Subscribe to RSS

Harena an-kibon’ny tany – Mbola malalaka ny tsenan’ny asa

 Miteraka asa maro ny sehatra fitrandrahana harena an-kibon'ny tany

Miteraka asa maro ny sehatra fitrandrahana harena an-kibon'ny tany

Maro ary mivelatra ny tolotr’asa ho an’ny seha-pihariana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. « Tsy voatery ho olona manana fahaizana mikasika ny fitrandrahana no karohina fa misy ihany koa ireo asa hafa aterany, toy ny fikirakirana solosaina, ny fifandraisana, ny varotra, ny fitantanan-draharaha sy ny fitantanam-bola », hoy Rakotovao Sandrine, tompon’andraikitra avy ao amin’ny birao momba ny fandraisana mpiasa Fthm, nandritra ny famelabelaran-kevitra tao anatin’ny hetsika Side Event, karakarain’ ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sady niharo fampihaonana ireo mpandraharaha voakasik’ity seha-pihari- ana ity, tetsy amin’ny Hotel Carlton Anosy, ny alakamisy teo.

Nanoro hevitra ny tanora mpianatra iry tompon’andraikitra iry ny amin’ny tokony hahaizan’ izy ireo misafidy ny lalam-piofanana horantovin’izy ireo mba hifanaraka amin’ny filan’ny tsenan’ny asa misy.

Miomana ny oniversite

Raha ny nambaran-dRakotoarisoa Jean Eric, filoha lefitry ny oniversiten’ Antananarivo dia hisy ny fiaraha-miasan’ny oniversitem-panjakana amin’ny sehatra tsy miankina, ho fiatrehana izay fampifanarahana ny fiofanana omena ny mpianatra sy ny filan’
ny tsenan’ny asa izay.

« Hojerena ny fametrahana ny fanovana maha- kasika izany, na dia efa somary taraiky aza isika », hoy izy.

Efa misy kosa ny lalam- piofanana manokana mikasika ny solika eny amin’ny oniversiten’i Vontovorona, napetraka roa taona lasa izay. Mahavelombolo ny zava-misy satria efa hita ho miha manana traikefa ireo tanora malagasy, momba ny asa mikasika ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, toy ny hita any amin’ny orinasa mpitrandraka fasimainty Qmm. Ny 30 amin’ireo mpiasa 1500 any an-toerana ihany no voalaza fa teratany vahiny. Efa maherin’ny 500 ihany koa ireo olona nahazo asa manodidina ny seha-pihari- ana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany .

Monica Rasoloarison

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Grande braderie de Madagascar – Nahasarika mpanjifa maro ny teknolojia avo lenta

Grande braderie de Madagascar – Nahasarika mpanjifa maro ny teknolojia avo lenta(0)

Tsy tahaka ny mahazatra fa betsaka ireo mpitsidika, tamin’ny andro voalohany ho an’ny hetsika Grande Braderie de Madagascar, teny amin’ny lapan’ny Kolontsaina Mahamasina. Naompana amin’ny fetin’ ny reny ny lohahevitra, ka betsaka ireo efa nitily sahady ny fanomezana ho an’ireo renim-pianakaviana. Nitobaka ny entana ary maro karazana. Ireo orinasa afaka haba no nahitana entana mora indrindra. Nifandrombahana ihany koa anefa ny akanjo mafana sy ny paoketra, izay

Fifandraisan-davitra – Haseho voalohany amin’ ny Orange Expo ny 4G-LTE

Fifandraisan-davitra – Haseho voalohany amin’ ny Orange Expo ny 4G-LTE(0)

Manaraka hatrany ny fivoarana misy eo amin’ny tontolon’ny fifandraisan-davitra. Haseho voalohany amin’ ny Orange Expo, izay ao anatin’ny Foara iraisam-pirenena eto Madagasikara na ny FIM ny fitaovam-pifandraisana 4G-LTE. Ny FIM izay tanterahina manomboka anio ary haharitra hatramin’ny 26 mey, eny amin’ny toerana ho an’ny fampirantiana Forello Tanjombato. Ity kojakoja ity dia ahafahana mifandray amin’ny alalan’ny

Fiahiana sosialy – Mba hahazo fisotroan-dronono  ihany koa ireo tantsaha

Fiahiana sosialy – Mba hahazo fisotroan-dronono ihany koa ireo tantsaha

Ela ny ela ka ho isan’ireo hahazo tombontsoa amin’ny fiahiana sosialy omen’ny CnaPS na ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana sosialy ihany koa ny tantsaha. Nanao sonia fifanarahana ny CnaPS sy ny Tranoben’ny Tantsaha, tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa manomboka izao, dia ho afaka mirotsaka ho mpikambana amin’ity rafitra ity koa ny Tantsaha (mpamboly, mpiompy sy

Fambolena sy fiompiana – «Tokony ho sompitry ny Ranomasimbe  Indianina isika», hoy ny Fivmpama

Fambolena sy fiompiana – «Tokony ho sompitry ny Ranomasimbe Indianina isika», hoy ny Fivmpama

Iankinan’ny ho avin’ny firenena. Notanterahina omaly ary hitohy anio, etsy amin’ ny tokotany malalaky ny Tour Zital, Ankorondrano ny «zaikabe ho an’ny fandraharahana eo amin’ ny sehatry ny fambolena sy fiompiana», karakarain’ ny Fivondronan’ny Mpan- draharaha Malagasy na ny Fivmpama. « Ny fahatsapana ny tsy fisian’ny firindrana sy ny fitrandrahana, araka ny tokony ho izy, ny harena avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana misy eto amintsika

Fikarohana – Nampahafantarina ny karazam-bary vaovao ho an’ny sakafo mahasalama

Fikarohana – Nampahafantarina ny karazam-bary vaovao ho an’ny sakafo mahasalama

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Hotel Colbert Antani- narenina, ny atrikasa tao anatin’ilay tetikasa fitaratra «voly vary, ho an’ny sakafo ara-pahasalamana». Nisy ny andrana karazam-bary vaovao izay natao tany Anjepy – Manjakandriana, ny volana oktobra 2012, vokatry ny fiaraha-miasan’ ny orinasa Nestlé sy ny ivon-toeram-pikarohana ho an’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, ny foibe fikarohana momba ny fambolena (FOFIFA), ny ivon-toeram-pikarohan’ ny Nestlé, any Abidjan (Côte d’Ivoire) ary ireo sekoly ambony samihafa.

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite