
Voalaza fa efa voarara ny fitrandrahana safira ao Didy anefa mbola misy izao raharaha fanenjehana mpividy vato izao indray
Naharitra ora telo ny fisavana ny trano nisy ity teratany srilankey iray tao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka, ny faran’ny herinandro teo. Nentina niakatra aty Antananarivo izy taorian’izay hatao fanadihadiana.
Mifamahofaho be ihany ny antony nisam-borana azy io. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana mantsy dia mpividy vato ao Didy izy.
Haka ny anjarany
« Misy ny mpanelanelana azy amin’ireo mpitrandraka vato.
Nahare io mpanelanelana io fa nahalafo safira mitentina Ar 30 000 tapitrisa izy. Haka ny anjarany tamin’ilay teratany srilankey izy raha ny fantatra, saingy nilaza ity farany fa tsy nahalafo vato Ar 30 000 tapitrisa izany. Nakan’io mpanelanelana io mpitandro ny filaminana ilay teratany srilankey ka tratran’ny fisavan-trano», raha ny fanazavana azo avy any an-toerana.
Nanamafy ny teo anivon’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena ao Alaotra-Mangoro fa nisy tokoa ny fisavana ny trano nisy ity srilankey ity, ny sabotsy teo. « Kolonely avy eo anivon’ny minisiteran’ny Ala sy ny Tontolo iainana ary zandary hafa avy amin’ny borigadin’i Tanà-ville no nanao ny fisavana, araka ny taratasy avy amin’ny Fitsarana ao Antananarivo. Fanenjehana manoloana ny fanimbana ny ala arovana ao Ankeniheny Zahamena no fototr’io taratasy io. Nentin’izy ireo niakatra any Antananarivo ilay teratany srilankey avy eo », hoy ny manamboninahitra iray.
Nandà ny filazana fitakiam-bola amin’ilay teratany srilankey ny avy ao amin’ny minisiteran’ ny Tontolo iainana. « Hetsika ao anatin’ny fiarovana ny ala no nataon’ireo mpitandro ny filaminana ireo tany an-toerana. Vato sy fitaovana fandanjana vato no nogiazana tamin’io teratany srilankey io. Nentina aty Antananarivo hohadihadiana izy, saingy mbola naiditra hopitaly eny amin’ny Homi satria narary. Rehefa mivoaka eny izy no ho alaina am-bavany », hoy ny teo anivon’ity minisitera ity.
Hanitry Ny Aina








1 Fanehoan-kevitra