
Efa manana 5 tapitrisa ariary izany aloha ny ekipa tantanan’i Nirina Andrianjoelison na Raniry eo amin’ity hazakazaka hikatsahana ny 10 tapitrisa ariary ho an’ny fiadiana ny amboara rejionaly ity, satria dia tafita amin’ny lalao famaranana izy ireo.
Baolina voalohany nampidirin’i Freddy Rasolomanana teo amin’ny minitra faha-17 no nitarihan’Analamanga ny isa teo amin’ny manasa-dalana faharoa, omaly. Nampian’i Ferdinand Ramanamahefa na i Dafe izany teo amin’ny minitra faha-53. Teo amin’ny minitra faha-62 vao nahita hirika teo anatrehan’ny harato nandrasan’i Chretien Andriamifehy ny solontenan’i Boeny, ka nampihena ny elanelan’isa. Efa tao anaty korontana tao anatin’ny faritra tsy azo ivalozana vao nahatafiditra baolina izy ireo.
Diso fanoloana
“Efa nisy fifandisoana teo amin’ny fanoloana mpilalao izahay teo amin’iny lalao iny”, hoy Raniry, mpanazatra ny ekipa voafantin’Analamanga. Isan’ny nampimenomenona ny mpijery ny fanoloana mpilalao nataon’izy ireo, ka namoahana an’i Fanomezana Claudel na i Bela ary nampidirana an’i Miora teo amin’ny minitra faha-61. Raha tokony hiaro tena amin’ny fampidirana irakiraka mpiaro Analamanga teto dia nampiditra irakiraka mpanafika indray, na dia efa nitarika tamin’ny alalan’ny isa 2 no ho 0 aza.
Ny ekipan’Itasy, izay tafavoaka teo anatrehan’i Vatovavy Fitovinany tamin’ny alalan’ny isa 2 no ho 1, no hihaona amin’Analamanga amin’ny lalao famaranana hotontosaina rahampitso alahady eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ihany.
Roméo Andriamihaja









0 Fanehoan-kevitra