
Tsy lany ho filoha hitantana ny oniversiten’ Antananarivo intsony Andriantsimahavandy Abel, raha araka ny valin’ny fifidianana notontosaina omaly. Ny profesora Ramanoelina Panja no nitarika tamin’ny isan’ny vato azo. Teo amin’ny laharana faharoa kosa ny Filoha teo aloha. Raha ny vokatra taorian’ny fifidianana izany no zohiana dia ny Pr Ramanoelina Panja indray no hitantanana ny oniversiten’Antananarivo, ao anatin’ny telo taona manaraka. “Izy avokoa no nitarika ny filaharana mane- rana ny sampam-pianarana rehetra, hatramin’ny mpan- draharaha”, hoy Randrian-tiana Richard, komity nikarakara ny fifidianana.
Manodidina ny 2 300 ireo tokony hifidy. Isan’ny fanambin’ny Pr Ramanoelina Panja ny fanatsarana ny fomba fitantanana eny amin’ ny oniversite, mba tsy hiverenan’ny fitokonana lavareny sy matetika intsony. Eo ihany koa ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’ny oniversite hafa sy ny fitondrana tsara tantana.
LR
0 Fanehoan-kevitra