Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Airtel Miverena

Fanabeazana – Vita fanavaozana ny Epp Ambakirano Ambilobe Fanabeazana – Vita fanavaozana ny Epp Ambakirano Ambilobe

Nifanandrify tamin’ny fankalazany ny faha-111 taona nisiany ny fahavitan’ny fanavaozana ny Epp Ambakirano any Ambilobe, ny 06 mey lasa teo. Ny orinasam-pifandraisana Airtel, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, no niara-nisalahy tamin’ny asa fanavaozana. Ny Epp Ambakirano, izay sekoly fanintelony eo ambany fiahian’io orinasam-pifandraisana io, taorian’ny Epp Mahavelona Antananarivo sy ny Epp Befanamy Toliara.

Nahazo tombony manokana anefa ity sekoly tany Ambilobe ity satria sady nanamboarana toeram-pivoahana no nomena fitaovam-pampianarana isan-karazany ary aron’akanjo ho an’ireo mpianatra. Nisy ny lanonana ara- kolontsaina, narahina fisakafoanana niendrika nofon- kena mitam-pihavanana tamin’io andro nanatanterahana ny fitokanana ny fahavitan’ny asa fanavaozana io.

AR

Fampindramam-bola madinika – Hiara-hiasa amin’ny Microcred  ny Airtel money Fampindramam-bola madinika – Hiara-hiasa amin’ny Microcred ny Airtel money

Hifampitantana eo amin’ny sehatry ny fifanakalozana ara-bola. Manomboka anio dia afaka maka vola na mametraka vola amin’ny alalan’ny finday eny anivon’ireo masoivohon’ ny ivon-toeram-pampindramam-bola madinika Microcred ireo mpanjifa eo anivony. Ao anatin’ ireo hetsika fanakaikezana ireo mpanjifa mantsy dia nametraka fiaraha-miasa tamin’ity ivon-toerana ity ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar.

Ireo mpanjifan’ny Microcred manerana an’Antananarivo sy ireo tanàn-dehibe eny anivon’ ireo faritany no hahazo tombony amin’izany.

Tanjon’ity orinasam-pifandraisana ity amin’ ny fanaparitahana io fomba fikirakirana vola vaovao io ihany koa ny hampirisihana ny rehetra hanokatra kaonty eny anivon’ireo banky. Antoky ny fiarovana amin’ny fandrobàna sy ny halatra isan-karazany mantsy ny fitoeran’ny volan’ny mpanjifa any amin’ny sehatra tena azo antoka.

AR

Tontolo iainana – Namboly acacia 1000 fototra teny Ambatofotsy ny Airtel Tontolo iainana – Namboly acacia 1000 fototra teny Ambatofotsy ny Airtel

Manome lanja ny tontolo iainana. Ankoatra ny asa sosialy sy ny fitsinjovana ny maha olona, dia nanatanteraka fambolen-kazo ihany koa ny orinasam- pifandraisana Airtel, ny 16 marsa lasa teo, teny Ambatofotsy.

Zana-kazo acacia 1 000 no natsatok’ireo mpiasa sy ny vady aman-janaky ny mpiasan’ny Airtel tamin’ io fotoana io.  « Tsy vao sambany akory ity orinasa ity no nanao hetsika toy izao, fa efa am-polon-taonany. Misy hatrany ny fanaraha-maso sy fikolokoloana ireo hazo novolena teo aloha », araka ny filazan’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ity orinasan-tserasera ity.

Fiaraha-misakafo sy korana teo amin’ireo mpiasa rehetra tonga nanao ny adidiny teny Ambatofotsy no namaranana ny fotoana.

AR

Lalao finday – Nizara scooter ny tetsy Ankorondrano Lalao finday – Nizara scooter ny tetsy Ankorondrano

Tontosa ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ny foiben’ny Airtel tetsy Ankorondrano ny lanonana fizarana ny loka, môtô scooter ho an-dRamiandrisoa Jean Jacques, nahazo isa betsaka indrindra tamin’ ny lalao « Fun quizz » natao teo anelanelan’ny 21 janoary sy 19 febroary 2013. Famaliana fanontaniana amin’ny alalan’ny hafatra amin’ny finday no fandraisana anjara ka hanomezana isa ireo mpanjifa. Avy amin’ny alalan’ny tambatr’io isa io no hifantenana ireo mahazo loka, araka ny filaharan’ny isa azony.

Mpanjifa 16 hafa ihany koa nahazo loka, vata fampangatsiahana iray sy finday Nokia dimy ary Airtel Money misanda Ar 20 000 miisa 10. Miavaka amin’ity lalao ity ny fisian’ny tombony manokana na «bonus» ho an’ireo mpandray anjara mavitrika. Ny 20 avrily ho avy izao indray no hifarana ny Fin Quizz andiany faha-11.

AR

Fanampiana tra-boina – Manentana ireo mpiasa ao aminy ny Airtel Fanampiana tra-boina – Manentana ireo mpiasa ao aminy ny Airtel

Niantso fanampiana sy fanomezan-tanana avy amin’ireo mpiasa ao aminy ny orinasa Airtel Madagascar mba ho voin-kava mahatratra ho an’ireo tra-boinan’ny rivo-doza Harina any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. An-dalam-pijerena sahady ihany koa ny fomba hanarenana ny simba amin’ny Sekoly fanabeazana fototra ao Befanamy any Toliara, izay iahian’ny Airtel.

Mbola ao amin’io Epp Befanamy io ihany koa no ialofan’ny tra-boina mihoatry ny 1 000 avy amin’ny fokontany manodidina ka nitondran’ity orinasam-pifandraisana ity entana ilaina andavanandro, toy ny vary, siramamy, savony… mitenti-body Ar 12 tapitrisa.

AR

Lalao « Fun quizz 10″ – Nivoaka ny anaran’ireo nandrombaka ny fiara, môtô, solosaina Lalao « Fun quizz 10″ – Nivoaka ny anaran’ireo nandrombaka ny fiara, môtô, solosaina

Tsy mitsahatra  mampifaly ireo mpanjifany ny Airtel. Efa nivoaka indray mantsy ny lisitr’ireo mpanjifa nahazo loka nandritra ny lalao “Fun quizz 10”, ny 17 oktobra 2012 hatramin’ny 14 janoary 2013 teo. Andriatsitomanarivo- manjaka Rasamoelina Naina no nandrombaka ny fiara tamin’ ity indray mitoraka ity. Ramiandrisoa Jean Jacques indray no nahazo ny môtô “scooter”. Randrianitina Gabin Yvon kosa no nahazo ny solosaina “Laptop”, loka fahatelo.

Tsy hitsahatra eo ny lalao satria aorian’ny 20 avrily 2013 indray dia hivoaka ny anaran’ireo mpanjifa nahazo ny lokan’ny “Fun quizz”.

AR

Fandraharahana ara-bola – Niitatra ny fiaraha-miasan’ny Airtel sy ny Paositra Malagasy Fandraharahana ara-bola – Niitatra ny fiaraha-miasan’ny Airtel sy ny Paositra Malagasy

Efa nanomboka ny taona 2008 no niara-niasa ny Airtel Madagasikara sy ny Paositra Malagasy, teo amin’ny sehatry ny fifanakalozam-bola. Niitatra indray izany fiarahana izany nanomboka omaly satria dia nifanaraka ny hanolotra ny fandefasam- bola amin’ny alalan’ny finday eny anivon’ny biraon’ny Paositra Malagasy miisa 200 ny roa tonta. Hosantarina ny 1 febroary ho avy izao io fitomboan’ ny fiarahan’ny Airtel sy Paositra Malagasy io.

Araka ny nambaran’i Heiko Schlittke, Tale jeneralin’ny Airtel dia sady azo ametrahana no isintonana vola Airtel Money. Tetsy andaniny i Ferdinah Boto, Tale jeneralin’ny Paositra Malagasy dia nanamarika ny finiavana amin’ny fanavaozana hanaraka ny fomba maoderina ny raharaha omen’ireo biraon’ ny Paositra Malagasy, tahaka izao fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny Airtel izao.

Maro amin’ireo birao 200 ireo no any amin’ny toerana lavitra sy tena ambanivohitra any. Ho betsaka ny ho afa-paha- sahiranana eo amin’ny sehatry ny fifandefasam-bola vokatr’izao fiaraha-miasa izao.

AR

Fifandraisan-davitra – Manitatra ny tambajotrany ny Airtel Fifandraisan-davitra – Manitatra ny tambajotrany ny Airtel

Mitohy ny ezak’ireo orinasam-pifandraisana ho fandrakofana ireo faritra tsy mbola tratran’ny tambajotram-pifandraisan-davitra. Ny kaominina ambanivohitra Mahavelona no nisantatra izany tamin’ity taona 2013 ity, ho an’ny orinasam-pifandraisana Airtel. 65 km miala ny renivohitra no misy io kaominina io.

Navoitran’i Heiko Schlittke, tale jeneralin’ny Airtel ny endrika fampandrosoana entin’ny fahamoran’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny fampidirana tambanjotra toy itony. Na ny kaominina na ireo fokontany 19 ao anatiny dia samy nozarain’ity orinasam-pifandraisana ity finday rahateo hanehoana izany. Toraka izany ihany koa tao Befanamy Toliara. Tsy adinon’ny Airtel ny namatsy vary, nizara kilalao sy vatomamy ho an’ ireo mpianatry ny Epp izay tohanany ao an-toerana.

AR

Airtel sy fanabeazana – Handrimbinana ny ampahany amin’ny saran-draharaha Airtel sy fanabeazana – Handrimbinana ny ampahany amin’ny saran-draharaha

Hiara-hiasa amin’ny tan-tsoroka ho an’ny fanabeazana ny orinasam- pifandraisana Airtel sy ny fikambanana tsy miankina «Aide et Action». Hisy ny vola angonina amin’ny alalan’ny saram- pidirana amin’ny raharaha Fun 5 sy Fun 15 atolotry ny Airtel amin’ny mpanjifany, mba hampitomboana izany kitapom-bola ho an’ ny seha-panabeazana imasoan’ny Ong « Aide et Action » izany.

Tsy vao izao akory no nitondra ny anjara birikiny amin’io sehatra iray io ity orinasam-pifandraisana ity. Ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana tena sahirana no isan’ny iantefan’ny fanampiany. Amin’ity fiaraha-miasa iray ity dia ny fanatsarana ny fahazoana sy ny kalitaon’ ny fanabeazana ho an’ ireo ankizy sy ny zazavavy tena avy amin’ny fianaka- viana sahirana eto Mada- gasikara no hokendrena.

AR

Asa sosialy – Hitohy ny tan-tsoroka ataon’ny Airtel Asa sosialy – Hitohy ny tan-tsoroka ataon’ny Airtel

Vaovao ny taona, saingy mitohy ny hetsika ara-tsosialy iantsorohan’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar. Isan’ny tena iompanan’izany fanampiana izany ny sehatry ny fanabeazana. Ankoatra ny tohana maharitra efa natomboka ho an’ny Epp Mahavelona Ankazobe sy ny Epp Befanany Toliara, dia hahazo anjara ihany koa ny Epp iray any Ambilobe.

Nifanojo tamin’ny fetin’ny faran’ny taona 2012 teo kosa ny hetsika samihafa nentin’ny sampana iray antsoina hoe Csd, nitondrana fanomezana ho an’ireo karazan’olona marefo, toy ny fizaràna kilalao ho an’ireo ankizy marary 39 tetsy Befelatanana sy ankizy 11 hafa mpirenireny eo ivelan’ity hopitaly ity.

Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ihany dia tafiditra ao anatin’ny tan-tsoroka omen’ny Airtel ny asa fanavaozana sekoly, fanomezana aron’akanjo, fitaovam-pianarana, fialam-boly mifandraika amin’ ny fanabeazana, fanohanana ara-tsakafo…

AR

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite