Mpandraharaha iray any Manakara ihany no fantatra fa mitory an-dRakamisilahy Martial, ka hiakaran’ity Lehiben’ny faritra Vatovavy Fitovinany teo aloha ity eny amin’ny Fitsarana anio. Ny taona 2011, nandritra ny fotoana mbola nitantanany ny faritra no fantatra fa nitrangan’ny olana.
Fanamparam-pahefana, fakàna vola tsy amin-drariny sy fakàna vokatra jirofo no itorian’ity mpandraharaha ity an-dRaka-misilahy Martial.
Voalaza ho tsy nahaloa hetra ilay mpandraharaha ka nanaovan’ny tompon’ andraikitry ny faritra bemi-dina tany an-tranony. Tamin’ ny fitoriany no nilazan’ilay mpandraharaha fa nisy jirofo an-taonina maro nalaina tao an-tranony ary nilaza ihany koa izy fa nakana vola, ambonin’izay.
Ireo akaiky ny Lehi-ben’ny faritra teo aloha anefa dia manizingizina fa « zavatra tsy misy fa nofo-ronina mba entina handotoana azy ity fitoriana ity ».
Faralala








0 Fanehoan-kevitra