Subscribe to RSS

Rallye Boeny andiany faha 8 – Tsy nampoizina ny fandresena azon’i Boom sy Berthin

Nahafehy tsara ny familiana sy ny lafiny teknika i Boom sy Berthin teto

Nahafehy tsara ny familiana sy ny lafiny teknika i Boom sy Berthin teto

Nampangitakitaka hatramin’ny farany ny fifaninanana nandritra ny andiany faha-8 tamin’ny «rallye Boeny», izay natao tany Mahajanga ny 16,17,18 aogositra lasa teo. Nilatsaka avokoa ireo mpanamory andrarezina sy nandrandraina tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy nampoizina, araka izany ny nahazoan’i Boom sy Berthin, ny voalohany, amin’ny filaharana ankapobeny.

Mpandray anjara 15 tamin’ny 26 izay nandray fiaingana ny alakamisy no nihintsana. Ny fahasarotan’ ny lalana no tena anton’ izany. Tany am-boalohany dia nety tsara sy zatra lalana ireo mpanamory, saingy tany amin’ny andro fahatelo, dia nihanisy lavaka ny lalana ary malama, ny vatokely koa etsy andaniny manipy. Manampy trotraka ireo rehetra ireo ny hafanana.

«Ny mpandray anjara rehetra dia afaka mandresy avokoa amin’ity rallye Boeny ity satria henjana dia henjana ny lalana sy ny fifaninanana. Saika olana teknika avokoa no nahavoa ireo  »favoris » tamin’ity», hoy i Jimmy Rakotofiringa, filohan’ ny federasiona malagasin’ ny taranja mekanika.

Nifandimbiasana ny laharana voalohany sy faharoa tao anatin’ny telo andro, indrindra tamin’ ny nanaovana ireo sedra manokana miisa 13.

Raha ho an-dRasolonirina Mamy Patrick (Boom) sy Randriamihaingo Berthin, nitondra ny Mitsubishi Evo X ary nandrombaka ny voalohany, dia efa ela no nanomanan’izy ireo ny fifaninanana. Efa manomboka voafehin’izy ireo ihany koa ny fiara sy ny lafiny teknika.
Samy mihazakazaka ny hanarina any amin’ ny fiadiana ny amboaran’ i Madagasikara avokoa izany sisa ireo mpanamory tsy tafavoaka tamin’ity andiany fahavalo amin’ ny Rallye Boeny ity. Mbola misy dingana telo rahateo no hatao amin’ity taona ity.

 

TjR/ Mahefa Rakotomalala

Vokatra

1-Solofonirina Mamy Patrick sy Randriamihaingo Berthin (Asacm): Mitsubishi Lancer EVO X Tecno )
2-Ratsihoarana Eric sy Young Nathanaël (Asa Tana): Subaru Impreza Akory Avao Sha
3-Rakotomavo Antonio sy Rakotomanga Henintsoa (Asacm/Acct): Subaru Impreza XXL Energy Drink
4-Ramiandrisoa Olivier sy Ramiandrisoa Haingoniaina (Asacm/Tmf Rally): Subaru Impreza Silhouette de l’Est
5- Rabekoto Thierry sy Andriamitsarasoa Mamy David (Asacm): Subaru Impreza Jap’s

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Rugby « TYop 14″ – Hiady hitarika vonjimaika  ny IRC sy Cosfa

Rugby « TYop 14″ – Hiady hitarika vonjimaika ny IRC sy Cosfa(0)

Hanamarika ny andro fahatelo ho an’ny  fiadiana ny ho tompondakan’ Analamanga, eo amin’ny baolina lavalava, diviziona voalohany ny fifandonana eo amin’ny ekipan’ny tanànan’Antananarivo sy ny miaramila. Izy ireo amin’izao fotoana izao no mitarika vonjimaika eo amin’ireo fileovana 14 mandray anjara amin’ity “top 14” Analamanga ity. Taorian’ny andro faharoa dia nanana isa sivy ny Iarivo Rugby Club, izay arahin’ny Cosfa akaiky amin’ny alalan’ny isa

Baolina kitra Analamanga – Hiato roa herinandro ny fifaninanan’ny “Ligue 1”

Baolina kitra Analamanga – Hiato roa herinandro ny fifaninanan’ny “Ligue 1”(0)

“Tsy mety intsony amin’izao ny tsy hampiarahana ireo lalao eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ Analamanga ho an’ny diviziona voalohany. Isan’ny antony nampiatoana roa herinandro ny fifaninanana izany”, hoy i Henintsoa Rakotoarimanana na i Tôta, filohan’ny ligin’Analamanga ho an’ny baolina kitra. Etsy an-danin’izany ihany koa ny tsy maha eto an-toerana ny Tana Formation, izay miatrika ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina. Hotontosaina any Seychelles

Handisport – Teknisiana 15  niverina an-dakilasy

Handisport – Teknisiana 15 niverina an-dakilasy(0)

Mpitantana ara-panatanjahantena 15 (Malagasy valo, Kaomôriana telo, Seiseloa roa ary Maorisiana) no mandray anjara amin’ ny fiofanana natokana ho an’ireo teknisiana misahana ny atleta manana faha- sembanana eny amin’ny ANS Ampefiloha nanomboka ny alarobia teo. Miompana amin’ny fampivelarana ny fampiasam- batan’ireo atleta ny fiofanana ka teratany Renioney, Annick Amavouty, avy ao amin’ny ligim-paritr’i La Réunion no mitarika izany. Manampy azy ny tale teknika nasionaly malagasy, José Rajaonah, avy ao amin’ny Madagascar Paralympic Committee

Beach soccer – Lavon’ i Sénégal sahady  ny Barean’ i Madagasikara

Beach soccer – Lavon’ i Sénégal sahady ny Barean’ i Madagasikara(0)

Vao nanomboka dia montsana. Lavon’i Sénégal tamin’ny isa mavesatra 7 no ho 3 ny Barean’i Madagasikara, omaly tamin’ny lalao fanombohana, amin’ny fifaninanana baolina kitra ambony tora-pasika, tany El Jadida Maraoka. Anio dia hifandona amin’ny ekipa mpampiantrano ny ekipam-pirenena malagasy. Rahampitso kosa izy ireo no hifampitàna amin’i Ghana. Mbola mila mitady fandresena roa izany ny Barean’i Madagasikara raha teo ho tafiditra ao anatin’ny dingana manasa-dalana. Raha tafavoaka izy ireo dia hifandona amin’izay voalohany ao amin’ny vondrona B. R.A

Minisiteran’ny fanatanjahantena – Hozongozonin’i Monja Roindefo  amin’ny toerany i Botralahy Gérard

Minisiteran’ny fanatanjahantena – Hozongozonin’i Monja Roindefo amin’ny toerany i Botralahy Gérard(0)

Na dia efa nanizingizina ny «tsy fahafahana maka minisitera» aza ny Praiminisitra Omer Beriziky, dia mbola mihevitra ny hanozongozona ny minisitra Botralahy Gérard amin’ ny sezany ihany i Monja Roindefo, izay filohan’ ny antoko Monima. Raha ny resaka mandeha dia mikasa ny hitondra vadintany eny Ambohijatovo izy ireo anio ary hanala ity minisitra natolotra tamin’ny anaran’ ny antoko ity, amin’ny toerany. Isan’ireo tsy marin- toerana ihany koa ny minisitry ny Angovo, Nestor Razafindroriaka, izay

Hijery hafa

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite