Subscribe to RSS

Fitakian-ketra – Mandeha ny fifampiraharahana avo lenta momba ny Tiko

Efa tonga tao Antsirabe, saika hanatanteraka ilay didy hanaovana fanagiazana ny orinasa Tiko ao Andranomanelatra sy Mahafaly omaly ny
vadintany avy amin’ny foibem-pitondrana anka-pobeny misahana ny hetra (Dgi), saingy voatery nahemotra anio indray izany. Fantatra mantsy fa misy ny fihaonana sy dinika ataon’ireo minisitera maromaro voakasik’ity raharaha ity, omaly.

Teo anatrehan’ny sekretera jeneralin’ny Faritra Vakinankaratra ny vadintanin’ny Dgi sy ny avy amin’ny Tiko no nifampiresaka omaly.

« Raha tsy misy baiko azo hatramin’ny rahampitso maraina (ndlr : anio) dia hiroso amin’ny fanagiazana izahay », hoy ny Me Mamy Andrianoro Lucien, vadintany.

Nilaza izy fa tsy mbola fanaovana varotra ampahibemaso no hatao mandritra izany fa fijerena ireo entana rehetra ao amin’ny orinasa Tiko ihany.  »Baiko avy any amin’ny minisiteran’ny Vola, 10 hatramin’ny 15 andro aorian’ny fanagiazana no ahafahana miroso na tsia amin’ny fanaovana varotra ampahibemaso ireo entana giazana », hoy ihany ny fanazavany.

Toy ny mahazatra dia efa vory lanona teny amin’ny orinasa Tiko Andranomanelatra ireo mpiasa, omaly. Nilaza ny tsy hitazam-potsiny izay hafitsok’ireo mpanatanteraka didy izy ireo koa dia andrasana izay hiseho amin’ity andro anio ity.

Angola Ny Avo

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Vola sy serasera – Sehatra ahitana lalam-barotra ao anatin’ny dimy minitra

Vola sy serasera – Sehatra ahitana lalam-barotra ao anatin’ny dimy minitra(0)

Fanomezan-danja ny vehivavy. Hampiseho ny talentany sy ny fiofanana norantoviny nandritra ny fandaharan’asa Babeo, ireo vehivavy mpandraharaha madinika. Vehivavy mpian- tsehatra miisa 30 no hampi- ranty ny ezaka vitany mandritra ny telo andro, 23, 24, 25 mey, etsy amin’ ny Esplanade Analakely. «Foaraben’ny orinasa madinika» mihitsy no anarana hampitondraina ny hetsika mba hampaha- fantarana ny olona fa afaka mivelatra ny vehivavy na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza. « Ho hita eny

Fahapoizinana – Olona 63 nararin’ny sakafo  tamina mariazy miara-mizotra

Fahapoizinana – Olona 63 nararin’ny sakafo tamina mariazy miara-mizotra(0)

Nanao rano lava omaly ireo olona narary vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo tonga tetsy amin’ ny hopitaly Hjra, Ampefiloha. “Olona nanatrika mariazy miara-mizotra tamina fiangonana iray teny Itaosy ireo narary tonga nanatona hopitaly ireo. Olona an-jatony no nanatrika ny sakafo fanasana saingy ireo 63 ireo ihany no tonga nanatona hopitaly. Misy no nanatona toeram-pitsaboana hafa. Ankizy latsaky ny 15 taona avokoa ny ankamaroany tonga eto amin’ny Hjra », araka ny nambaran’ny Dr

Tapatapany

Tapatapany(0)

VONONA NY LAZA ADINA Efa vonona avokoa na ny mpianatra na ny mpampi- anatra, hatramin’ny laza adina rehetra. Efa nahavita ny fandaharam-pianarana ny kilasy fahadimy hiatrika ny fanadinana Cepe amin’ ity taona ity. Nahavita izany na ireo avy amin’ny sekolim- panjakana na ny tsy miankina. Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny famerenana ireo mpiadina. Ao anatin’ny fiatrehana ny fanadinana andrana ihany koa izy

Hasoavan-jazalahy – Tsy nisy fiakarany ny hasin-tanana amin’ny didim-poitra

Hasoavan-jazalahy – Tsy nisy fiakarany ny hasin-tanana amin’ny didim-poitra(0)

Manomboka ihany koa ny tsenan’ireo dokotera mpanao didim-poitra amin’izao ririnina izao.  Tsy nisy fiakarana ny hasin-tanana alain’ireo dokotera amin’ ny fanaovana didim-poitra raha ampitahaina tamin’ ny taon-dasa. «Niezaka ny tsy hampiakatra ny saran’ny fandidiana izahay noho ny fahatsapana fa mbola ao anaty krizy ny Malagasy», hoy ny dokotera Randrianasolo Jules, mpanao io asa io. Etsy an-daniny anefa dia mirentirenty amin’ny alalan’ny peta-drindrina ny dokam-barotra ataon’ireo dokotera manao didim-poitra amin’ny

Fanadiovana – Nitombo be ny loto nameno tanàna taorian’ ny fety

Fanadiovana – Nitombo be ny loto nameno tanàna taorian’ ny fety(0)

Tsy mahay mifety. Mbola lavitra antsika izany mifety ao anatin’ny fahadiovana izany raha ny fako sy ny loto hita omaly nandritra ny fanadiovana nataon’ ny avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua), taorian’ny fetin’ ny Pentekosta. Saika nahitana izany fako miavosa izany avokoa ireo toerana rehetra naha- vory olona saingy niavaka tamin’ireny ny teny amin’ ny faritra

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite