Tosika ho an’ny fiompiana kisoa. «Mbola maro ny mpiompy kisoa tsy resy lahatra amin’ny fampanarahana entin-tanana, na ny fampidirana tsirin’ain-kisoa lahy voafantina amina kisoa vavy. Maro lafy ary ahazoana tombony be anefa ny fampiharana azy», hoy Andrinantenaina Jean Noël, mpiompy kisoa any Imerin- tsiatosika, sady teknisiana momba ny fiompiana kisoa ary nahazo tombony tamin’ ny fampiharana ity teknikam- piompiana iray ity.
«Mihena kokoa ny fotoana fiompiana. Dimy na enim-bolana iompiana dia mahatafavoaka kisoa milanja 120 kilao raha manao ny fampanarahana entin-tanana. Raha fampanarahana tsotra anefa dia sivy ka hatramin’ny 10 volana vao azo izany», hoy ny fana- zavany. Mihena noho izany ny mason-karena amin’ ny sakafo.
Toeram-pitsirihana vaovao
«Voafehy ary voasoroka ny mety ho fifindran’ny aretina. Manantombo ka mety hihoatra ny 12, ankoatra izany, ny isan’ny zana-kisoa teraka ary azo antoka ho tsara kokoa ny kalitaon’ ny hena», hoy indray Rakotondrahanta Solofoniaina, Talen’ny sampan-draharaha Malagasy matihanina momba ny fiompiana (Mpe). «Iray volana sy tapany dia efa mahatafavoaka zana-kisoa milanja 20 kilao nampiasana ny fampana- rahana entin-tanana, raha dimy kilao monja no azo mandritra io fe-potoana io amin’ny fampanarahana tsotra», hoy ihany io tompon’andraikitra io.
Notokanana omaly, teny amin’ny Mpe Nanisana, ny toerana fitsirihana ny hatsaran’ny tsirin’ainan-kisoa lahy. Toeram-pitiliana voalohany momba ny fampanarahana entin-tanana ny kisoa eto Madagasikara. Manaraka ny fenitra takina mifandraika amin’izany ny fitaovana ampiasaina ao amin’ity toeram-pitiliana vaovao ity. Ar 60 000 no ivarotana ny tsirin’aina voafantina sy voatily ho an’ ny fampanarahana entin-tanana, fatra ho an’ny kisoa vavy iray.
Monica Rasoloarison










0 Fanehoan-kevitra