
Ny fampidirana herinaratra ao amina fokontany valo any amin'ny kaominina Sambaina no asa manaraka hataon'ny kaominina
Velombolo ny Ben’ny tanàna. Tapaka tamin’ny Filankevitry ny minisitra, ny 28 jona lasa teo ny fanafoanana ilay didy hitsivolana noraisina ny volana desambra 2011 . Navoitran’ny didy hitsi-volana vaovao notinapaka tamin’io herinandro io, fa miverina ho afaka mampiasa ny tetibolany indray, manom- boka izao, ny kaominina. Nahafaly ny Ben’ny tanàna ny nandraisana izany fanapahan-kevitra izany, indrindra ireo kaominina ambanivohitra.
Isan’ireo naneho ny heviny momba izany ny Ben’ny tanànan’Ambohimanga Rova, Ravoninjatovo Fidimalala. «Soa fa niverina nandray io fanapahan-kevitra io ny fitondram-panjakana. Volam-bahoaka avokoa amin’ny ankapobeny no ampiasain’ ny kaominina, amin’ny alalan’ny hetra aloany. Ho afaka hanao izay mety ho amin’izay filàn’ny vahoaka izay izany izao ny kaominina», raha ny filazany. Ny famitàna ny asa fanamboarana ny Lycée ao an-toerana sy ny lalan-kely ary ny fanarenana ireo fotodrafitrasa ravan’ny rivo-doza teo no nambarany ho laharam-pahamehana ho azy amin’ireo asa hataon’ny kaominina manodidina izany.
Nitondra ny fomba fijeriny momba izany ihany koa ny Ben’ny tanànan’i Sambaina Manjakan- driana, Randriamiarana Arsène. «Tsy maintsy misy hatrany ny anjara aloan’ ny kaominina amin’ny fananganana fotodrafitrasa. Ilaina ny niverenana tamin’ io fanapahan-kevitra io satria afaka handeha tsara indray izany manomboka izao ny fanamboarana fotodrafitrasa eny anivon’ ny kaominina, indrindra ho an’ireo manana mpiara- miombon’antoka», hoy ny fanazavany.
Mahakasika ity kaominina ity manokana dia ny fampidirana herinaratra ao anatin’ireo fokontany valo amin’ny 15 mandrafitra ny kaominina no asa iantsorohana manaraka. Voalaza fa hanampy be amin’ny fahatontosan’ izany ny nandraisana iry didy hitsivolana vaovao iry. «Na somary taraiky aza ny fanampiana avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana izay efa fanomeny ho an’ny kaominina, dia afaka hampizotra tsara ihany ny asa rehetra ny kaominina, tohin’izao lalàna vaovao izao», hoy hatrany ny Ben’ ny tanànan’i Sambaina Manjakandriana.
Monica Rasoloarison









0 Fanehoan-kevitra