Nisy fiantraikany teo amin’ny sain’izy enina mianadahy, zanak’i Lova Hanitriniala, ilay renim-pianakaviana maty teo am-piterahana tetsy amin’ny hopitaly Befelatanana, ny nahafatesan’ny reniny.
« Voatery nifindra trano fonenana izahay, noho ireo ankizy tsy mitsahatra ny mitanisa sy mahatsiaro ny reniny », hoy Rambeloson Mirindrasoa Salomon, vadin’ny maty.
Voapetraka omaly teny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ny taratasy fitoriana ny sampandraharaha sy ny tompon’andraikitra niasa tao amin’io toeram-piterahana io tamin’ny fotoana nitondrana ilay renim-pianakaviana hiteraka tao, ny 08 aogositra lasa teo.
« Nangataka ny fampiharana ny sazy izahay sady mangataka onitra, noho ny amin’ireo ankizy ireo », hoy ny fanazavan’ny solontenan’ny fianakaviana. Nilaza ihany koa ny fianakaviana fa ho fanairana ny sain’ny tompon’andraikitra momba ny tandrevaka mety hiseho eny amin’ny toeram-pitsaboam-panjakana no isan’ny anton’izao fitoriana izao.
MR









0 Fanehoan-kevitra