RAHA VAO MIRESAKA AN’I MANTASOA DIA TOERAM-PITSANGANTSANGANANA AHITANA ILAY FARIHY LEHIBE NO AO AN-TSAINA. TOY IZANY KOA NY MOMBAMOMBA AN’I JEAN LABORDE, IZAY VAZAHA ISAN’NY NISANTATRA NY TAOZAVA-BAVENTY TETO MADAGASIKARA. NAMANTATRA IZAY NATAON’I JEAN LABORDE TAO MANTASOA IREO MPITIA DIA AN-TONGOTRA, VAHININ’NY ORTANA (OFISIM-PARITRY NY FIZAHANTANY ETO ANALAMANGA) NY SABOTSY 28 JOLAY TEO.
Izay hiarovana an’Antananarivo amin’ny tondra-drano, amin’ny lafiny iray no nanaovana ny tohodrano ao Mantasoa, ny taona 1939 ka nahazoana ilay farihy lehibe mirefy 2 000 ha, mirefy 150 km ny morony. Amin’ny lafiny iray, dia ambaran’ny olona mahalala azy fa antony nanafenana ireo akoram-by, izay efa notrandrahina tamin’ny andron’i Jean Laborde no nanaovana io farihy noforonina io. Nanao dingan-dava ny fandrosoana saingy nitsahatra tamin’ny nahafatesany.
Nanome zavatra goavam-be tsy nahy
Tonga tsy nahy teto amintsika i Jean Laborde, izay teraka tany Auch, Frantsa ny 16 oktobra 1805 ary maty teto amintsika ny taona 1873. Vaky ny sambo Saint Roch nandehanany ka natopan’ny onja nankao amin’ny vavaranon’i Matitanana, amin’iny ilany atsinanan’ny Nosy iny izy. Vao 15 taona teo izy tamin’izany. Naterin’ireo nisambotra azy tao amin’ny toby famokaran’ny voanjo frantsay Napoléon de Lastelle, ao Mahela i Jean Laborde. Olona nampiana-tena ka tsy nahavita fianarana fa nijanona teo amin’ny kilasy faha-3 izy. Metisy iray, Emilie Roux na Rousse no nalainy vady tany Mahela. Nisy koa Malagasy hafa novadiany. Niakatra taty Antananarivo izy ka nifandray akaiky tamin-dRanavalona I na dia teo aza ny tsy fitiavan’ity mpanjaka ity vahiny. Ny 3 mey 1832 izy no nahavita fifanarahana, niaraha-natao sonia voalohany tamin’ny fanjakan-dRanavalona I hamokarana basy 4 000. Nifanarahana koa ny hanomezany fiofanana ho an’ny mpiasa malagasy ho tonga manam-pahaizana manokana amin’ny famokarana basy.
Nampiana-tena
Boky Rakibolana goavana mirakitra ny fomba famokarana tao-zavatra isan-karazany sy maro vitan’ny manam-pahaizana manokana tamin’izany fotoana izany no nataon’i Napoléon de Lastelle fanomezana ho azy tamin’ ny mariaziny tamin’i Emilie Roux. Io boky sarobidy io no nampianarany tena ka nahavitany namokatra karazan-javatra maro, tsy mbola vitan’ny Malagasy teo aloha.
Nomen’ny mpanjaka tany teny Ilafy i Jean Laborde hahazoany manao ny famokarana. Teny no nandramana ny famokarana basy voalohany. Teraka ny antokon’olona nomena anarana Avaratr’Ilafy, nahay nandrendri-by taorian’izay.
Nifidy an’i Mantasoa
Nifindra tany Mantasoa i Jean Laborde ka izy no nanokatra lalana voalohany, azon’ny sarety sy fiarakodia naleha ary koa nanorina tetezana manodidina an’i Mantasoa sy ny mampitohy azy amin’ny renivohitra, nahafahana nitatitra ny vokatra vita. Nomeny anarana Soatsimanampiovana ny tao Mantasoa.
Ny taona 1841 no nanorenany ny lafaoro goavambe, fandrendreham-by. Nitarika rano izy nampihodina ny kodiarana nitsoka ny afo nandrendrehana ireo akoram-by, izay hita manodidina ny toerana. Mampiaiky ny manam-pahaizana ny haavon’ny teknika nampiasainy tamin’izany. Efa nahavita “fonte” sy vitsy (acier) izy tamin’izany, nahafahany namokatra tafondro lehibe. Nomena mpiasa 20 000 ity frantsay ity nanampy azy nanao izay famokarana tiany natao. Efa saika anisan’ny tany nanana indostria matanjaka momba ny vy isika raha izany no niitatra.
Sokay sy siramamy
Nanangana lafaoro kelikely iray koa izy, namokarany sokay teto an-toerana, mitovitovy amin’ny simenitra, nampisaina tamin’ny fanaovana fotodrafitrasa tamin’ izany, ankoatra izay nafarana tany ivelany.
Nanorina toerana iray niompiana biby isan-karazany toy ny “antilopes”, ragidro, rameva, lalomena (hippopotam) tao Andranobiby izy, izay voalaza fa novonoin’ny olona, folo andro taorian’ny nahafatesany ny taona 1857.
Nisy ozinina famokarana siramamy najorony tao Lohasaha, akaiky an’Andranobiby koa.
Ao Mantasoa no nanorenany trano vato goavambe, namokarana tafaondro sy vanja.
Mpanorina trano…
Natsangany ny lapa eny Manjakamiadana ny taona 1845, ka vita ny taona 1847. Vitany ny namokatra tafondro 150. Anisan’izany ilay goavana indrindra, ”Besakafo”, nila vanja be dia be rehefa mamahana azy. Nasain’ny Mpanjaka nataony koa ny fitarihana rano fisotro niakatra tao Anatirova. Nanorina trano maro i Jean Laborde, toy ny teny Ambohitsorohitra, teo amin’ny toerana misy ny minisiteran’ny varotra, amin’izao fotoana izao. Potika tamin’ny taona 1920 io trano io. Nanao trano koa izy eny Andohalo, izay mbola ao.
Sy fasana…
Ankoatra ny trano dia anisan’ny nanorina fasana goavana teto koa izy: Fasan-dRainiharo, Ratsarahoby sy Rainimboay ao Ambatomitsangana-Ankadifotsy, Rainitoponiera ao Ambatomainty, Rainisoa- Ravanomanana ao Ambatomainty.
Teo anelanelan’ny taona 1831 sy 1857, milina marobe no noforoniny, namokarana taozavatra toy ny savony, labozia, biriky, tavoahangy, lovia bakoly ohatra. Lisitra taozavatra iray lavabe, mahafeno pejy no efa novokarin’i Jean Laborde, hita ao amin’ny tranony, ao Mantasoa. ”Raha mba naka tahaka sy nanohy fotsiny ny zavatra vitan’i Jean Laborde isika, efa lasa lavitra ny Malagasy”, hoy Jean Firmin, Tanora iray nitsidika tao Mantasoa. Nilevina tao amin’ny fasana nataony ho azy tao Mantasoa izy fa nalain’ny havany nody any Frantsa ny 16 oktobra 2005, faha-200 taona nahaterahany.
Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo
















0 Fanehoan-kevitra