Subscribe to RSS

Fitsaboana any La Reunion – Mety hody amin’ny volana jona ny kolonely Andrianasoavina

Tato amin’ity hopitaly ity no nitsaboana ny Kly Charles Andrianasoavina

Ny 15 mey teo no nivoaka ny hopitaly La Belle Pierre ao La Réunion ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles. 45 andro ny fotoana hakany aina taorian’ny fitsaboana azy araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Milaza ireo havany fa « tsy maintsy mody izy aorian’izay ». Milaza ho tsy mahalala izany kosa ny avy eo anivon’ny Fitsarana sy ny Foloalindahy.

Tapitra ny volana jona izao anefa ny fotoana fakana aina nomen’ny mpitsabo azy, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Aorian’izay dia tokony hihazo an’i Madagasikara izy.

« Tsy maintsy mody ny tenany rehefa tapitra io fe-potoana io satria na ny fahazoan-dalana ipetrahany any La Réunion ihany koa aza dia tapitra manaraka izany. Miankina amin’ny mpitondra noho izany ny fampodiana azy, fa izahay fianakaviany kosa efa miomana amin’ny fodiany », hoy ny avy amin’ny fianakavian’ity manamboninahitra ity.

« Raha ny fahafantarako azy dia mandroso mihatsara ny fahasalaman’io manamboninahitra io. Olona voatana am-ponja izy raha ny toerana misy azy eto Madagasikara. Anjaran’ny Fitsarana araka izany no manapaka ny momba azy », hoy kosa ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, minisitry ny Foloalindahy.

Ny minisitry ny Fitsarana, Razanamahasoa Christine anefa dia milaza ho « tsy mbola naheno ny mahakasika ny fampodiana azy ». Nanamafy kosa anefa ity farany fa « efa salama tsara izy ».

Voaheloka hiasa an-terivozona mandra-pahafaty ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles noho ny raharaha fikasana hanongam-panjakana teny amin’ny Bani Ivato, ny 17 novambra 2010. Nalefa notsaboina any La Réunion izy ny desambra 2011 rehefa avy notanana am-ponja teny Tsiafahy.

 

Faralala

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Tanjombato – Lehilahy maty nitsoraka tampoka  avy eny ambony tetezana

Tanjombato – Lehilahy maty nitsoraka tampoka  avy eny ambony tetezana(0)

Hatairana ny an’ireo olona monina etsy amin’ny manodidina ny tetezan’i Tanjombato, omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora nahita lehilahy iray nitsoraka tampoka avy eny ambony tetezana. Namoy ny ainy avy hatrany ity farany. Niantso teo amina  »taxi-phone » iray teo akaikin’ilay tetezana izy nialohan’ny nitsorahany tao amin’io tetezana io, raha ny fitantaran’ireo olona teo amin’ny

Mahamasina – Polisy monisipaly nanao ny asany notorian’ny olona

Mahamasina – Polisy monisipaly nanao ny asany notorian’ny olona(0)

Polisy monisipaly 22 no nohenoin’ny polisy misahana ny heloka bevava, omaly. Olona enina tamin’ireo fito nosamborina noahiahiana ho nihetraketraka tamin’ireo polisy monisipaly nanatanteraka ny asany, teny Mahamasina, ny harivan’ny zoma 17mey, no nametraka fitoriana. Nandroaka mpivarotra toaka etsy Mahamasina tamin’io zoma hariva io, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany ireo polisy monisipaly no nisy

Misaona ny l’Express de Madagascar – Nodimandry teo amin’ny faha-62 taonany i Beben

Misaona ny l’Express de Madagascar – Nodimandry teo amin’ny faha-62 taonany i Beben(0)

Gina ny mpiara-miasa. Vaka ny saina, tohina ny fo, toa tsy nety nino mihitsy aza ny saina amam-panahy satria nandao tampoka ny toeram-piasana, teto amin’ny L’Express de Madagascar ary tsy niverina intsony, fa nody any amin’ny mandrakizay, Andriamanantsoa Bien Aimé Désiré  na i Beben, teo amin’ny faha-62 taonany. Paoiste zokiny indrindra izy, ary misahana manokana

Tapatapany

Tapatapany(0)

Nisandoka. Kaomôriana telo mianadahy no saron’ny polisin’ny seranam-piaramanidina Ivato nitondra pasipaoro sandoka ny fiandohan’ny herinandro teo. Avy hatrany dia nentina tetsy amin’ny biraon’ny polisy misahana ny fanadihadiana manokana etsy Anosy izy ireo. Pasipaoro ana teratany Frantsay mitovitovy endrika amin’izy ireo avy no nentin’izy ireo tamin’izany. Niaiky izy ireo fa tsy azy tokoa ireo pasipaoro ireo

Loza tampoka – Zazalahy 14 taona maty  nipoahan’ny bala

Loza tampoka – Zazalahy 14 taona maty nipoahan’ny bala(0)

Zazalahy iray 14 taona no maty nipoahan’ny bala, voalaza fa hitany teny an-tokotaniny, tetsy Ambodirano, ao amin’ny kaominina Ivato Firaisana, ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Taitra ny manodidina naheno ny fipoahana ka namonjy ilay zazalahy sy nitondra azy tany amin’ny hôpitaly saingy ny harivan’io dia efa tsy tana intsony

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite