Subscribe to RSS

Haintrano teny Ampandrana – Saika hatao batemy tamin’ny Krismasy teo izy telo mianadahy nodorana velona

Ireo renibe sy raibeny no mitaiza an’i Tolotra amin’izao fotoana izao

Lakalaka tokoa ny fiainana. Saika latsa-dranomaso mihitsy Raharimasinirina Georgette na i Bebe Masy, nitantara fa saika hatao batemy tamin’ny Krismasy teo ireo zafikeliny telo mianadahy nodoran’ny raikeliny tao an-tranony, tetsy Ampandrana, ny 28 novambra teo.

« Maro ny zavatra niainana tamin’ireny, tonga hatramin’ny fanovana anarana an’ilay zaza sisa tsy maty notsaboina teny amin’ny hôpitaly noho ny fahatahorana ilay raikeliny, izay mbola tonga teny ihany saika haningotra ny ainy », hoy hatrany ity renibeny ity.

« Efa voaomana tato an-trano avokoa ny akanjo, kiraro sy ny pitsopitson-javatra marobe saika hanatanterahana ny batemin’izy ireo, saingy noho iny zava-niseho iny dia may avokoa izany rehetra izany », hoy reniben’izy telo mianadahy, nanganohano.

« Ny ampitson’iny dia tonga teny amin’ny hôpitaly vao maraimbe ilay raikeliny toy ireny olona hamangy ireny. Olona tsara sitrapo no niandry azy tany amin’ny hôpitaly, ka tsy nahafantatra azy. Ireo dokotera no avy hatrany dia kaodikaody ka tsy namela azy niditra. Nitondra mofomamy nolazainy fa homena ilay zaza izy, ka ireo dokotera no nandray azy. Tsy avy hatrany anefa dia nomen’izy ireo ilay zaza ilay fanomezana fa mbola nojereny, ka hita fa nisy poizina izany  », hoy ihany i bebe Masy, nitantara ny zava-nitranga teny amin’ny hôpitaly.

 »Tolotra » novaina  »Avotra »

« Voatery araka izany ny fianakaviana, nanova ho   »Avotra » ny anaran’ilay zaza teny amin’ny hôpitaly sady izy rahateo sisa no avotra tamin’izy efa-mianaka raha  Randrianarison Nomenjanahary Tolotra no tena anarany », hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity.

« Ny marainan’ilay voina rehefa avy tany amin’ny hôpitaly dia nanomana soratra tamin’ny baoritra ilay raikelin’izy ireo ka niandry lamasinina nandalo hamonoany tena. Tsy nisy nandalo anefa ary tsikaritry ny fokonolona izy ka noraisim-potsiny », hoy Rakotonirina Maurice na i Dada Mô, raiben’i Tolotra.

« Raha vao nandre indray ny tato an-trano, hoy i Dada Mô, fa voasambotry ny polisy ilay nahavanon-doza, dia nisy nikasa hamaly faty avy hatrany. Amin’ny maha kristianina anefa dia nanarina avy hatrany ireo saika hanao izany ka nitony ihany izy ireo nony farany ».

Randrianarison Nomenjanahary Tolotra, ilay akanga sisa nanamborana

Randrianarison Nomenjanahary Tolotra, ilay akanga sisa nanamborana

Hanao mpitondra fiaramanidina

Efa azo lazaina ho salama tsara i Tolotra, ilay akanga sisa nanamborana tamin’izy efa-mianaka, amin’izao fotoana izao. « Ny tanako  havia no mbola tsy afaka mihetsika tsara. Tsy afaka mianatra ihany koa aho amin’izao, saingy efa nampanantena i Mompera fa ao aminy, hono, aho no hianatra amin’ny taom-pianarana manaraka », hoy ny fitantaran’ity zaza ity.

« Hanao mpitondra fiaramanidina no fikasako any aoriana any ka izany no hiezahako mafy raha vao mianatra eo », hoy hatrany i Tolotra, tamin’ny endrika miramirana. « Mbola misy olana kely ny fitadidiany vokatr’ilay  »anesthésie générale » natao azy teny amin’ny hôpitaly », hoy ny renibeny.

Mompera iray tsara sitrapo no mandray an-tanana tanteraka ny fiahiana ny fahasalaman’ity zaza ity amin’izao fotoana izao sy ny fampianarana azy amin’ny taom-pianarana manaraka.

Haja Randrianantoandro

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Ioga – Hanara-maso ny andrana nokleary

Ioga – Hanara-maso ny andrana nokleary(0)

Vao nahazo fitaovana natao hanaraha-maso ireo andrana nokleary aty amin’ny manodidina antsika ny IOGA na ny ivon-toerana mpanara-maso ny fivoaran’ny tany, eny Ambohimitsimbina. «Toerana roa eto amin- tsika no hametrahana azy ireo, izay mifandray mivantana amin’ny foibe any Vienne (Aotrisy). Anisan’ireo 300 miely eran-tany. Avy amin’ireo fitaovana ireo koa no handraisantsika ireo vaovao samihafa avy amin’ireo toerana 300. Omenay ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny vaovao azonay. Anjarany ny mitatitra ireo vaovao ireo any amin’ireo fivoriana iraisam-pirenena handraisan’ny solontena Malagasy anjara. Avy amin’i zany koa no mety hahazoan’izay firenena manao andrana nokleary sazy na tsia», hoy Rambolamanana Gérard, talen’ny IOGA. Olana atrehin’ny IOGA ny tsy fahampian’ny vola iasany ka tsy hahafahany miasa araka ny tokony ho izy B.A 

Fanamparam-pahefana – Parlemantera voalaza fa namingavinga zandary

Fanamparam-pahefana – Parlemantera voalaza fa namingavinga zandary(0)

Mpikambana eo anivon’ ny Kaongresin’ny tetezamita iray no voalaza fa namingavinga zandary nanao ny asany tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, ny alakamisy 23 mey teo. Tao amin’ny distrikan’Antani-fotsy no nisehoan’ity tranga ity, araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana. Mpianatra ho zandary avy amin’ny sekolin’ny zanda-rimariam-pirenena any Moramanga manao fizaran- draharaha miaraka amin’ireo mpitarika azy no sendra ity manam-pahefana ity. « Nibahan-dalana ny fiaran’ ilay mpikambana eo anivon’ ny Kaongresin’ny tetezamita ka nasain’ilay mpianatra ho zandary iray esorina. Avy hatrany anefa dia teny tsy voahevitra no navalin’ ilay parlemantera », hoy ny tatitry ny zandarimaria. Nampanantsoina tany amin’ny borigadin’ny zanda- rimaria ao Antsirabe ity mpikambana eo anivon’ny Kaongresin’ny tetezamita ity. Maminiaina Andri.

Tapatapany

Tapatapany(0)

Voatifitra > Miaramilan’ny DAS iray no naratra voatifitry ny dahalo teo amin’ny ranjony, tany Fihao-nana Tsiroanomandidy, ny 23 mey teo tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Nanara-dia dahalo avy nanga-latra omby 30 ity miara- mila ity izao voatifitra izao. Nentina avy hatrany tao amin’ny tobim-pahasalamana tao Tsiroanomandidy ny tenany. Lozam-pifamoi-voizana > Telo mianaka nandeha an-tongotra teny amin’ny arabe no naratra nofaohin’ny môtô tany Ambatofotsy ny 23 mey teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Nentina  namonjy toe-ram-pitsaboana tao Behenjy izy telo mianaka ireo. Asan-dahalo > Malaso efatra nirongo basim-borona no nandroba omby 15 tao Imanja any amin’ny faritra Menabe, ny 22 mey teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina. Niafara tamin’ ny fifandonana tamin’ ireo olon-dratsy ny fana- rahan-dia natao, ka tafaverina ny 14 tamin’ ireo omby ary ny iray kosa novonoin’ny dahalo.

FJKM Ambohitantely – Namangy ny fianakaviana Andriamanjato ny kaominina

FJKM Ambohitantely – Namangy ny fianakaviana Andriamanjato ny kaominina(0)

Delegasiona mafonja no tonga teny amin’ny fiangonana Fjkm Ambohitantely, omaly maraina, niara-niondrika nanoloana ny vatana mangatsiakan’ny pasitera Andri-amanjato Richard. Ny filohan’ny delegasiona manokan’ ny tanànan’Antananarivo, Razafindravahy Edgard, no nitarika izany. Tazana teny ihany koa ny filohan’ny filankevitra monisipaly, Ranaivoarimanga Salohy. Taorian’ny teny fisaorana nataon’ireo fianakaviana dia nanao tsiahy fohifohy ny mombamomba an-drainy Ny Hasina Andriamanjato. Ny fampihavanana ny vahoaka mala- gasy amin’Andriamanitra izay tena nilofosan’ny pasitera hatramin’ny fahavelony no isan’ny nasongadiny. Teo amin’ ny lafiny politika indray dia isan’ireo zandriny indrindra ny tenany satria vao 29 taona monja dia efa Ben’ny tanàn’ Antananarivo. Hatramin’ny fotoana naha mpitandrina azy dia teny Ambohitantely hatrany no nipetraka ny pasitera Andriamanjato Richard na dia tsy mpitandrina nitondra ny fiangonana intsony aza. «Hamangy ny zanany sy ny zafiny no nandehanany tany Frantsa kinanjo izao izy maty tampoka izao», hoy ireo fianakaviana. Ranaivoson Faniry    

Bongolava – Jiolahy 70 nanafika, telo matin’ny fokonolona 

Bongolava – Jiolahy 70 nanafika, telo matin’ny fokonolona (0)

Jiolahy 70 lahy teo no nanafika ny tanànan’i Kiranomena, any amin’ny faritra Bongo-lava, omaly vao mangiran-dratsy tamin’ny 6 ora maraina, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao iray avy any an-toerana. Tanàna misy tobin’ny zandarimaria i Kiranomena. Tsy nanaiky lembenana anefa ny tao an-tanàna fa niaro tena. Vokatry ny fifandonana dia telo tamin’ireo jiolahy no matin’ny fokonolona. Nentin’ ireo namany nitsoaka ny fatin’ireo namany roa lahy, fa ny iray no tavela teo. Nisy naratra madi-nidinika tamin’ireo mponina sahy nifandona tamin’ireo olon-dratsy fa tsy nisy ny aina nafoy, hoy ihany ny  loharanom-baovao izay nohamafisin’ny zandarimaria. Barphil Andriantsiferanarivo

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite