Niverina tamin’ny heviny. Tapaka nandritra ny filankevitra nasionalin’ ny mpampianatra mpikaroka (Seces) omaly fa hampihantona ny fampianarana indray izy ireo. « Tsy nanatanteraka ny zavatra nampa- nantenainy ny fanjakana. Nanapa-kevitra araka izany ny filankevitra nasionaly hampiato tanteraka ny fampianarana. Ahantona ihany koa ny fidiran’ny taom-pianarana vaovao », hoy Rakotondrainibe Simon Richard, filoha nasionalin’ny Seces.
Famenoana ny tambin- karama ho Ar 150 000 sy ny fampiharana ny « indice » teo aloha mankao amin’ ny « indice » vaovao no takian’ ireto mpampianatra ireto. Hentitra izy ireo nilaza fa tsy hisy intsony ny fifampi- raharahana ankoatra ny fampiharana ireo. Nilaza kosa anefa izy ireo fa hamita ny taom-pianarana mbola tsy vita sy ny fanadinana rehetra.
LR









0 Fanehoan-kevitra