«Tsy tokony hisy in-tsony ny fivoriambe tsy ara-potoana hotantera-hina eo anivon’ny parlemantan’ny tetezamita», raha ny hevitry ny Filohan’ ny Filankevitra ambonin’ ny tetezamita, ny jeneraly Rasolosoa Dolin, omaly. Ny talata voalohan’ny volana mey 2013 no tokony hanatanterahana ny fivoriambe ara-potoana voalohan’ireo mpikambana eo anivon’ny parlemanta. «Efa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifi-dianana tanteraka isika amin’izany, ka sarotra ny mbola hihevitra ny mety hisian’izay fivoriana izay. Maro amin’ireo mpanao politika izay mpikambana eo anivon’ny parlemanta no tsy maintsy hanao fampielezan-kevitra mialoha io fotoana io, ka mety hanahirana ny mety mbola hisian’ny fivoriana tsy ara-potoana mialoha izany», hoy hatrany ny Filohan’ny Cst. Raha ny fanazavan’ity farany ihany anefa dia «miankina amin’izay fanapahan-kevitry ny governemanta ny mety mbola hisiana fivoriana tsy ara-potoana na tsia ». Isan’ny tokony mbola holaniana eo anivon’ ireo Antenimieran’ny tete- zamita anefa ny vola-volan-dalàna mahakasika ny sata mifehy ireo Filoham-pirenena.
JR









0 Fanehoan-kevitra