Subscribe to RSS

HJRA – Nokotabain’ny andian’olona ireo mpitsabo mitokona

Nilaza ny hametraka fitarainana miaraka ireo sendikan'ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy manoloana ny hetsik'ireo vodron'olona tsy voatsabo.

Toerana tsy azo itabatabana ny eny anivon’ny hopitaly.  Omaly anefa dia nisy andian’olona tonga teny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (Hjra), nitaky tamin’ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy ny tokony hiverenan’izy ireo miasa. Fihetsika izay tsy nahafaly ny tompon’andraikitra teo anivon’ity hopitaly ity.

« Misy lalàna mifehy ny faritry ny hôpitaly izay tsy azo itabatabana. Ho tonga amin’ny fampiharana izany izahay raha ilaina », araka ny fampahatsiahivan’ny Profesora Razafimahandry Jean Claude, lehiben’ny hopitaly Hjra Ampefiloha.

« Fandrangitana anay no tena tetik’ireo antokon’olona ireo mba hisian’ny korontana ety amin’ny hopitaly. Tsy hanao izany velively anefa izahay fa fitakiana sendikaly no ataonay ka ato anatin’ny faritry ny hopitaly no hanaovana izany am-pilaminana », hoy ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy mitokona.

Rakotonandrasana Valérien, mpitarika ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy izay nilaza fa « miankina amin’ny filankevitry ny ministra anio no hanapahana ny fanamafisana ny hetsik’izy ireo na tsia ».

 

Lilia Rajaonah

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Herinandron’ny ati-vava – Mety hahafaty ireo ankizy madinika ny areti-nify

Herinandron’ny ati-vava – Mety hahafaty ireo ankizy madinika ny areti-nify

Tsy tokony hatao tsinontsinona. Matetika no sokajian’ny olona ho toy ny aretina madinika ny aretin’ny ati-vava sy ny areti-nify. Isan’ny aretina mety hahafaty haingana, indrindra ho an’ireo ankizy madinika anefa ity aretina ity. Nivoitra izany omaly nandritra ny fankalazana ny herinandrom-pirenena momba ny fahasalaman’ny ati-vava sy ny nify, natao tany Imerin’Imady, distrikan’Ambositra. “Betsaka sady maro

Fanadinana BEPC – Hanomboka amin’ny 27 mey ny adina ara-panatanjahantena

Fanadinana BEPC – Hanomboka amin’ny 27 mey ny adina ara-panatanjahantena

Tokony efa hiomana amin’ny fiatrehana ny fanadinana ara-panatanjahantena ireo mpiadina Bepc. Hanomboka amin’ny alatsinainy 27 mey ka hatramin’ny 30 mey ny anjaran’izy ireo. Hitohy ny alatsinainy 3 jona izany ka hatramin’ny 7 jona. Hitsinjara amina kianja telo ireo mpiadina manodidina ny 27 000 araka ny vaovao avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo reni- vohitra, dia ny kianjan’i

Fifamoivoizana an-drenivohitra – Taratasina fiara miisa 500   nogiazana tao anatin’ny 45 andro

Fifamoivoizana an-drenivohitra – Taratasina fiara miisa 500 nogiazana tao anatin’ny 45 andro

Tsy manara-dalàna daholo. Ahitana tsy fanarahan-dalàna hatrany eo amin’ireo fiara mifamezivezy eto an-drenivohitra. Tsy ny taksibe sy ny fiarakaretsaka ihany no manao izany fa eo ihany koa ny fiaran’olon-tsotra. « Nahatratra 500 ny taratasina fiara notanana nanomboka tamin’ny volana avrily ka hatramin’izao. Tsy fijanonan’ny taksibe amin’ny toeram-piantsonana no tena betsaka amin’ireo. Eo ihany koa ny hadisoan’ny

Fetin’ny Pantekosta – Ho tsara sady hafana ny faran’ny herinandro

Fetin’ny Pantekosta – Ho tsara sady hafana ny faran’ny herinandro

Tsara andro. Hilamina indray ireo manana fikasana hitsangantsangana mandritra ny fetin’ny Pantekosta. Hanomboka hafana indray mantsy ny andro ary hisinda ihany koa ny erika, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro. “Hiova hiakatra kely indray ny mari-pana manomboka rahampitso. Mety haharitra eo amin’ny efatra andro eo izany hafanana izany ka hiverina amin’ny volon’ andro mangatsiaka kely avy eo. Tsy hisy ihany koa ny erika noho ny fisindan’ny rivotra mangatsiaka avy amin’ ny tsioka atsimo. Mbola ao anatin’ny vaninandro

Hopitaly Ambohimiandra – Zaza marary mafy mila famonjena

Hopitaly Ambohimiandra – Zaza marary mafy mila famonjena

Mila vonjy maika. Marary mafy ka mila fanafody mitentina Ar 460 000 isan’ andro ny zazavavi-kely iray vao 13 taona, Razafi- mahefa Mendrika Nirinasoa, avy eny Imerimanjaka, Ambohijanaka, izay tsaboina eny amin’ny hopitaly Ambohimiandra. Tratran’ny aretina sarotra sitranina amin’ny havokavoka izy. Very 10 kilao ity zazavavy ity, hatramin’ny naharariany. Fitiliana tamin’ny scanner no nahitana fa simban’ny otrikaretina ireo “alvéoles” amin’ny ilan-tratrany havanana. “18 andro no efa notsaboina ety

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite