Kely sisa. Roa andro no niatrika ny fianarana farany mialoha ny hanatontosana ny fanadinam-panjakana Cepe omaly sy androany ireo mpianatra katita kely ao amin’ny taona fahadimy. Samy nanao izay mety hanampiana azy ireo ny sekoly tsirairay. “ Femerenana kely ihany sisa no atao mba tsy hanavesatra be ny sain’ ny ankizy intsony. Amin’ny 10 ora maraina dia mirava”, hoy ohatra Razafindrasoa Madeleine, talen’ny Epp etsy Ankorondrano.
Tahaka izany ihany koa ny tetsy amin’ny Epp Analakely. “ Manala harafesina ny sain’ny ankizy sisa no atao androany (omaly) sy rahampitso (anio)”, hoy ny talen-tsekoly, Ranivoarilala Robine. Niavaka kosa ny tetsy amin’ny Epp Ambanidia. Nanomboka omaly vao niverina nianatra ny ankamaroan’ny mpianatra taorian’ny fanadinana andrana faharoa notontosaina, ny alatsinainy teo.
“ Efa vita tamin’ny fanadinana andrana ny famerenana. Fanitsiana sy fizarana naoty sisa no atao”, hoy Andrianavahy Hanta Chérie. Omaly ihany koa no nizaran’ny ankamaroan’ireo sekoly ny taratasy fiantsoana ho an’ny mpiadina.
LR










0 Fanehoan-kevitra