MATOKY TENA > Nohamafisin’ny pasi-tera Mailhol, filohan’ny fiangonana Apokalipsy indray omaly fa amin’ity taona ity no fotoana hametrahana azy eo amin’ny fitondrana. Nataon’ity farany ohatra tamin’izany ny fomba nametrahana ny Filoha teo aloha, Marc Rava-lomanana sy ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina teo amin’izay toerana izay.
TSY AN-KIATO > Hanohy fivoriana tsy an-kiato hatramin’ity faran’ny herinandro ity ireo mpikambana eo anivon’ny birao foiben’ ny Ffkm. Hanjohy azy ireo amin’izany ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy izay handinika ny fomba hoentina miroso amin’ ny fanelanelanana ho fandaminana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara.









0 Fanehoan-kevitra