Subscribe to RSS

Lalao « Airtel » – Hafatra an-tariby roa, nahazoana fiara iray

Nitsikian’ny vintana. Hafaliana ny an-dRakoto- nantoanina Andriantahiry nahazo fiara tao anatin’ny fahanterany. 70 taona ity raim-pianakaviana ity. Izy no isan’ireo mpanjifan’ny orinasam-pifandraisana Airtel nitsikian’ny vintana, ka nahazo ilay fiara Chevrolet Spark, nandritra ny lalao «Chooze your prize» natao teo anelanelan’ny 28 febroary 2012 hatramin’ ny 27 mey lasa teo.

Hafatra an-tariby roa no nalefany ka nahazoany io loka lehibe io. Mpilalao 30 mianadahy izy ireo no niara-nahazo loka tamin’ izany ka ireo niara-nahazo loka tamin’ity raim-pianaka- viana ity dia nampidirana vola tany amin’ny kaonty Airtel Money-ny.
Tsy sarotra ny lalao. Mamaly ny fanontaniana apetraky ny Airtel amin’ ny hafatra an-tariby dia mety hahazo fiara toa an-dRakotonantoanina Andriantahiry.

AR

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Faran’ny herinandron’ny Pentekosta – Olona telo maty,  264 naiditra hôpitaly, enina toran’ny toaka

Faran’ny herinandron’ny Pentekosta – Olona telo maty,  264 naiditra hôpitaly, enina toran’ny toaka(0)

Ankizilahikely iray no maty an-drano, tetsy Ankadikely Ilafy, ny alahadin’ny Pentekosta teo. Tonga teny an-toerana mpamonjy voina saingy efa tafavoakan’ ny fokonolona ilay vatana mangatsiaka. Ramatoa iray ihany koa no fantatra fa maty no-faohin’ny kamiao, tany Ambohidratrimo, ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany maraina. Ankoatra ireo dia razana tovolahy iray 23 taona ihany koa no nisy nanatitra teny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andria­navalona. Tsy mbola voafa-ritra izay antony nitarika ny fahafatesany. Raha ny tarehimarika avy eo anivon’ity hôpitaly ity ihany dia nisy olona telo nodimandry tao, ny sabotsy teo. Amin’ny ankapobeny aloha, raha ny tarehimarika mahakasika ireo loza niseho nandritra ny fetin’ny Pentekosta dia hita ho nihena raha nitaha tamin’ny fetin’ny Paska. Raha nahatratra 380 ireo voatery nomena fitsa­boana teo anivon’ity hôpitaly lehibe indrindra eto Madagasikara ity tamin’ny fetin’ny Paska dia 264 kosa izy ireo tamin’ity fetin’ny Pentekosta ity. Tarehimarika voaangona nanomboka ny sabotsy 18 mey teo io. Nandritra ny tontolo andron’ny fetin’ny Pentekosta kosa dia 56 no isan’ireo marary naiditra tao amin’ity hôpitaly ity ihany. « Ratra vokatry ny adiady no tena maro tamin’ ireo olona niditra tato aminay. Manaraka azy eo kosa ny lozam-pifamoivoizana izay azo lazaina ho nihena tamin’ity fety ity », hoy ny nambaran’ny mpitsabo iray eo anivon’ity hôpitaly ity. Raha ny teo anivon’ny Hjra hatrany dia enina ireo tsy nahatsiaro tena noho ny toaka notsaboina tao, ka lehilahy ny 5 tamin’ireo ary vehivavy kosa ny iray. Haja Randrianantoandro

Fisolokiana Banky foibe – 13 lahy saika haka vola 20 miliara Ar saron’ny polisy

Fisolokiana Banky foibe – 13 lahy saika haka vola 20 miliara Ar saron’ny polisy(0)

Olona 13 voarohirohy ho nikasa haka vola 20 miliara Ar tao amin’ny Banky Foibe, etsy Antaninarenina, no saron’ny polisy ny zoma tolakandro teo, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany. « Nitondra fiara 4×4 dimy izy ireo ka niditra tsiroaroa sy tsitelotelo tao amin’ny Banky foibe. Rehefa haka volabe sahala amin’izany mantsy ao amin’ ny banky dia tsy maintsy miaraka tsiroaroa na tsite­lo­telo satria tsy maintsy misy mibata ireo vola rehefa avoaka », hoy ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ity banky ity. « Rehefa tafiditra tao amin’ny banky izy ireo dia nizara dimy ary samy nitondra taratasim-bola 4 miliara ariary avy. Taratasim-bola sandoka avy ao amin’ny Tahirim-bolam-panjakana no saika nampiasain’ireo olona ireo tamin’ity fikasan-dratsiny ity. Vao tonga teo amin’ny toerana fakam-bola dia fantatra fa sandoka ireo taratasy nokasaina hakana izany ka nampanenoana ny fanairana. Ny tena nahavariana tamin’ireo taratasim-bola sandoka ireo dia sonia ara-dalàna avy eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana no nangalarin’izy ireo », hoy hatrany ilay loharanom-baovao. Tonga teny an-toerana nisambotra ireo olona ireo ny avy amin’ny polisy ara-toekarena ka tratra avokoa izy ireo niaraka tamin’ireo dimy lahy mpamilin’ireo fiara 4×4. Mbola tazomina etsy amin’ny biraon’ny polisy mi-sahana ny ady heloka bevava ireo voarohirohy rehetra amin’izao fotoana izao. H.R

Ambatomanoina – Rangahy 43 taona kilan’ny afo irery tao an-tranony

Ambatomanoina – Rangahy 43 taona kilan’ny afo irery tao an-tranony(0)

Namoizana ain’ olona ny hain-trano nitranga tao amin’ny fokontany Ambato­manoina, kaominina Ambatomanoina, distrikan’Avaradrano, ny alakamisy lasa teo. Rangahy iray 43 taona no maty kilan’ny afo tanteraka. Voalazan’ny tatitry ny zandarimaria fa nihidy aman-trano irery ity niharam-boina ity. Ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana ihany koa no nahafantarana fa avy nisotrosotro ilay rangahy. Tsy voafaritra mazava hatreto ny antony nahatonga ny loza fa anisan’ny tomba­tombana ny hoe afon-tsigara niitatra. Efa nananika ny tafo ny afo vao hitan’ny teo amin’ ny manodidina. Levona tsy nisy noraisina ireo entana rehetra tao an-trano. Ny foko­nolona tao an-toerana no nanampy tamin’ny famonoana ny afo. Maminiaina Andri

Fianarana sady kilalao – Vita ny fizaràna loka tamin’ny  »Rallye mathématiques »

Fianarana sady kilalao – Vita ny fizaràna loka tamin’ny  »Rallye mathématiques »(0)

Nifarana ilay fifaninanana faha-12 nomena anarana «Rallye Mathematiques», izay karakarain’ny fikambanan’ny mpampianatra ity taranja ity, GEMMA, isan-taona. Natao teny amin’ny Lycée français, eny Ambatobe, tamin’ny farany herinandro teo, ny fizarana ny loka tamin’ireo nandresy tamin’izany. «Mpianatra 14 000 mahe­ry avy amin’ny liseam-panjakana sy tsy miankina mane­rana ny Nosy no nandray anjara tamin’izany. Natao indrindra mba tsy hatahoran’ny ankizy ity taranja ity intsony sy ny hilalaovana azy ka hahaizany mampiasa azy amin’ny fiainany an-davanandro no anton’ny fifaninanana», hoy Ramahazosoa Prosper, mpikambana ao amin’ny GEMMA. Mpianatra avy ao amin’ny Lycée français, Ambatobe sy ny Lycée Jules Ferry, eny Faravohitra ary ny Kolejy Jules Vernes, ao Antsirabe no nitana ny laharana voalohany, araka ny fanazavana azo tamin’ i Dubois Sandrine, mpandrindra ny fifaninanana. B.A

Fifaninanana – Hiaro ny fanondrahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro  Ny Aina

Fifaninanana – Hiaro ny fanondrahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro  Ny Aina(0)

Nanainga ny zoma 17 mey, hiaro ny fikarohany, izay fitaovana fanondrahana mandeha ho azy ary mandeha amin’ny herin’ny masoandro Razanelison Ny Aina, tovolahy 17 taona ary kilasy famaranana ao amin’ny Collège La Lumière International. Any Indonezia no hanaovana ny fifaninanana momba ny siansa antsoina hoe ISPRO (International Science Project Olympiade). Mpianatra avy amin’ny sekoly maro maneran-tany miainga avy amin’ny vokatry ny fikarohana na famoronana nataon’izy ireo no handray anjara amin’ny fifaninanana. Automatic Irrigation System by Solar Energy na fomba fanondrahana tany mandeha ho azy ary mandeha amin’ny herin’ ny masoandro no lohatenin’ny tetikasa entiny amin’izany fifaninanana izany. Tetikasa izay miezaka ny mampiasa ny angovo miaro ny tontolo iainana ary manampy amin’ny fanondrahana velaran-tany samihafa. “Miainga amin’ny fitrohan’ny milina ny rano ity fitaovana ity ary mitatitra izany mivantana manondraka ny velaran-tany raha mifanakaiky ny rano sy ny tany hotondrahana, miampy fantsona kosa izany raha mifanalavitra” hoy ny fanazana fohy nentiny talohan’ny nandehanany. Faly Ran. 

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite