Subscribe to RSS

Fitaterana an-drenivohitra – Mitsipaka ilay fizarana tapakila elektronika ireo mpitatitra

Ny zotra 163 no nanaovana santatra tamin’ny tapakila elektronika

Ny zotra 163 no nanaovana santatra tamin’ny tapakila elektronika

Tsy naha afa-po ireo mpitatitra ny fanandramana an’ilay fitaovana fizarana tapakila elektronika nokasaina hampiasaina eo anivon’ireo taksibe eto an-drenivohitra.

Ny zotra 163 sy ny Kofiamo mampitohy ny reni- vohitra amin’i Fenoarivo no nanaovana ity andrana ity, ny zoma teo.

Andriambinintsolomora Bernardin, filohan’ny federasionan’ny fitaterana an-drenivohitra sy ny manodidina sady filoha lefitry ny Uctu dia nilaza mazava fa “lasa vesatra ho an’ny mpitatitra indray ity fitaovana ity”.

“Maherin’ny iray tapitrisa ariary ny vidiny, nefa ny mpitatitra aza efa betsaka no tsy mahaloa patanty. Tsy maintsy mila olona fanampiny hatrany ihany koa hanara-maso ny fampiasana io tapakila elektronika io, ka tsy aleo ve ilay olona efa niasa teo ihany no beazina”, hoy ny fanazavan’ity farany.

Nanamafy izany ihany koa Randrianarisoa Arilanto, filohan’ny kaoperativa misy ny zotra 163. “Mandany fotoana ny fampiasana azy ary mbola sarotra ho antsika aloha hatreto”, hoy izy.

Ny tompon’andraikitra teo anivon’ny ministeran’ ny Fitaterana dia nionona tamin’ny filazana fa “mbola andrana fotsiny ihany no natao, ka tsy mbola misy zavatra maro azo ambara”.

Lilia Rajaonah

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fiarahamonina – Vary notsimponina no niatrehan’ireo sahirana ny Pantekosta

Fiarahamonina – Vary notsimponina no niatrehan’ireo sahirana ny Pantekosta(0)

Mifamahofaho ny fiainana. Samy manana ny anjarany tokoa ny olona. Maro amin’ny olona manan-katao no efa niandrandra sy niomana tamin’ny fetin’ ny Pantekosta. Isan’ireny ny fiatrehana ny sakafo miavaka amin’ny andavanandro, ny fanomanana ny hoenti-manana amin’ny fitsangan- tsanganana. Tsy mba toa izany kosa anefa ny fiainan’ ireo olona sahirana. Vary notsimponina manerana ny tsena no mba niandrandran’ izy ireo niatrehana izany fety izany, araka ny hita tetsy Anosibe. Vao maraina tamin’ny sabotsy teo dia efa tazana manerana ny

Karaman’ny tsy miankina – Mbola tsy nisy didim-panjakana ilay fampiakarana 8%

Karaman’ny tsy miankina – Mbola tsy nisy didim-panjakana ilay fampiakarana 8%(0)

Mbola tsy nivoaka ny didim-panjakana manamafy ny fampiharana ilay fampiakarana ny karaman’ireo mpiasan’ny sehatra tsy miankina. Araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny lalàna sosialy dia nisy antontan-taratasy nangatahan’ny teo anivon’ny Filankevitry ny governementa, tamin’iny herinandro lasa iny, ka izay no tsy mbola nivoahan’ny didim-panjakana manamafy ny fampiharana iny taha fampiakarana 8% iny.

Minisiteran’ny fahasalamana – Nampitandrina momba  ireo dokam-barotra amin’ ny fitaovana manasitrana

Minisiteran’ny fahasalamana – Nampitandrina momba ireo dokam-barotra amin’ ny fitaovana manasitrana(0)

Tsy ara-dalàna. Nampitandrina ny mpanjifa ny minisitry ny Fahasalamana, Dr Ndahimananjara Johanita, manoloana ny dokam-barotra sasany momba ireo fitaovana ambara ho manasitrana aretina, miverimberina amin’ny haino aman-jery. «Voararan’ ny lalàna iray nivoaka tamin’ny taona 2001 ny fanaovana dokam-barotra momba ny fitaovana samihafa, ambara fa azo hitsaboana ny olombelona, toy izay hita tao ho ao, lazaina ho mitsabo tosi-dra na homamiadana, na mampihena ny habetsahan’ny menaka anaty ny tenan’ny olona na koa mitsabo diabeta sy

Fanabeazana – Nahazo tambajotra  “internet” ny tanoran’ i Soavinandriana Itasy

Fanabeazana – Nahazo tambajotra “internet” ny tanoran’ i Soavinandriana Itasy(0)

Afaka manovo fahalalana amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao indray ireo mpianatra ao Soavinandriana. Nahazo solosaina efatra, miaraka amin’ny “connexion internet” haingam-pandeha izy ireo. Fiaraha-miasa teo amin’ny fikambanana Fitia sy ny orinasa Orange no nahafahana nanao izany. Ity farany ihany koa izay nametraka “coach multimedia” any an-toerana mba hanoro sy hampianatra ny ankizy amin’ny fampiasana ny “internet”.

Alatsinain’ny Pentekosta – Malaina maka fahazoan-dalana manokana ireo fiara mpitatitra

Alatsinain’ny Pentekosta – Malaina maka fahazoan-dalana manokana ireo fiara mpitatitra(0)

Tsy nahasakana ny olona tamin’ny fandehanana nitsangantsangana ny fahasahiranana sy ny toetr’andro. Vao maraina mantsy dia efa zara raha nisy ny taksibe niasa tamin’ny zotra nisy azy. Lasa nanao fitaterana manokana avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Vao maraina ihany koa omaly dia efa tazana sy tomefy olona mandeha an-tongotra ny arabe rehetra ho an’ireo tsy naka fiara manokana. Fotoana nampandeha ny tsenan’ ireo fiara fitaterana ny omaly. Ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana anefa nilaza fa vitsy dia

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite