Tsy mety miravona ny olana misy eo amin’ireo mpitatitra eny Itaosy sy ny mpitandro ny filaminana. Naneho ny tsy fankasitrahany tamin’ny alalan’ny fibahanan-dalana sy filanjana sora-baventy indray ireo taksiben’ny zotra 133 omaly, nanomboka tamin’ny 11 ora antoandro ka hatramin’ ny 12 ora. »Tazonina any amin’ny biraon’ny kaomisaria ny namanay, nefa tsy nisy fahadisoana nataony. Ny fangalana ny taratasin’ny fiara sy fampiantsoana ny mpamily no tena tsy rariny mihatra aminay », hoy ireo mpamily amin’ity zotra.
« Famalivaliana sy faniratsirana nataon’ilay mpamily ny mpitandro filaminana no nitazonana azy fa tsy misy resaka tsindry hazolena mihitsy », hoy kosa ny loharanom-baovao avy amin’ny kaomisaria ao an-toerana.
Vetivety dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanokatra ny lalana ary nitohy tamin’ny fifampidinihana niaraka amin’ ireo tompon’andraikitra samihafa ao an-toerana ny famahana ny olana.
LR










0 Fanehoan-kevitra