Miditra amin’ny herinandro fahadimy. Hiverina etsy amin’ny Lapan’ny tanàna etsy Analakely indray ny fifaninanana «hiragasy makotrokotroka», izay karakarain’ny Haygasy sy ny tanànan’Antananarivo ary ny ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga (ORTANA). Hifandona etsy Analakely amin’ny fandaharam-potoana rahampitso manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny tarika roa samy avy any Fenoarivo. An-daniny ny tarik’i Betsinjaka Rakotosolofo ary ny tarika Raveloson kosa an-kilany.
Toy ireo tarika efa nifandimby teo aloha, dia samy hanezaka hamoaka ny heviny sy hiaro izany amin’ny fomba rehetra ny tarika tsirairay ary tsy hanaiky lembenana sy ho resy an-kabary ihany koa. Samy hitsarana ireo mpandray anjara avokoa na ny votoatin’ny kabary sy ny hira ary ny zanan-kira, ny fomba fitafy sy ny dihy…
FR









0 Fanehoan-kevitra