Subscribe to RSS

Raharaham-pitsarana – Nihena be ireo olona maka mpisolovava

Afaka manao asa maimaim-poana ihany koa anefa ireo mpisolovava arakaraka ilay raharaha

Afaka manao asa maimaim-poana ihany koa anefa ireo mpisolovava arakaraka ilay raharaha

Misy fiantraikany amin’ny asan’ny mpisolovava eto amintsika ihany koa ny krizy. Vitsy amin’ireo olona manana raharaha eny anivon’ny Fitsarana no maka ireny mpisolovava ireny amin’izao fotoana. Raharaham-pitsarana fito amin’ny 10 no voamarika fa tsy ahitana mpisolovava, araka ny hita teny amin’ny tribonaly Anosy.

Mahatsapa izany fihenana izany koa ny ankamaroan’ ireo mpisolovava. « Raha tafakatra hatramin’ny olona dimy isan-kerinandro no narovana teo aloha, dia lasa nihena telo izany na indraindray tsy misy mihitsy », araka ny fitarainan’ny mpisolovava iray. Voatery izy ireo araka izany nanamboatra sy mampidina ny saran’ny fiarovana olona iray.

Ny tsy fahampiana ara-bola avokoa no voalazan’ ireo olona nanontaniana fa tsy hirosoany amin’ny fakàna mpisolovava.

« Tena sakana tsy ahafahana maka mpisolovava tokoa ny tsy fananam-bola. Noheverinay ihany koa anefa fa raharaha tsy dia atahorana no mahavoasingotra anay », hoy ny fanehoan-kevitr’i Henriette  Rasoazanany izay voarohirohy nandrahona sy niteny ratsy olona.
Nanentana kosa anefa ireo mpisolovava fa matetika misy fiantraikany eo amin’ny raharaham-pitsarana ny tsy fangalana mpisolovava.

LR

1 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fahapoizinana ara-tsakafo – Olona telo araha-maso akaiky eny amin’ny hopitaly

Fahapoizinana ara-tsakafo – Olona telo araha-maso akaiky eny amin’ny hopitaly(0)

Tafakatra 80 mahery indray hatramin’ny omaly ireo tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo, tonga tetsy amin’ny hopitaly Hjra. Mbola ireo marary, nandritra ny fanatrehana lanonana nandritra ny mariazy miara-mizotra teny Itaosy hatrany ireo tonga nanatona hopitaly ireo. “Rehefa nojerena tany Itaosy ireo fianakaviana nanatrika lanonana dia mbola nahitana olona telo tena marary mafy ka voatery nampidirina eny amin’ny hopitaly Itaosy. Arahi-maso akaiky mihitsy ny fahasalaman’izy ireo”, hoy Dr  Rajemiarimoelisoa Felana, avy amin’ny sampan-draharaha manara-maso ny

Hopitalim-panjakana – Miato ora maromaro isan’andro  ny famatsiana oksizena

Hopitalim-panjakana – Miato ora maromaro isan’andro ny famatsiana oksizena(0)

Olana mbola tsy mety voavaha. Ny vahoaka madinika hatrany no iharan’ny tsy rariny. Mbola tsy milamina hatramin’ izao ny famatsiana oksizena eny anivon’ny hopitalim-panjakana eto an-drenivohitra. Voalaza fa ny mbola tsy nandoavan’ ny minisiteran’ny Fahasalamana ny volan’ ny mpamatsy oksizena hatrany no mahatonga izany. « Voatery amboarina ny fandefasana oksizena eto amin’ny hopitaly. Atsahatra izany manomboka amin’ny 1 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina », hoy ny mpitsabo iray etsy

Sekoly katolika – Efa vonona amin’ny fana- dinam-panjakana rehetra

Sekoly katolika – Efa vonona amin’ny fana- dinam-panjakana rehetra(0)

Notontosaina tetsy amin’ny sekoly Esca Antanimena, omaly ny andron’ny sekoly katolika eto Antananarivo. Samy nandefa ny solontenany teny avokoa ireo sekoly katolika teto an-drenivohitra sy ny manodidina. «Ny anio ny ho avy fa tsy ny ampitso», io no teny filamatr’ireo sekoly rehetra nentina nanamarihana ity andron’ny sekoly katolika ity. «Efa fanao isan-taona ny hetsika sahala

Andron’ny zava-boary – Miharitra ny rano noho  ny fiovaovan’ ny toetr’andro

Andron’ny zava-boary – Miharitra ny rano noho ny fiovaovan’ ny toetr’andro(0)

Malaza amin’ny fananana karazan-java-boary maro i Madagasikara. Mihena anefa ny habetsahan’ny rano noho ny fiovaovan’ ny toetr’andro. Io rano io no fototra iorenan’ireo karazan-java-boary. Anisan’ireo tena mila rano betsaka indrindra ny fambolem-bary. Tsy mitsaha- mikaroka izay fomba entina hampiroboroboana ny sehatry ny fambolem-bary anefa ireo manam-pahaizana malagasy. «Mitarika ny faharitan’ ny rano ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ny firenena tsirairay dia tokony hijery

Fanambadiana ho an’ny rehetra – Lalàna tokana mampivady ny lahy  sy ny vavy ihany no misy eto

Fanambadiana ho an’ny rehetra – Lalàna tokana mampivady ny lahy sy ny vavy ihany no misy eto(0)

Samy manana ny heviny ireo vahoaka malagasy manoloana ny faneken’ny tany Frantsa ny fanambadian’ny lahy sy ny lahy na ny vavy sy ny vavy. Ny lalàna eto amintsika anefa rehefa notomorina dia hita fa tsy mankasitraka izany. “ Ny lalàna momba ny fanambadiana eo amin’ ny samy hafa taovam-pananahana ihany no manan-kery eto amintsika. Nosokajian’ny Fitsarana ho anisan’ny mifanohitra amin’ny natiora ny fiarahana na firaisan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy”, hoy Ralambondrainy Rakotobe Nelly, filoham-boninahitra voalohany ao amin’ny Fitsarana Tampony. “Tsy mifanaraka amin’ny maha Malagasy mihitsy izany fomba izany. Ny zanaka no harena ho an’ny Malagasy, nefa

Hijery hafa

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite