Any an-drenivohitr’i Vakinankaratra no nosafidian’ireo olom-boatendry avy amin’ny ankolafy Ravalomanana hankalazana ny fetim-pirenena. Ireo lanonana ofisialy hotanterahina any an-toerana no hatrehan’izy ireo, araka ny fanazavan’i Mamy Rakotoarivelo, fa tsy hisy fety mitokana. Arakaraka ny maso mijery ihany aloha io, fa mety hisy handika ho fiezahana ny »hitoka-monina » izay fihetsika izay. Mety ho azo adika ho fampiharana ny fitsinjarana andraikitra ihany koa anefa. Mba mahazo anjara amin’ny fanotronana solontenam-panjakana ny faritra isan-tsokajiny. Aiza ho aiza amin’izay anefa ilay hoe fiaraha-mitantana? Filohana andrim-panjakan’ny tetezamita iray no tsy hanatrika ilay matso lehibe eny Mahamasina. Toy izao angamba izany hoe mpivady tsy miray fandriana e!. Ny misara-toerana tanteraka sisa tsy hatao noho ny tahotra ny vavan’ny olona…









0 Fanehoan-kevitra