*Ao Raha: Inona
marina moa ity atao hoe varotra ara-drariny ifampiantohana?
-RAMAMONJISOA Mampionona: Ny Varotra ara-dRariny Ifampiantohana dia endri-pifanakalozana iray mifototra amin’ny fifanajana, ny mangarahara sy ny fifampiresahana mivantana eo amin’ny mpamokatra sy ny mpanjifa. Mitsinjo ny lafiny sosialy, toekarena ary ara-tontolo iainana izy, noho ireo fitsipika fototra izay mamaritra azy. Izany hoe ny mangarahara eo amin’ny fitantanana, ny fanomezana valin-kasasarana mendrika ny mpamokatra, ny fanomezan-danja ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fanajana ny zon’ny mpiasa sy ny zon’ ny ankizy, ny fanajana ny tontolo iainana, ny fitandroana ny kalitaon’ny vokatra, …

Sekretera mpanatanteraka Ancesm
Manambaka ny mpamokatra ireo mpanelanelana”
*AR: Efa mitoetra eto amintsika ve izy io?
-RM: Ny zava-misy dia mividy amin’ny vidiny zara raha misy ahafahan’ireo mpamokatra mivelona sy mampivelatra ny asany ireo mpanelanelana na mpandray entana na malagasy na vahiny, hany ka mampahantra ireo mpamokatra malagasy. Amidin’ireo mpanelanelana ambony mihoatra lavitra amin’ireo mpanjifa anefa izany vokatra vidina mora izany avy eo.
Mbola ireo mpamokatra ihany koa no tena liana amin’ity varotra ity, izay ahitana mpanao asa tanana 3 500 miampy mpisehatra amin’ny fanodinana sakafo, fambolena ary fizahan-tany eo amin’ny 2 000 ho an’ny Ancesm.
*AR: Inona izany no hetsika ataonareo mba hampisy ny varotra ara-drariny?
-RM: Hetsika fampaha- fantarana ny varotra ara-drariny tamin’ny alalan’ ireo tsenabe mahakasika ny varotra natao teto an-toerana no efa natao. Manohana ireo mpikambana amin’ny fanofanana ihany koa izahay ahafahan’izy ireo mifaninana amin’ny resaka kalitao. Eo ihany koa ny fiofanana mikasika ny fitantanana sy ny famaritana ny vidin’entana mba hahaizan’ireo mpamo- katra mandanjalanja izany, ka tsy hiteraka fatiantoka ho azy ary koa tsy hiteraka fahavoazana ho an’ny mpanjifa.
*AR: Inona no tena idiranareo an-tsehatra?
-RM: Hatreto aloha dia mbola eo amin’ny fanondranana entana mankany ivelany fotsiny ihany, satria ny any ivelany no mbola tena voasarika amin’ ity Varotra ara-drariny Ifampiantohana ity. Ny tanjona anefa dia ny mpanjifa rehetra no ho liana amin’izy io, ka isan’ izany ny eto an-toerana.
Hanitry Ny Aina









1 Fanehoan-kevitra