Subscribe to RSS

Raharaha Remenabila – Omby an’arivony maro miparitaka any anaty ala

Dimy andro vao mety ho voangona ireo omby miparitraka any Esira sy Iabohazo

Asa hafa fanampiny ho an’ireo mpitandro ny filaminana mampandry tany sy manenjika an-dRemenabila sy ny tariny any Befotaka indray koa izao ny fanangonana ireo omby an’arivony maro miparitaka any anaty ala manodidina an’Iabohazo sy Esira.

Omby avy nangalarin’ireo dahalo avokoa ireo votsotra ireo, araka ny fantatra. Voalazan’ireo mpitandro ny filaminana any an-toeana anefa fa tsy ho mora ny fanangonana ireo omby ireo noho ireo toerana misy azy ireo mifanalavitra.

« Avy eny ambony helikoptera no nahitana ireo omby ireo. Miezaka manangona ireo omby rehetra ireo izahay izao mba hahatongavan’izy ireo ao Esira. Rehefa nihahenjana ny fikarohana an-dRemenabila tanterahin’ny mpitandro ny filaminana dia votsotra avokoa ireo omby ireo satria dia voatery miafina ireo dahalo. Tombanana ho manodidina ny efatra na dimy andro anefa vao mety ho voaangona avokoa ireo omby ireo », hoy ny mpampita vaovao avy amin’ny zandary any an-toerana.

Mbola mitohy hatrany anefa, etsy ankilan’izay ny fikarohana an-dRemenabila. « Tsy mbola misy mieritreritra ny hody ny mpitandro ny filaminana aty. Efa nanome toky rahateo ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Randrianazary fa tsy maintsy ho voasambotra io lehiben’ny dahalo io na ho ela na ho haingana », hoy ihany ny loharanom-baovao.

 

Faralala

 

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Betroka – Olon-tsotra roa maty voatifitra,  dahalo roa nodoran’ny fokonolona

Betroka – Olon-tsotra roa maty voatifitra,  dahalo roa nodoran’ny fokonolona(0)

Manova paikady ny dahalo any amin’ny faritr’i Betroka amin’izao fotoana izao. Tsy mangalatr’omby intsony izy ireo fa mandroba sy mandoro trano indray. Olon-tsotra roa no maty ary dahalo roa kosa no nodoran’ny fokonolona nandritra ny fanafihana tanàna efatra nataon’ny malaso maromaro, tany an-toerana, ny 18 mey teo tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Lasibatra voalohany tamin’izany ny tanànan’i Manitsy. Tsy afa-po tamin’ izany ireo dahalo ka mbola nanohy ny diany tany Tanambao. «Olona iray no voatifitra tamin’izany ary trano iray no voatafika. Vola Ar 50 000 sy kavina volamena no lasan’ireo olon-dratsy», hoy ny tatitra avy amin’ny zandarimaria any an-toerana.

Maevatanana – Kalachnikov  iray sy bala 39 nentina tany anaty kitapo 

Maevatanana – Kalachnikov  iray sy bala 39 nentina tany anaty kitapo (0)

Olona telo nitondra basy no nifanenjehan’ny zandary tany Antanim-bary Maevatanàna ny 19 mey teo, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. «Olona tsara sitrapo no nampandre ny zandary amin’ny fisian’ ireo olona ireo ka nidina tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Rehefa tonga tany an-toe-rana ireo zandary dia nifanehatra tamina lehilahy telo nitondra kitapo, teo anoloan’ny hôpitaly ao Antanimbary. Nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy ka raikitra ny fifanenjehana», hoy ny tatitra voaray avy any an-toerana. Raha ny fantatra dia noho ny hamaroan’ny olona nifamezivezy no tsy nahafahan’ireo zandary niti- fitra ka afaka nitsoaka ireo olona telo nampiahiahy. «Latsaka anefa ilay sakaosy nentin’ireo olona ireo ka rehefa natao ny fisavana dia basy kalachnikov iray niaraka tamin’ ny bala 39no tao», hoy ihany ny tatitry ny mpitandro ny filaminana avy any an-toerana. Noraisina avy hatrany ny fepetra ka nosakanana avokoa ireo fiara rehetra nandalo, hitadiavana ireo olona telo ireo. H.R.

Tapatapany

Tapatapany(0)

Niverin-dalana > Niverina ireo fokonolona nanara-dia omby 60 nalain’ny dahalo tany Bevoay Betroka ny 19 mey teo, tokony ho tamin’ ny 10 ora alina, rehefa tonga teo amin’ny toerana antsoina hoe Angiry. Voa-laza fa tanànan-dRemena-bila io tanàna io ka izay no nampiverina ireo mpanara-dia. Niantso heli-koptera ireo mpanara-dia saingy tsy afaka mihetsika io raha tsy amin’ny alakamisy ho avy izao. Fetin’ny Pentekosta >  Lozam-pifamoivoizana fito no fantatra fa niseho teto Antananarivo sy ny manodidina nandritra iny fetin’ny Pentekosta iny, raha ny tatitra azo teo anivon’ny zandarimaria-pirenena. Teny amin’ny lalam-pirenena fahafito no nisehoan’ny dimy tamin’ ireo ka ny telo dia teto amin’ ny faritra Analamanga avokoa ary ny roa tany amin’ny faritra Vakinanka-  ratra, ny iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ary ny iray teny amin’ny lalam-pirenena faha-54. Fitaovam-piadiana nafenina > Fitaovam-piadiana mahery vaika maro-maro nilevina tao anaty tany no saron’ny zandary tany Mangarano Toamasina, ny 17 mey teo. Basy AKM 2 niaraka tamin’ny bala 42, ary grenady efatra no sarona tamin’ izany. Fakàna vola an-tsoko-soko > Tafakatra 24 amin’ izao fotoana izao ireo olona voarohirohy saika haka vola tao amin’ny Banky Foibe ka voasambotry ny polisy. Misy mpiasa ao amin’ny banky ny sasany amin’ireo olona ireo. Voafaokan’ny fiara > Zandary iray miasa ao Ambohimangakely no naratra mafy nofaohin’ny fiara ny 20 mey teo, tokony ho tamin’ny 8 ora maraina. Nanosika fiara nisy fahasimbana no naha- voadona azy. Nentina avy hatrany namonjy hôpitaly izy taorian’izany. Hita faty > Lehilahy iray no hifa faty tao anaty alan- kininina tany Ambalavao-kely ,any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, ny 18 mey teo, tokony ho tamin’ ny 1 ora tolak’andro. Niala tamin’ny tendany ny lohan’io lehilahy io tamin’ ny fotoana nahitana azy. Zava-mahadomelina > Menaka rongony 5 litatra sy rongony 2 kilao no saron’ ny zandary tany Tolagnaro, ny alahady teo. Ramatoa iray no nahatrarana ireo zava-mahadomelina ireo. Nanondro namana hafa izy tamin’izany ka olona roa no nosamborina niaraka taminy.

Faran’ny herinandron’ny Pentekosta – Olona telo maty,  264 naiditra hôpitaly, enina toran’ny toaka

Faran’ny herinandron’ny Pentekosta – Olona telo maty,  264 naiditra hôpitaly, enina toran’ny toaka(0)

Ankizilahikely iray no maty an-drano, tetsy Ankadikely Ilafy, ny alahadin’ny Pentekosta teo. Tonga teny an-toerana mpamonjy voina saingy efa tafavoakan’ ny fokonolona ilay vatana mangatsiaka. Ramatoa iray ihany koa no fantatra fa maty no-faohin’ny kamiao, tany Ambohidratrimo, ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany maraina. Ankoatra ireo dia razana tovolahy iray 23 taona ihany koa no nisy nanatitra teny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andria­navalona. Tsy mbola voafa-ritra izay antony nitarika ny fahafatesany. Raha ny tarehimarika avy eo anivon’ity hôpitaly ity ihany dia nisy olona telo nodimandry tao, ny sabotsy teo. Amin’ny ankapobeny aloha, raha ny tarehimarika mahakasika ireo loza niseho nandritra ny fetin’ny Pentekosta dia hita ho nihena raha nitaha tamin’ny fetin’ny Paska. Raha nahatratra 380 ireo voatery nomena fitsa­boana teo anivon’ity hôpitaly lehibe indrindra eto Madagasikara ity tamin’ny fetin’ny Paska dia 264 kosa izy ireo tamin’ity fetin’ny Pentekosta ity. Tarehimarika voaangona nanomboka ny sabotsy 18 mey teo io. Nandritra ny tontolo andron’ny fetin’ny Pentekosta kosa dia 56 no isan’ireo marary naiditra tao amin’ity hôpitaly ity ihany. « Ratra vokatry ny adiady no tena maro tamin’ ireo olona niditra tato aminay. Manaraka azy eo kosa ny lozam-pifamoivoizana izay azo lazaina ho nihena tamin’ity fety ity », hoy ny nambaran’ny mpitsabo iray eo anivon’ity hôpitaly ity. Raha ny teo anivon’ny Hjra hatrany dia enina ireo tsy nahatsiaro tena noho ny toaka notsaboina tao, ka lehilahy ny 5 tamin’ireo ary vehivavy kosa ny iray. Haja Randrianantoandro

Fisolokiana Banky foibe – 13 lahy saika haka vola 20 miliara Ar saron’ny polisy

Fisolokiana Banky foibe – 13 lahy saika haka vola 20 miliara Ar saron’ny polisy(0)

Olona 13 voarohirohy ho nikasa haka vola 20 miliara Ar tao amin’ny Banky Foibe, etsy Antaninarenina, no saron’ny polisy ny zoma tolakandro teo, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany. « Nitondra fiara 4×4 dimy izy ireo ka niditra tsiroaroa sy tsitelotelo tao amin’ny Banky foibe. Rehefa haka volabe sahala amin’izany mantsy ao amin’ ny banky dia tsy maintsy miaraka tsiroaroa na tsite­lo­telo satria tsy maintsy misy mibata ireo vola rehefa avoaka », hoy ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ity banky ity. « Rehefa tafiditra tao amin’ny banky izy ireo dia nizara dimy ary samy nitondra taratasim-bola 4 miliara ariary avy. Taratasim-bola sandoka avy ao amin’ny Tahirim-bolam-panjakana no saika nampiasain’ireo olona ireo tamin’ity fikasan-dratsiny ity. Vao tonga teo amin’ny toerana fakam-bola dia fantatra fa sandoka ireo taratasy nokasaina hakana izany ka nampanenoana ny fanairana. Ny tena nahavariana tamin’ireo taratasim-bola sandoka ireo dia sonia ara-dalàna avy eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana no nangalarin’izy ireo », hoy hatrany ilay loharanom-baovao. Tonga teny an-toerana nisambotra ireo olona ireo ny avy amin’ny polisy ara-toekarena ka tratra avokoa izy ireo niaraka tamin’ireo dimy lahy mpamilin’ireo fiara 4×4. Mbola tazomina etsy amin’ny biraon’ny polisy mi-sahana ny ady heloka bevava ireo voarohirohy rehetra amin’izao fotoana izao. H.R

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite