
Vonona hiatrika ny fanamby hamerenana ny hasin'ny tanàna sy ny mponina ny kaominina Antananarivo, hoy ny Pds Edgard Razafindravahy (havia)
Hifanampy amin’ ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra mba hiarovana ny olona ao aminy amin’ ny loza samihafa ny sampan’ ny Firenena Mikambana, toy ny fikambanana miahy ny reny sy ny zaza (Unicef), ny fikambanana momba ny toeram-ponenana (UN Habitat), ny fikambanana misahana ny mponina (Unfpa) sy ny Birao mian- draikitra ny raharaha maha olona (OCHA). Nisy ny fifanarahana nifanaovan’ izy ireo tetsy amin’ny hotely Panorama Andrainarivo omaly. Hanampy ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua) izy ireo hahazoana misoroka ny loza tsy ampoizina. Omaly ihany dia efa natomboka ny fijerena ireo tranga mety hitera-doza eto an-dreni- vohitra. Fantatra fa fokon- tany 25 amin’ireo faritra tandindonin-doza indrindra no hampiharana izany.
”Na eo aza ny fikororo- sofahan’ny fiainana an-tanàn- dehibe, toy ny fanimbana ny fananana iombonana, ny fitomboan’ny mponina be loatra, izay mahatratra 4,6% isan-taona sy ny fitomboan’ny mpifindra monina 130 000 na 140 000 isan-taona, dia vonona hiatrika ny fanamby hamerenana ny hasin’ny tanàna sy ny mponina ao aminy ny kaominina eto Antananarivo Renivohitra isika”, hoy ny PDS-n’ Antananarivo renivohitra, Razafindravahy Edgard.
Hisy fanamafisana orina ireo rafitra sosialy efa ampiharina ankehitriny. Notsindrian’ny PDS-n’ Antananarivo ny tokony hano- mezana sata manokana ny tanànan’Antananarivo. Nase- hony ny faniriany hametraka lamina fampandrosoana ho an’ny tanàn-dehibe.
B.A









0 Fanehoan-kevitra