Tovolahy roa, 15 sy 17 taona zanak’olona mpirahavavy, mipe-traka eny Ambohi-mandroso Ivato no maty nifatratra tany amina fiara be mpitondra tany teny Man- drosoa Ivato, omaly tolakandro tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany teo. Nitaingina môtô izy roa lahy ireto.
Araka ny fanazavan’ ny reniben’ireto namoy ny ainy dia « efa naheno resaka teny an-tanàna izy ireo nilaza fa misy olona maty voadonan’ ny kamiao eny Man-drosoa, fa tsy mbola nisy nieritreritra fa ho izy roa lahy tokoa izany ».
Voalaza fa nanamafy rahateo ny sefo fokontany fa tsy olona avy ao an-tanàna ireo niharam-boina, ka izay no tsy dia sy nisy naha- taitra ny rehetra teny am- piandohana.
Naterina teny amin’ ny tranom-patin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andri-anavalona Ampe-filoha ireo razana.
Haja R.









0 Fanehoan-kevitra