Kasain’ny federasiona malagasin’ny baolina lavalava hotontosaina eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka manomboka amin’ny 19 janoary ho avy izao ny fiadiana ny amboaran’ny Filoha, izay atomboka avy hatrany amin’ny ampahefa-dalana, araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny federasiona. “Na izany aza anefa dia miankina amin’ny Fiadidiana ny tetezamita izany satria ny eo amin’ny lafiny ara-teknika no horaisinay an-tanana fa ny fikarakarana rehetra dia ho an’io rafitra io”, araka io loharanom-baovao io hatrany. Ny bozaka eny an-toerana anefa dia mbola tsy tena velona tsara noho ny fanosena azy nandritra ny fitokanana io “Tempolin’ny Rugby” na “Kianja Makis” io.
R.A










0 Fanehoan-kevitra