
Raha ny fampitam-baovao ihany dia efa fantatra ankehitriny ireo fitaovana eo am-pelantanan’ity dahalo raindahiny namono nahafaty zandary valo sy miaramila avy amin’ny Tafika roa ity.
« Misy ny loharanom-baovao milaza fa any anaty lava-bato i Remenabila no miafina. Basy « kalachnikov » roa, « fusil semi-automatique » iray, basy « alarme » iray ary basim-borona maromaro no any amin’izy ireo », hoy hatrany ny voalazan’ny loharanom-baovao.
Saiky voatetin’ireo mpampandry tany avokoa ny tanàna rehetra manodidina an’Iabohazo izay namaharan-dRemenabila sy ny tariny. « Tsy misy na inona na inona intsony any amin’ireo tanàna ireo fa efa haolo avokoa. Taorian’ny fifandonana ny 9 jona io dia tsy nisy intsony ny fifampitifirana tamin’ireo dahalo. Ny fampiasana helikoptera »Alouette II » an’ny tafika malagasy no hikarohana an-dRemenabila, miainga amin’ny fanomezam-baovao avy amin’ireo mponina manodidina », hoy ihany ny loharanom-baovao. Ny kolonely isany Ramaroson Joseph sy Randriambololona Lala Michel avy amin’ny Tafika an’habakabaka no fantatra fa manamory ilay helikoptera any an-toerana.
Faralala








0 Fanehoan-kevitra