Na tsy nety niresaka mahakasika ilay fahafatesan’olona tany Ambositra aza ny minisitry ny Fila-minana anatiny, omaly, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety dia nilaza kosa ireo mpiara-miasa aminy fa « sarotra tamin’ ireo polisy tany Am-bositra no nanavaka ny jiolahy sy ny tompon’ny trano voata-fika satria maizina ny andro tamin’izy ireo tonga hanavotra an’ ireo tompon-trano nisy nanafika ».
Mahakasika ilay polisy indray dia fantatra fa efa mandeha izao ny famotorana any an-toerana, satria ain’olona no nafoy. Tokantrano iray no nisy nanafika ny ala-tsinainy vao maraina be tokony tamin’ny roa ora tany Ambo-sitra. Naharay antso ny polisy ka tonga tany an-toerana. Voatifitra tsy nahy tao anatin’ny fifanjevo-ana ny renim-piana-kaviana tao an-trano.
Faralala









1 Fanehoan-kevitra