Subscribe to RSS

Fifidianana – Hifanatrika amin’ ny manam-pahaizana vahiny maro ny Cenit

Delagasiona mafonja avy amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena no hifampidinika mahakasika ny famaritana ny tetiandro sy ny datim-pifidianana miaraka amin’ireo tompon’ andraikitra eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Cenit).

Omaly no efa niga-dona teto Madagasikara ireo manam-pahaizana ho vahin’ny Cenit, etsy Ala-robia. Isan’izany i Simon Pierre sy i Amadou Ba, manam-pahaizana avy amin’ny Firenena mikam- bana sy ny Jeneraly Sangare avy amin’ny Fianakavia-ben’ny Frankofonia.

«Ny fanaovana tatitra momba ireo asa sy ny tomban’ezaka rehetra ao anatin’ny tetiandro napetraky ny Cenit no hodinihana amin’io fivoriana voalohany io ary ny talata izao no hanambaràna amin’ny fomba ofisialy ny daty sy ny karazam-pifidianana hatao eto Madagasikara», hoy ny mpampaka-tenin’ny Cenit, Fano Rakotondra-zaka, omaly. Isan’ireo hiatrika ity fivoriana ity ihany koa ny sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ ny Ranomasimbe Indi-anina, Jean Claude de l’Estrac, izay nigadona teto Madagasikara, omaly.

JR

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Leonidas Tezapsidis – «Tsy mbola tapaka ny famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeana»

Leonidas Tezapsidis – «Tsy mbola tapaka ny famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeana»(0)

Mandroso mihemotra. Nambaran’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana, Leonidas Tezapsidis omaly fa «tsy mbola tapaka ny famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeana hana- tanterahana ny fifidianana eto Madagasikara». Araka ny fanazavan’ity farany dia «hevitra tsy nifankahazo fotsiny ihany no nahatonga ilay fila-zana mahakasika ny fahatapahan’ny famatsiam-bola ny fifidianana eto Madagasikara tamin’ ny herinandro teo». Omaly no nisy ny fivoriana notanterahin’ ireo firenena mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara sy ireo tompon’andraikitry ny Cenit nandinihana maha-kasika ny toe-bola ao anatin’ilay kitapom-bola natokana hanampiana an’i Madagasikara amin’ ny raharaham-pifidianana. Taorian’io fivoriana io no nampahalalan’ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeana ny fitohizan’ny famatsiam-bola amin’ny fifidianana. Na dia izany aza dia nilaza ny mbola «manara- maso akaiky sy miandry ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena hatramin’io herinandro ho avy io ny Vondrona Eoropeana mialoha ny tena hanapahany hevitra». Notsindrian’i Léonidas Tezapsidis rahateo fa «miankina amin’ny faharisihan’ny mpanao politika malagasy hitady vahaolana ahafahana miroso na tsia amin’io fifidianana io ihany ny fanapahan-kevitra horaisin’ny Vondrona Eoropeana». «Tsy tokony hatao fialana olana amin’ny mety ho tsy fahatanterahan’ny fifidianana eto Madagasikara mihitsy ny Vondrona Eoropeana», hoy hatrany ny Maso-ivohony. Juliano Randrianja

Ivato – Tonga omaly ny vatana manga- tsiakan’ny pasitera Andriamanjato

Ivato – Tonga omaly ny vatana manga- tsiakan’ny pasitera Andriamanjato(0)

Fianakaviana, olom-pantatra, namana sy tapaka, mpiara-mivavaka, tompon’andraiki-panjakana sivily sy miaramila ary karazan’olona maro no tonga nitsena ny nofo mangatsiakan’ny mpitandrina Andriamanjato Richard, omaly anto-andro, teny Ivato. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny fiangonana Fjkm Ambohitantely nanaovana fotoam-pivavahana ny razana. Nanatrika izany ny Filohan’ny tete-zamita, Andry Rajoelina sy ny fianakaviam-ben’ny Fjkm, notarihin’ny sekretera jeneraliny. Teny Ambohitantely, omaly, dia nilahatra mihitsy ireo mpamangy. Isan’ireo tazana teny an-toerana ny mpanakanto Henri Ratsimbazafy. Namaly ny teny fampiononan’ireo mpamangy kosa Andriamanantena Andry, izay zanaka lahimatoan’i Georges Andriamanantena na i Rado. Anio dia ireo mpikambana amin’ny Andrimpanjakana no hitsapa alahelo ny fianakaviana. Hatramin’ ny alahady izay fotoana handevenana azy, eny Ambohidratrimo, dia ao amin’ny Fjkm Ambohi-tantely hatrany no andrasana ny razana. Ny alakamisy 16 mey no maty tany Frantsa ny pasitera Andriamanjato Richard, teo amin’ny faha-83 taonany. Ranaivoson Faniry

Omer Beriziky – Tsy manaiky ny hanaovan’ny samy Malagasy irery ny fifidianana

Omer Beriziky – Tsy manaiky ny hanaovan’ny samy Malagasy irery ny fifidianana(0)

Nahariharin’ny Praimi-nisitra Omer Beriziky ny tsy fankasitrahany ny mety ho fikirian’ny fitondrana tetezamita hanatanteraka samy irery ny fifidianana filoham-pirenena, tsy voatsodranon’ny iraisam-pirenena. «Manampy ihany no tokony hataon’ny Malagasy satria raha isika irery no manatontosaio fifidianana io dia tsy ho azo ny fankatoavana iraisam-pirenena izay efa nandrasana hatramin’ izay», hoy ny lehiben’ny governemanta raha naneho hevitra ivelan’ny hetsika Tsenabe iraisam-pirenen’i Madagasikara, tetsy Andra-haro, omaly. Fanehoan-kevitra izay mampiharihary ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny Praiminisitra sy Andry Rajoelina. Omaly anefa ity farany dia efa somary nanipy hevitra ny amin’ny mety hiantsorohan’ny Malagasy manokana ny fanatanterahana io fifidianana io. Io omaly io dia mbola nohitsian’ ny Praiminisitra hatrany fa «tsy afaka ny hitoka-monina ny Malagasy fa tsy maintsy mila ny fanampian’ny avy any ivelany». JR

Amnesty International – Voakiana mafy indray ny mpitandro ny filaminana

Amnesty International – Voakiana mafy indray ny mpitandro ny filaminana(0)

Toy ny efa zary mahazatra isan-taona dia tafiditra ao anaty ny lisitr’ireo firenena voakiana mafy amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona indray i Mada-gasikara, araka ny tatitra vao navoakan’ny fikambanana miaro ny zon’olombelona Amnesty international, omaly. Ny Fitsarana, ny mpitandro ny filaminana, indrindra ny zandary, ary ny minisiteran’ny Serasera dia samy voatsindrom-paingotra avokoa. «Tsy nivoatra mihitsy i Madagasikara raha ampitahaina ny zava-misy tamin’ny taon-dasa sy ny ankehitriny. Misy ny famonoana olona an-jatony, fisamborana sy fitazonana olona tsy ara-dalàna. Mitombo hatrany ny fifamonoana eo amin’ny samy mponina noho ny halatr’omby. 250 raha kely indrindra ireo olona maty tany atsimo», hoy ilay tatitra. Voakiana noho ny voalaza fa fitarazohan’ny fomba fiasany ihany koa ny Fitsarana. Tsy nohadinoin’ity fikambanana ity ny nanisy resaka ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Voalazan’ny tatitra fa maro ireo fanitsakitsahana ny fahafahan’ny mpanao gazety maneho hevitra. «Onjam-peo tsy miankina dimy raha kely no naato tamin’ny asany. Mpanao gazety maro no voaenjika sy nohadihadiana teny anivon’ny zandary», hoy ihany ity tatitra ity. Ranaivoson Faniry

Fandaminana – Nangataka hanemorana  ny fifidianana ny Foloalindahy, ny Ffm ary ny Csc  

Fandaminana – Nangataka hanemorana  ny fifidianana ny Foloalindahy, ny Ffm ary ny Csc  (0)

Nandefa taratasy any amin’ny filohan’ny Vaomie-ram-pirenena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita, Béatrice Atallah, mangataka ny hanemorana iray volana ny datim-pifidianana ny Foloalindahy sy ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (Ffm) ary ny komity mpanara-maso ny fampiharana ny sori-dalana (Csc). Araka ny voarakitra ao anatin’io taratasy io dia mila eo amin’ny iray volana eo izy ireo handaminana ny olana mahakasika ny filatsahan-kofidian’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy i Lalao Ravalomanana ary ny amiraly Didier Ratsiraka. Raha ny fangatahan’izy ireo dia tokony mba hampifanarahana amin’izay koa ny datim-pifidianana filoham-pirenana, izay efa voafaritry ny Firenena Mikambana sy ny Cenit fa hotanterahina ny 24 jolay izao. «Izy ireo ihany no tompon’ny fanapahan-kevitra farany amin’ny fanemorana na tsia io daty io. Ny tena olana dia ny mety ho fahataran’ny fanontana ny biletà tokana. Fangatahana ihany anefa  ny anay», hoy ny fanazavan’ny Filohan’ny Csc, ny Dr Péri Rasolon-draibe, omaly. Voalaza ao anatin’ity taratasy ity fa ny fikaroham-bahaolana mahomby ahafahana mamita ny fifidianana filoham-pirenena ao anatin’ny mangarahara sy filaminana ary fitoniana tanteraka no anton’io fangatahana io. JR

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite