-Fm » Firaisana tsikombakomba tamina famoriam-bahoaka mitam-basy no niam-pangana an’ilay teknisianina ao amin’ny onjam-peo »Free-Fm », voasambotra teny Ambohijatovo ny sabotsy teo. Natolotra ny Fampanoavana omaly ity farany ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antani- mora, mandra-piandry ny fitsarana azy. « Tapitra ny fe-potoana ahafahana mitazona azy, kanefa tsy mbola hita ireo mpitarika tamin’ ny hetsika teny an-toerana, ka izay no nanolorana ny Fitsarana ny raharaha », hoy ny mpitandro ny filaminana. Ny azo antoka dia mbola hitohy ato ho ato ny fisamborana noho iny tranga iny. « Azonay sary avokoa ireo olona nanipy ireny vatobe avy eny ambony tonelina ireny. Eo am-pikirakirana ireo sary izahay amin’izao fotoana izao, ka tsy maintsy hisy ny fisamborana satria mazava tsara ny sary. Mbola mitohy ihany koa ny fikarohana ireo olona roa niantso ny olona ho tonga teny Ambohijatovo tamin’iny sabotsy iny. Toraka izany ihany koa ilay nitifitra izay mbola karohina ary efa fantatra avokoa ny momba azy rehetra », hoy ny eo anivon’ny zandary manao ny famotorana ity raharaha ity. « Raha tena sahy marina ireo niantso olona ho tonga teny Ambohijatovo dia tokony ho izy ireo no manatona ny mpanao famotorana ary hilaza fa izy ireo no tompon’andraikitra tamin’ny zavatra niseho. Mitsoaka izy ireo amin’izao kanefa ny olom-peheziny migadra any am-ponja. Tokony hahatonga saina ny maro ny zavatra tahaka izao. Na ireo olona hafa voasambotra aza misy milaza fa nomena vola kely », hoy izy. Faralala |
![]() |
Hetsika teny Ambohijatovo – Miaro ny jeneraly Ravalomanana ny Emmo-Nat Naneho firaisankina tamin’ny lehiben’ ny fari-piadidian’ny Zandarimaria eto Antananarivo, izay nitarika ny fandaminana ny hetsika tsy nahazoana alalana teny Ambohi- jatovo ny sabotsy teo ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-Nat. Ankoatra ny fisaorana sy fiderana ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana tamin’ny sabotsy, dia nanamarika ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ ny Emmo-Nat fa « na iza na iza teo amin’ ny toeran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-paritanin’ ny Zandarimariam-pirenena eto Antananarivo, dia mitovy tamin’ny zava-nitranga ny sabotsy ihany ny zava-nisy, satria baiko nidina no notanterahin’izy ireo ». « Tsy hilefitra manoloana ny tsy fanarahan- dalàna ny mpitandro ny filaminana ary hisambotra izay minia mikipy amin’izany. Manome baiko sy mankahery ireo mpitandro ny filaminana rehetra tsy ankanavaka mba hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa iandraiketan’izy ireo izahay », hoy ny Kaomandin’ny Zandarimaria, ny jeneraly Razafindrakoto Bruno. Isan’ireo teny an-toerana ny Contrô-leur général de police Rakotondratsima Désiré Johnson, Tale jeneralin’ny polisim-pirenena sy ny jeneraly Ndriarijaona André, Lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ ny Tafika. Faralala |
![]() |
Fanakorontanana – Olona roa sisa no voatazona Natolotra ny Fampanoavana omaly ny telo tamin’ireo olona dimy voasambotra teny Ambohija-tovo sy ny manodidina tamin’ilay fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, ny sabotsy teo. Nahazo fahafahana vonjimaika avokoa izy ireo. Olona roa kosa no mbola nahazo fampitom- boana ny ora nitazonan’ ny zandary azy ireo hanaovana famotorana. Isan’ny mampitatra ity raharaha ity ny tsy mbola fahitana ireo olona roa niantso ireo vahoaka ho tonga teny Ambohijatovo. « Tapitra ny fetr’andro ahafahana mitazona ireo olona voasambotra ireo ka izay no nanolorana azy ireo ny Fitsarana», hoy ny jeneraly Ravaloma- nana Richard, lehiben’ ny Cirgn Antananarivo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olona telo hafa dia ireo mpanao gazety roa sy ilay voalaza fa nitifitra tao anaty olona. Faralala |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |