Mitohy ny fifaninanana ao anatin’ilay hetsika «Hiragasy makotrokotroka». Tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely indray no nampiantrano ity fifaninanana ity, omaly. Miha henjana hatrany ny fifandonana eo amin’ireo mpandray anjara, izay samy miady mafy amin’ ny hiakarana amin’ny dingan’ny manasa-dalana. Nanaporofo izany ny fifanatrehana teo amin-dRakotosolofo Betsinjaka sy Raveloson, samy avy any Fenoarivo.
Saika niresaka hatrany ny andavanandron’ny mponina izy ireo, saingy nifantoka kokoa tany amin’ny lafiny ratsy vokatry ny fahasarotan’ ny fiainana. Ao anatin’ ireny ny vehivavy mamo, lehilahy mampirafy, ny ankizy tsy mankato ray aman-dreny…
FR









0 Fanehoan-kevitra