Mbola misy ary miasa ve ny governemanta tarihin’ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana, Jean Omer Beriziky? Mipetraka ny fanontaniana noho ny afitsoky ny mpikambana sasany, izay tsy manaiky intsony ny hamonjy Filakevitry ny governemanta na koa ny an’ny minisitra. Ny avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana moa dia mitaky hatrany ny fampodiana tsy misy fepetra ny Dadan-dry zareo ary manakiana mafy ny Filohan’ny Tetezamita, izay ampangainy ho fototry ny fikatsoana, satria, hono, tsy rototra amin’ilay fihaonana atao miaraka amin’ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana.
Ny mpanelanelana avy ao amin’ny vondrona Sadc anefa no toa tsy mbola vonona amin’ny fikarakarana na dia nilaza aza teo am-boalohany fa maika ny fifanatrehana hamahana ny krizy politika izay mampitondra faisana ny vahoaka. Tsy vao izao akory ireto lazaina fa fototry ny olana no nifanatrika. Aoka tsy hohadinoina ny tetsy Antanimena sy ny teny Ambohimanambola raha vao nanomboka ny disadisa tany amin’ny faran’ny taona 2008. Ny iray nitady fotsiny handemy ny ankilany, kanjo nivadika ny rasa ny volana marsa 2009 ka nitsoa-pahana tany ivelany tsy fidiny ny Filoha amperinasa, tamin’izany fotoana.
Avy any izy no manao vava tsy ambina ka io no mahatonga fisalasalana momba ny fiverenany eto an-tanindrazana. Tsy dia nahay nipetraka, araka ny fomba fiteniny, ny lehilahy fa nanao ny fomba rehetra hiverenana eo amin’ny fitondrana, ka nampiasainy avokoa ny hetsika politika rehetra nampitsingilahila ny fitondrana tetezamita, miampy ny fanaratsiana tsy an-kiato teo amin’ny sehatra diplaomatika sy ny vaovao iraisam-pirenena. Afaka hifamela ary ve ny roa tonta sa dia resaka fotsiny ny hoe fampihavanana ?
Eto an-toerana, ny minisitra sasany manao ny ataony.
I Tabera Randriamanantsoa, ohatra, dia nilaza fa rehefa heverina fa misy zava-dehibe hodinihina vao manatrika ny Filankevitry ny minisitra ny tenany. Io anie ilay efa hita mialoha amin’ity fiaraha-mitantana ity e. Ny minisitra avy amin’ny ankolafy tsirairay dia tsy hanaiky mihitsy hofehezin’ny Filohan’ny Tetezamita fa samy manao izay saim-pantany. Rehefa handray karama kosa aloha tsy misy midongy izany fa mampiseho fahavononana tsara tokoa. Tsy misy dikany izany fitadiavana vahaolana hialana amin’ny krizy izany.
Eric Ranjalahy









1 Fanehoan-kevitra