
Nandrasana hatramin’ny 9 ora maraina ny vokatr’ilay fihaonana teo anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola natao teto Antananarivo, ny talata teo, saingy noho ny tsy fisiana baiko hafa tonga dia nidina teny an-toerana ireo lohandohan’ny mpisorona avy ao amin’ny Omc (Organe Mixte de Conception) izay nahitana ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandary eto Vakinankaratra kolonely Bama Marima sy ny kaomisera La Barre Guy José ary ny sekretera jeneralin’ny Faritra Andriamanantsoa Hervé Phillibert sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy eto an-toerana.
Tsy mitovy lenta
Hihaona tamin’ireo mpiasan’ny Tiko efa vory lanona teo Andranomanelatra no anton-dian’ireo tompon’andraikitra ireo, saingy vokatry ny tabataba nataon’izy ireo dia ny olon’ny Tiko, toa an’i Me Norosoa Raharimalala mpisolovava sy i Lanto Rabenantoandro, mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita ihany no nitafa tamin’izy ireo. « Ny hanao fanagiazana ny orinasa ihany no anton-dian’ireo avy amin’ny OMC. Eny fa na dia nangataka aza izahay ny hampitoviana lenta ny fampiharana ny didy, izay mametra ny tokony hanaovan’ny roa tonta kaonty amin’ny vola tokony haloan’ny Fanjakana amin’ny Tiko sy ny tokony haloan’ny Tiko amin’ny Fanjakana», hoy ny Me Norosoa Raharimalala.
Tsy mbola tanteraka kosa hatramin’izao io fanagiazana io.
Angola Ny Avo/HNA








0 Fanehoan-kevitra