Ny fitiavana manampy sy manohana no naha reny mpiahy ny rugby azy

Amadaly Sakina, no tena anarany. Perle Noire, izay anaran’ireo trano fandraisam-bahininy any Nosy-Be, sady anarana ahafantaran’ny olona azy ihany koa no anarana entiny eo amin’ny sehatry ny mozika. Tamin’ny 2009 izy no namoaka ny rakikira voalohany, «Mifankatiava». Tamin’ny volana mey, kosa no niatombohan’ny tantarany sy ny baolina lavalava.
«Niainga tamin’ny fikarohana ny fanatanjahantena matanjaka eto Madagasikara ny fifandraisana», hoy i Perle Noire. «Rehefa izany dia nisy ny fitsidihina sy ny fihaonana samihafa tamin’ireo mpitarika sy ny mpilalao teny amin’ny kianjan’i Malacam ary nanomboka tamin’ny fanolorana boalina telo izany», hoy ihany izy.
Nandritra io fitsidihina io no nahitan’ity mpanakanto sady mpilatro ity no nahitany ny fahavonana sy ny ezak’ireo mpilalao. Tranga izay namoha indray ny fitiavany manampy sy manohana ireo miezaka ary nipetraka teo ny naha reny mpiahy azy. Amin’ny maha reny azy, dia sady manohana ara-tsaina no manohana ara-pitaovana ireo mpilalao lavalava i Perle Noire ary saika efa nanaovany izany ireo sokajy rehetra, tanora, vehivavy ary ny ekipa nasionaly.
Etsy ankilan’izay, lasa loharanon’aingam-panahy ho an’i Perle Noire ihany koa io andraikiny io, ka anisan’ny vokatr’izany ny hira manokana ho an’ny Makis, izay nanakoako nandritra ireny CAN 2012 ireny. «Tsy natao ho an’ny lavalava ihany iny hira iny fa natao ho an’ny Malagasy rehetra. Mba karazan’ny waka waka nataon’i Shakira tamin’ny baolina kitra ireny e», hoy izy.
Hazakazaka arahin-tosika ny namokaran’i Perle Noire sy ny tariny ny hira «Akamanay mahery», tao anatin’ny dimy andro no namokarana ny rindran-tsary
Mozika sy lamaody
Mandeha mankany ivelan’i Madagasikara matetika izy, ary amin’izany fivoahana izany no hitarafany ny lamaody hiaka farany. Mahasarika an’i Perle Noire kosa anefa ny fitafiana manaitra (Sexy) nefa mihaja. Izany hoe akanjo manara-batana, nefa tsy mihoatra ny mety. Ankoatra ny loko mainty, dia anisan’ny mahasarika azy kosa ny loko fotsy sy ny «rose fushia»
Sakafo
Tsy tia ireo karazana sakafo matavy i Perle Noire. Ankafiziny kosa anefa ny sakafo voajanahary, indrindra ny haza an-dranomasina sy ny romazava. Ankafiziny ihany kosa ny karazam-boankazo samihafa
Fandaharam-potoana
Eo am-piketrehana ny rakikira fahatelo izay heveriny hatolotra ny mpankafy amin’ny fiandohan’ny taona ho avy i Perle Noire, amin’izao fotoana. Mifanindran-dalana amin’izany koa anefa ny fitetezam-paritra ka anisan’ny handraisany anjara ny «Sorogno», izay hatao any Ambilobe ary hitohy amin’ireo seho any amin’ny faritr’i Sava.
Akamanay mahery
Agnabo tanantsika e ya
Agnabo moralintsika jiaby e
Anarô koa tsy hiaraka aminay
zay tsy havy arô tavela e ya
Agnabo tanantsika e ya
Agnabo moralintsika jiaby e
Mahery miaraka aminay
zay tsy havy arô tavela e ya
Mahery zahay tsy mimpody afara
Hampandroso an’i Gasikara
Tanora tsy mainty mikarakara
Ho avin’ny taranaka amam-para
Mahery miaraka aminay
zay tsy havy arô tavela e ya
Mahery zahay tsy mimpody afara
Hampandroso an’iGasikara
Tanora tsy mainty mikarakara e
Ho avin’ny taranaka amam-para
Anarô koa tsy hiaraka aminay
zay tsy havy arô tavela e ya
Agnabo tanantsika e ya
Agnabo moralintsika jiaby e
Anarô koa tsy hiaraka aminay
zay tsy havy arô tavela e ya
Agnabo tanantsika e ya
Agnabo moralintsika jiaby e
Mahery miaraka aminay
zay tsy havy arô tavela e ya
Antsika mila mandeha aloha
Tsy mila mitodi-doha
Tsy mila mitodi-doha
Miaraka antsika mandeha aloha
Mahery miaraka aminay
zay tsy havy arô tavela e ya
Antsika mila mandeha aloha
Tsy mila mitodi-doha
Tsy mila mitodi-doha e
Miaraka antsika mandeha aloha
Mahery miaraka aminay
zay tsy havy arô tavela e ya
Agnabo tanantsika e ya
Agnabo moralintsika jiaby e
Anarô koa tsy hiaraka aminay
zay tsy havy arô tavela e ya
Agnabo tanantsika e ya
Agnabo moralintsika jiaby e
Mahery miaraka aminay
zay tsy havy arô tavela e ya
ho ho ha ha
Alefa aah , romboa zalahy e
ho ha ho ho ha ha
ho ha ho ho ha ha
Zay malemy tsy namanay,
Zay malemy tsy namanay,
Zay malemy tsy namanay,
Zay malemy tsy namanay,
akamanay mahery e,
akamanay matanjaka,
akamanay mahery e,
akamanay matanjaka
Zay, Zay, Ao
Mahery miaraka aminay e
Mahery miaraka aminay e
Mahery miaraka aminay e
Mahery miaraka aminay zay tsy havy arô tavela e ya
Asio Asio Asio Asio Asio ooéé
Eka ry havakô !
mila miaraka antsika jiaby,
na ny lehilahy, na ny magnangy,
ndraikin’ity tsy hisangisangy,
handroso aloha tsy himpody afara,
tongava malaky aza tara,
tena ampiakatr’i Gasikara,
antsika managna espoir,
zegny koragnan’i Perle Noire e
ho ho ha ha
Mahery miaraka aminay e
Mahery miaraka aminay e
Mahery miaraka aminay e
Mahery miaraka aminay zay tsy havy arô tavela e ya
ho ho ha ha








0 Fanehoan-kevitra